Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandrovitra Akanjo

Mandrovitra Akanjo

Fomba nanehoan’ny Jiosy sy ny Tatsinanana alahelo, indrindra rehefa reny hoe maty ny havany akaiky. Ny teo amin’ny tratra fotsiny no norovitina tamin’ny ankapobeny, fa tsy ny akanjo manontolo, ka azo nanaovana ihany ilay izy.

I Robena lahimatoan’i Jakoba no resahin’ny Baiboly voalohany hoe nandrovitra ny akanjony, rehefa tsy hitany tao anaty lavaka fanangonan-drano i Josefa. Hoy izy: “Tsy ao intsony ilay zaza! Aiza re ny tany halehako e?” Lahimatoa mantsy izy ka tokony hiandraikitra an’ilay zandriny. Nandrovitra ny lamba fitafiny koa i Jakoba rainy ary nisaona ka nisikina lamba gony, rehefa nilazana hoe maty ny zanany. (Ge 37:29, 30, 34) Nandrovitra ny akanjony ireo rahalahin’i Josefa tany Ejipta, rehefa noheverina ho mpangalatra i Benjamina.​—Ge 44:13.

Hoy kosa i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanany roa lahy, rehefa novonoin’i Jehovah i Nadaba sy Abiho zanany roa voalohany fa nanao ratsy: “Aza avela hisavoritaka ny volonareo, ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo.” (Le 10:6) Navela handrovitra ny akanjony anefa ny mpisorona taranak’i Arona rehefa maty havana akaiky ka nalahelo. Ny mpisoronabe kosa tsy nahazo namela ny volony hisavoritaka na nandrovitra ny akanjony.​—Le 21:1-4, 10, 11.

Nalahelo mafy i Joba ka nandrovitra ny akanjony ivelany rehefa nilazana fa maty ireo zanany. (Jb 1:20) Nalahelo ka nitomany sy nandrovitra ny akanjony ireo naman’i Joba telo lahy, ary nanipy vovoka ho amin’ny rivotra raha vao nahita azy narary mafy. (Jb 2:12) Nandrovitra ny akanjony koa i Josoa rehefa resy tao Ay ny Israelita (Js 7:6); ilay tovolahy nilaza hoe maty i Saoly Mpanjaka (2Sa 1:2); Davida nilazana tsaho hoe novonoin’i Absaloma daholo ny zanany lahy hafa (2Sa 13:30, 31); ary Hezekia Mpanjaka sy ny mpanompony rehefa reny ny fihantsian’i Rabsake Asyrianina an’i Jehovah sy Jerosalema (Is 37:1; 36:22). ‘Nandrovitra ny akanjony sady niantso mafy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!”’ i Atalia izay nandrombaka fahefana, rehefa tsinjony fa hifarana ny fitondrany.​—2Mp 11:14.

Tsy nihontsina i Joiakima Mpanjaka sy ny andrianany fony namakiana ny didim-pitsaran’i Jehovah nosoratan’i Jeremia mpaminany, rehefa hifarana ny fanjakan’ny Joda. Tsy mba natahotra sy “tsy nandrovitra ny akanjony” izy ireo.​—Je 36:24.

Nisy kosa nihatsaravelatsihy ka mody nalahelo sy nandrovitra ny akanjony nefa tsy tamin’ny fony. Tsy nankasitrahan’i Jehovah izany. Hoy izy tamin’ny mponin’i Joda: “Ny fonareo no rovito, fa tsy ny akanjonareo. Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo.”​—Jl 2:13.

Mody tezitra be i Kaiafa Mpisoronabe ka nandrovitra ny akanjony, rehefa niaiky i Jesosy hoe Zanak’Andriamanitra ny tenany. (Mt 26:65) I Paoly sy Barnabasy mpianatr’i Jesosy kosa tena kivy sy nalahelo be ka nandrovitra ny akanjony ivelany, rehefa hivavaka tamin’izy roa lahy ny mponin’i Lystra.​—As 14:8-18.

Tsy maintsy nandrovitra ny akanjony ny boka (Le 13:45), satria angamba hoatran’ny hoe maty ny boka tamin’ny Hebreo. “Toy ny zaza maty”, ohatra, i Miriama rehefa voan’io aretina mahatsiravina io. (No 12:12) Hafa mihitsy àry ny fitafian’ny boka, satria nalahelo ny tenany izy noho izy ‘toy ny maty.’

Heviny an’ohatra. Norovidrovitin’i Ahia mpaminany ho 12 ny akanjony, ka nasainy nalain’i Jeroboama ny 10. Hozaraina mantsy ny fanjakan’i Solomona. (1Mp 11:29-39) Nosintonin’i Saoly ny akanjo tsy misy tanany nanaovan’i Samoela ka rovitra. Midika izany fa nesorin’i Jehovah tamin’ny ankohonan’i Saoly ny fanjakana.​—1Sa 15:26-28.