Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandrora

Mandrora

Mamoaka rora avy any am-bava. Tena manambany na tsy tia na tezitra ka te hanala baraka ny olona iray, matoa mandrora amin’ny olon-kafa na ny tarehiny. (No 12:14) Nororan’ireo nankahala azy i Joba, tamin’izy nijaly. (Jb 17:6; 30:10) Nasain’ny Lalàna nalam-baraka ampahibemaso ny lehilahy israelita tsy nety nitondra loloha ny vady navelan’ny rahalahiny: Nesorin-dravehivavy ny kapan’izy io, ary nororany teo imason’ny anti-panahin’ny tanàna ny tarehiny.​—De 25:7-10.

Nororana i Jesosy Kristy rehefa teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy (Mt 26:59-68; Mr 14:65), ary nororan’ny miaramila romanina rehefa avy notsarain’i Pilato. (Mt 27:27-30; Mr 15:19) Efa nilaza izany mialoha izy (Mr 10:32-34; Lk 18:31, 32), ary tanteraka taminy ilay faminaniana hoe: “Ny tarehiko tsy mba nafeniko rehefa nalam-baraka sy nororana aho.”​—Is 50:6.

I Jesosy Kristy kosa nampiasa ny rorany intelo mba hanasitranana. (Mr 7:31-37; 8:22-26; Jn 9:1-7) Nanao fahagagana izy tamin’izay noho ny herin’ny fanahin’Andriamanitra, fa tsy satria fotsiny hoe mahasitrana ny rora.