Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manoratra, Soratra

Manoratra, Soratra

Manisy litera na tarehin-tsoratra amin-javatra mba hampitana hevitra ny hoe manoratra. Noforonina hahay hiteny i Adama lehilahy voalohany. Tsy nila nanoratra anefa izy, na zara raha nila, satria nampitainy am-bava izay tiany holazaina. Lavorary koa izy, ka tsy hoe voatery nanoratra sao nisy zavatra hohadinoiny. Tsy maintsy ho namorona fomba fanoratra anefa i Adama, saingy tsy resahin’ny Baiboly hoe nanoratra izy na taloha na taorian’ny nanotany.

Hoy ny Genesisy 5:1: “Izao no voalazan’ny boky mirakitra ny tantaran’i Adama.” Misy àry mihevitra hoe i Adama no nanoratra an’io “boky” io. Nohazavain’i P. Wiseman toy izao ny dikan’ny hoe “Izao [na: Izany] no tantaran’i” miverimberina ao amin’ny Genesisy: “Mamarana ny fizarana tsirairay mirakitra ny tantara eo alohany izy io. ... Lazain’izy io hoe iza no nanoratra an’ilay tantara, na tompon’ilay takelaka nanoratana azy.”​—Zava-baovao Hita Tany Babylonia Momba ny Genesisy, 1949, p. 53.

Sarotra inoana anefa ny tenin’i Wiseman rehefa dinihina ireo tantara ireo. Te hilaza izy, ohatra, hoe mamarana ny fitantarana manomboka amin’ny Genesisy 36:10 ny Genesisy 37:2, hoe: “Izao [na: Izany] no tantaran’i Jakoba.” Saika momba ny taranak’i Esao fotsiny anefa ilay fitantarana, ary zara raha miresaka momba an’i Jakoba. Manomboka eo amin’ny Genesisy 37:2 kosa vao miresaka be dia be momba an-dry Jakoba mianakavy. Te hilaza koa i Wiseman hoe i Ismaela sy Esao no nanoratra na tompon’ireo takelaka miresaka momba ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Tsy mitombina anefa izany satria tsy tafiditra tamin’ny fifanekena natao tamin’i Abrahama i Ismaela sy Esao, sady tsy nandray soa tamin’izany. Tsy ho nahaliana an’i Ismaela àry ny zava-nitranga tamin’ny ankohonan’i Abrahama ka tsy ho nosoratany tamin’ny an-tsipiriany. Nitranga an-taonany maro taorian’ny nandroahana azy sy Hagara reniny koa ilay tantara.​—Ge 11:27b–25:12.

I Esao indray tsy nanaja zava-masina (He 12:16), ka tsy ho nanoratra na ho tompon’ny takelaka miresaka momba ny tantaran’i Jakoba. Tsy nahita an’izay nitranga tamin’i Jakoba koa izy. (Ge 25:19–36:1) Tsy mitombina koa ny hoe tsy noraharahain’i Isaka sy Jakoba ny nataon’Andriamanitra tamin’izy mianaka, fa naleony nanoratra fohifohy momba ny tetirazan’ny olon-kafa.​—Ge 25:13-19a; 36:10–37:2a.

Talohan’ny Safodrano. Tsy misy porofo hoe nosoratana talohan’ny Safodrano ny tantara sasany ao amin’ny bokin’ny Genesisy. Tsy miresaka boky nosoratana talohan’ny Safodrano koa ny Baiboly. Ela be talohan’ny Safodrano anefa ny olona no efa nanorina tanàna, namorona zavamaneno, ary nanefy fitaovana vy sy varahina. (Ge 4:17, 21, 22) Tsy ho sarotra tamin’izy ireo àry ny namorona fomba fanoratra. Mety ho efa nisy talohan’ny Safodrano ny soratra nampiasana abidy, satria iray ihany ny fiteny tany am-boalohany (lasa fantatra hoe teny hebreo; jereo HEBREO, II), ary nampiasa abidy ny Israelita niteny an’io fiteny io.

Nilaza i Asorobanipala mpanjaka asyrianina fa namaky “soratra teo amin’ny vato, dia soratra natao talohan’ny safodrano” ny tenany. (Fanazavan’ny Tantara Fahiny, nataon’i J. Finegan, 1959, p. 216, 217) Mety ho nitantara tondra-drano lehibe teo an-toerana fotsiny anefa ireo soratra ireo, na niresaka tantara mody nolazaina hoe nitranga talohan’ny Safodrano. Nilaza, ohatra, ny “Lisitra Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Somerianina” fa nisy mpanjaka valo nitondra nandritra ny 241 000 taona. Hoy koa izy io: ‘Nisy Safodrano (naneran-tany avy eo).’ (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 265) Hita hoe tsy marina izany.

