Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maneso

Maneso

Midika hoe manao tsinontsinona na manala baraka, manaraby, na manabanty. Teny hebreo sy grika maromaro no manana heviny hoe maneso, arakaraka ny zavatra resahina, hany ka teny maromaro no ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hilazana izany: Maniratsira, mananihany, manaraby, manakora, mihomehy, ary manao ho fihomehezana.

Mazàna no maharikoriko amin’ny olona ny mpaneso na mpaniratsira (Oh 24:9), ary loza no hanjo ny mpaneso raha tsy manaiky anatra izy. (Oh 1:22-27) Tena ratsy toetra izay maneso ny ray aman-dreniny na maneso ny mahantra. (Oh 17:5; 30:17) Matetika no tsy tia tenenina ny mpaneso na mpaniratsira (Oh 13:1), ary halany izay mananatra azy. (Oh 9:7, 8; 15:12) Tokony hofaizina anefa ireny mpaniratsira ireny. Mahasoa ny hafa koa izany. (Oh 9:12; 19:25, 29; 21:11) Tsy tsara ny miaraka amin’ny olona toy ireny, fa aleo kosa mandroaka azy ireny. Sambatra kokoa izay tsy miara-mipetraka amin’ny mpaneso.​—Sl 1:1; Oh 22:10.

Esoina ny mpanompon’Andriamanitra. Iharan’izao karazana fanesoana tsy ara-drariny rehetra izao ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Nendrikendrehina, ohatra, i Joba hoe nanaraby olona (Jb 11:3), kanefa izy raha ny marina no noharabina, nesoina, natao ho fihomehezana noho izy tsy nivadika. (Jb 12:4; 17:2; 21:3) Nisy naneso koa i Davida. (Sl 22:7; 35:16) “Niharam-pitsapana ka nesoina” (He 11:36) koa i Elisa (2Mp 2:23), i Nehemia sy ireo niaraka taminy (Ne 2:19; 4:1), ary ny maro hafa. Nesoina sy noharabin’ny maro koa ireo mpihazakazaka nirahin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda nanerana ny tanin’i Efraima sy Manase. Nirahina izy ireo mba hampirisika ny olona hankalaza ny Paska any Jerosalema. (2Ta 30:1, 10) Naneso an’ireo mpaminany sy irak’Andriamanitra ny mpivadi-pinoana tany Joda sy Israely mandra-pihatran’ny fahatezeran’i Jehovah tamin’ireny mpivadi-pinoana ireny.​—2Ta 36:15, 16.

Nesoina i Jesosy sy ny mpianany. Mpanompon’Andriamanitra sy Mpaminaniny i Jesosy Kristy ka nesoina, nihomehezana, natao ho fihomehezana, nalam-baraka, ary nororana mihitsy aza tamin’izy teto an-tany. (Mr 5:40; Lk 16:14; 18:32) Tena hita hoe nankahala an’i Jesosy ireo mpisorona sy lohandohany teo amin’ny Jiosy rehefa naneso azy. (Mt 27:41; Mr 15:29-31; Lk 23:11, 35) Naneso an’i Jesosy koa ny miaramila romanina rehefa nentina teo amin’izy ireo izy.​—Mt 27:27-31; Mr 15:20; Lk 22:63; 23:36.

Nesoina koa ny mpianatr’i Jesosy Kristy. Nisy tamin’ireny mpaneso ireny tsy nahalala ny marina, fa nisy koa tsy mpino. (As 2:13; 17:32) Niresaka momba ny fanarabian’ny Jiosy an’ireo mpianatra ireo ny apostoly Paoly, ka nitantara izay nanjo an’i Isaka tamin’izy dimy taona teo ho eo. Nanaraby azy i Ismaela (19 taona), rahalahiny hafa reny, satria nialona azy ka “nihomehy naneso” azy (“naneso”, JM). (Ge 21:9) Faminaniana izy io ary nilaza i Paoly hoe toy izao no nahatanterahany: “Isika, ry rahalahy, no zanaky ny fampanantenana toa an’i Isaka. Fa nanenjika an’ilay nateraka araka ny fanahy [Andriamanitra no nahatonga an’i Isaka ho teraka] ilay nateraka araka ny nofo tamin’izany fotoana izany. Dia tahaka izany koa ankehitriny.” (Ga 4:28, 29) Hoy i Paoly tatỳ aoriana: “Izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina ihany koa.”​—2Ti 3:12.

