Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Manodidina ny Ranomasin’i Galilia

Manodidina ny Ranomasin’i Galilia

SARITANY: Ny manodidina ny Ranomasin’i Galilia

ANY amin’ny ilany avaratr’i Palestina no misy ny Ranomasin’i Galilia, na Ranomasin’i Tiberiasy, na Farihin’i Genesareta, ilay farihin-dranomamy voahodidina havoana. Toy ny vatosoa latsaka an-deboka ilay farihy, tokotokony ho 210 m any ambanin’ny haabon’ny ranomasina. Tokotokony ho 21 km ny lavany, ary 12 km eo ho eo ny sakany. Maro ny zava-nitranga niavaka tamin’ny fanompoan’i Jesosy niseho teo amin’io farihy io sy teny akaiky teny.

Imbetsaka i Jesosy no tao anaty sambokely rehefa nampianatra ny vahoaka teo amoron’ilay ranomasina. (Mr 4:1, 2) Marina fa nivezivezy be izy, nefa lasa nantsoina hoe ‘tanànany’ i Kapernaomy, izay teo amin’ny morony avaratr’ilay ranomasina. (Mt 9:1; Mr 2:1) Nandeha teo ambonin’io ranomasina io i Jesosy, ary teo akaikin’izy io koa izy no niseho rehefa nitsangana tamin’ny maty.​—Jn 6:1, 16-21; 21:1, 4-19.