Tamin’ny 2370 T.K. ilay Safodrano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa, araka ny fanisan-taonan’ny Baiboly. Nilaza ny mpikaroka fa talohan’izany no nanoratana ny takelaka tanimanga maro nofongariny. Tsy misy daty anefa ireny takelaka ireny. Manombantombana fotsiny àry ny mpikaroka, fa tsy manana porofo hoe nosoratana talohan’ny Safodrano izy ireny. Tsy misy vakoka tranainy nofongarina koa voaporofo hoe nisy talohan’ny Safodrano. Ny toerana nahitan’ny mpikaroka an’ireny vakoka ireny no nahatonga azy ireo hanatsoaka hevitra hoe nisy talohan’ny Safodrano izy ireny, kanefa mety ho porofon’ny tondra-drano lehibe iray teo an-toerana fotsiny no hitany.

Taorian’ny Safodrano. Namorona endri-tsoratra isan-karazany ny olona rehefa nasafotofoto ny fiteny tao Babela. Nampiasa soratra miendri-pantsika izay toa avy amin’ny soratra kisarisary nampiasain’ny Somerianina ny Babylonianina sy Asyrianina ary firenena hafa. Voaporofo fa maromaro ny endri-tsoratra nampiasaina tamin’izany. Ahitana mpitan-tsoratra roa, ohatra, ny sary hoso-doko asyrianina fahiny iray eo amin’ny rindrina: Ny iray mampiasa penina ary manao soratra miendri-pantsika (angamba amin’ny teny akadianina) eo amin’ny takelaka, fa ny iray kosa mampiasa borosy kely ary manoratra eo amin’ny hodi-biby na taratasy papyrus (angamba amin’ny teny aramianina). Marika sy sary sy tsipitsipika ary boribory ny endri-tsoratra ejipsianina antsoina hoe hieroglifa. Io no mbola nanoratana teo amin’ny tsangambato sy sary hoso-doko amin’ny rindrina, kanefa lasa nampiasaina koa ny endri-tsoratra roa hafa (hieratika, avy eo demôtika). (Jereo EJIPTA, EJIPSIANINA.) Tamin’ny endri-tsoratra tsy nampiasana abidy, ny kisarisary (na tsipitsipika na tarehin-tsoratra mifaingoka tatỳ aoriana izay matetika no saro-pantarina) dia nilazana an’ilay zavatra natao sary, na ilay hevitra nofonosiny, na azo notovanana teny hafa mba hilazana zavatra hafa. Ilazana fo, ohatra, ny sarina fo, nefa azo ilazana koa ny hoe “tia”, ary misy teny hafa mitovy faneno amin’ny hoe “fo”, toy ny ao amin’ny hoe “folo” na “fohy.”

Renisoratra daholo ny abidy nampiasain’ny Israelita, ary nisy fomba fanononana azy avy. Ny mpamaky anefa no nanampy zanapeo arakaraka ny teny manodidina, raha toa ka nisy teny nitovy tsipelina nefa samy hafa ny zanapeo tokony hampiasaina. Tsy olana izany fahiny. Na ankehitriny koa aza, misy gazetiboky sy gazety ary boky amin’ny teny hebreo zara raha mampiasa teboka solon’ny zanatsoratra.

Nahay namaky sy nanoratra ny Israelita. Nahay an’izany ny mpisorona (No 5:23) sy olona ambony, toa an’i Mosesy (Ek 24:4), Josoa (Js 24:26), Samoela (1Sa 10:25), Davida (2Sa 11:14, 15), ary Jeho (2Mp 10:1, 6). Nahay koa ny sarambabem-bahoaka, afa-tsy ny olona sasany. (Ampit. Mpts 8:14; Is 10:19; 29:12.) Toa an’ohatra ilay didy hoe tokony hanoratra eo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranony ny Israelita, nefa midika izy io fa nahay nanoratra izy ireo. (De 6:8, 9) Nasaina nadikan’ny mpanjaka ho an’ny tenany sy novakiny isan’andro koa ny Lalàna.​—De 17:18, 19; jereo BOKY, I.

Be dia be ny zavatra nosoratan’ny Hebreo, nefa vitsy monja no hita tatỳ aoriana. Tsy nanorina tsangambato maro nankalazany ny zava-bitany mantsy izy ireo. Ranomainty koa no nanoratany tamin’ny taratasy papyrus na horonam-boky hoditra, anisan’izany ireo bokin’ny Baiboly, ka tsy nateza satria mando lava ny tanin’i Palestina. Voatahiry anefa ny hafatra raketin’ny Soratra Masina satria nisy foana ireo nifofotra nanao dika mitovy azy. (Jereo BAIBOLY SORA-TANANA; MPANAO DIKA SORATRA; MPANORA-DALÀNA.) Ny Baiboly irery no miresaka ny niandohan’ny olombelona sy izay nitranga talohan’izay. (Ge toko 1, 2) Mety ho efa nisy ela be talohan’ny Baiboly sora-tanana tranainy indrindra ananantsika ankehitriny ny soratra sasany eo amin’ny vato, takelaka tanimanga, iraizotongotra, ary varingarina. Tsy mahakasika ny fiainan’ny olona ankehitriny anefa izy ireny, ary lainga ny ankamaroany (toy ilay Lisitra Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Somerianina). Hafa raha samy soratra fahiny àry ny Baiboly, satria mirakitra hafatra tena lehibe izay tokony hodinihina tsara.