Toe-tsaina tsara hananana raha misy maneso. Efa fantatr’i Jesosy Kristy hatrany am-boalohany fa tsy maintsy hisy haneso izy, ary hovonoina ho faty mihitsy aza amin’ny farany. Fantany anefa fa solontena ihany izy fa i Jehovah, raha ny marina, no tena nalam-baraka ary izay no mafy indrindra taminy. Mafy taminy izany satria ‘nanao izay sitraky ny Rainy foana’ izy (Jn 8:29), sady ny fanamasinana ny anaran’ny Rainy no tena zava-dehibe taminy kokoa noho ny zavatra hafa. (Mt 6:9) “Tsy mba nanevateva [àry] izy rehefa nisy nanevateva, ary tsy mba nandrahona rehefa nijaly, fa nanankina foana ny fiainany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.” Niresaka momba izany ny apostoly Petera, tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina, indrindra fa ho an’ireo mpanompo. Nampirisika azy ireo i Petera mba tsy hamaly faty rehefa entina amin’ny fomba ratsy toy izany. “Modely” ho azy ireo mantsy i Kristy ‘mba hanarahan’izy ireo akaiky ny diany.’​—1Pe 2:18-23; Ro 12:17-21.

Hoy i Jeremia mpaminanin’Andriamanitra: “Ataon’ny olona ho fihomehezana foana aho, sady esoin’izy rehetra.” Kivy izy tamin’izay ary nieritreritra ny tsy haminany intsony, satria nanao tsinontsinona sy nanaraby azy ny olona. Niaiky anefa izy fa “noho ny tenin’i Jehovah” no nanesoana azy, ary toy ny afo nirehitra tao am-pony ny tenin’Andriamanitra ka tsy vitany ny niaritra izany. Nomba azy “toy ny lehilahy mahery sy mampahatahotra” i Jehovah noho izy tsy nivadika. Vao mainka nanampy azy tsy hivadika mihitsy izany.​—Je 20:7-11.

Olo-marina sy tsy nivadika mihitsy i Joba na dia tototry ny fanesoana aza. Nanjary diso hevitra anefa izy, ary nanao fahadisoana ka nahitsy. Hoy i Eliho: “Iza no lehilahy tomady tahaka an’i Joba, izay misotro fanesoana toy ny fisotro rano?” (Jb 34:7) Nifantoka be loatra tamin’ny fanamarinana ny tenany i Joba fa tsy tamin’ny fanamarinana an’Andriamanitra. Nasongadiny kokoa ny fahamarinany mihoatra noho ny an’Andriamanitra. (Jb 35:2; 36:24) Naneso mafy azy ny ‘namany’ telo lahy, ary noheveriny hoe izy no nesoina fa tsy Andriamanitra. Toy ny hoe nalainy ho an’ny tenany ireny fanarabiana sy fanesoana ireny, ka nahafaly azy izany toy ny olona mahita fahafinaretana rehefa misotro rano. Nohazavain’Andriamanitra tamin’i Joba tatỳ aoriana fa Andriamanitra, raha ny marina, no tena niantefan’ireo teny tsy marina nolazain’ireo mpaneso. (Jb 42:7) Hoy koa i Jehovah tamin’i Samoela, rehefa nangataka mpanjaka ny Israely: “Tsy ianao no laviny, fa izaho no laviny tsy ho mpanjakany.” (1Sa 8:7) Nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako [fa tsy noho ny nataonareo].” (Mt 24:9) Mila mitadidy izany ny Kristianina mba hanampy azy hiaritra ka hanana toe-tsaina tsara foana raha misy maneso. Ho mendrika ny hahazo valisoa izy rehefa miaritra toy izany.​—Lk 6:22, 23.

