Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maona

Maona

(Maòna).

1. Taranak’i Kaleba avy tamin’i Samay. Mety ho rain’ny mponina tao Beti-zora i Maona, na tompon’andraikitra ambony tao, na mpanorina an’io tanàna io.​—1Ta 2:42, 45.

2. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:20, 48, 55) Tany an-tany efitra manodidina an’i Maona i Saoly mpanjakan’ny Israely no nanenjika an’i Davida sy ny olony. Voatery niala tany anefa izy satria nisy nilaza hoe manafika ny tanin’izy ireo ny Filistinina. (1Sa 23:24-28) Tatỳ aoriana, dia ratsy fanahy tamin’ny olon’i Davida i Nabala, lehilahy mpanankarem-be tao Maona. (1Sa 25:2-11) Maro no milaza an’i Maona ho i Tell Maiʽn (Horvat Maʽon [Bi-Yehoda]) eny an-tampon-kavoana, tokony ho 13 km any atsimo atsimoatsinanan’i Hebrona.