Rariny raha esoina. Mety hisy olona mendrika ny hesoina, ary rariny raha hatao toy izany izy. Mety hanaonao foana, ohatra, ny olona tsy malina na tsy miraharaha torohevitra, ka hesoin’ny olona. Toy izany ilay lehilahy nolazain’i Jesosy hoe nanomboka nanorina tilikambo nefa tsy nanao kajy mialoha ny amin’izay ho lany. (Lk 14:28-30) Navelan’i Jehovah “holatsain’ny mpiara-monina” taminy ny Israely, eny, navelany “haneso sy hanaraby” an’ilay firenena ireo nanodidina azy. Rariny izany satria nivadika taminy ny Israely ary tsy nankatò azy. Afa-baraka tany amin’ireo firenena mihitsy aza ny anarany noho ny nataon’izy ireo. (Sl 44:13; 79:4; 80:6; Ezk 22:4, 5; 23:32; 36:4, 21, 22) Rariny koa raha nanesoeso an’ireo mpisoron’i Bala i Elia mpaminany, noho izy ireo nanohitra an’i Jehovah. (1Mp 18:26, 27) Nihantsy ady tamin’i Jehovah sy nanevateva azy teo anatrehan’i Hezekia Mpanjaka sy ny mponin’i Jerosalema i Sankeriba. Nivadika anefa ny rasa, ka io mpanjaka asyrianina nieboebo io sy ny tafiny indray no nesoina sy natao ho fihomehezana ary afa-baraka satria resy. (2Mp 19:20, 21; Is 37:21, 22) Toy izany koa no nahatonga an’i Moaba hataon’ny olona ho fihomehezana. (Je 48:25-27, 39) Tafahoatra mihitsy aza ny nataon’ireo firenena eto an-tany satria Andriamanitra no nesoiny. Hihomehy sy haneso azy ireo anefa i Jehovah. Hijinja ny vokatry ny nataony mantsy izy ireo, satria sahisahy ratsy nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra an’izao rehetra izao.​—Sl 2:2-4; 59:8; Oh 1:26; 3:34.

Hisy mpaneso amin’ny “andro farany.” Anisan’ilay famantarana ny “andro farany” ny hoe hisy “mpaneso [a.b.t.: mpananihany (manesoeso)] ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany [“faniriany zava-dratsy”; Joda 17, 18], ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’” (2Pe 3:3, 4) Hita amin’izany fa nanaraby an’i Jehovah izy ireo, na dia efa nampitandrina aza ny Isaia 28:21, 22 fa tena hahita loza izay manao izany.

“Andriamanitra tsy azo vazivazina.” Nampitandrina ny apostoly Paoly fa misy loza miandry an’ireo mitady hamazivazy an’Andriamanitra, izany hoe ireo mihevitra fa azo atao tsinontsinona ny tari-dalan’Andriamanitra na ho afa-maina izy na dia tsy manaraka izany aza. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Galatia: “Raha misy mihevi-tena ho zavatra nefa tsinontsinona, dia mamita-tena izy. ... Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony. Fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.”​—Ga 6:3-8.

Nilaza ilay apostoly fa tsy tokony hamita-tena ny olona, ka hihevi-tena ho zavatra ary tsy hiraharaha an’Andriamanitra sy ny Teniny. Tokony hiezaka hadio amin’ny lafiny rehetra izy ka hanaraka ny fitarihan’ny fanahy masina, izany hoe izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Raha tsy manao an’izany kosa izy fa mbola mamafy ho an’ny nofony ihany, dia ho toy ny olona ‘manaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra [izy] nefa manadino ny zava-kendren’izany.’ Hanamavo ny torohevitr’Andriamanitra koa izy. (2Ko 6:1) Mamita-tena izy satria mieritreritra fa tsy hahita loza amin’izany. Fantatr’Andriamanitra anefa ny ao am-pony ary hotsarainy araka izany izy.