Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maotina

Maotina

Aidôs no teny grika nadika hoe “maotina”, ao amin’ny Baiboly, ary ilazana olona madio fitondran-tena izy io. (1Ti 2:9) Manana heviny hoe manaja ny fihetseham-pon’ny hafa na ny fomba fiheviny, na koa ny feon’ny fieritreretan’ilay olona ihany ny hoe aidôs. Anisan’ny dikan’izy io àry ny hoe menamenatra, manaja tena, misaina tsara, ary mahay mandanjalanja. (Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i H. Liddell sy R. Scott, nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 36) Aiskyne no teny grika fampiasa kokoa mba hilazana ny hoe ‘menatra.’ (1Ko 1:27; Fi 3:19) Nampitaha an’io teny io sy ny hoe aidôs i Richard Trench, ka nilaza fa “teny mendri-kaja kokoa [ny hoe aidôs] sady ahitana fa tsara kokoa ny antony misakana an’ilay olona tsy hanao ratsy. Hita ao amin’ny [aidôs] ny hevitra hoe mahatsapa rikoriko ka tsy te hanao zavatra mahamenatra sy mahafa-baraka. Tsy hita firy na tsy hita mihitsy ao amin’ny hevitry ny [aiskyne] kosa ilay hoe mahatsapa rikoriko.” Nilaza koa i Trench fa ny hoe aidôs dia “misakana foana ny olona tsara tsy hanao ratsy, fa ny [hoe aiskyne] kosa indraindray ihany vao misakana ny olona ratsy tsy hanao ratsy.” (Teny Mitovy Dika ao Amin’ny Testamenta Vaovao, Londres, 1961, p. 64, 65) Ny feon’ny fieritreretana àry no tena mahatonga ny olona tsy hanao ratsy, raha ny hevitry ny aidôs no jerena.

Fitafiana sy fananana hafa. Tian’i Paoly ho tsara fitondran-tena ireo anisan’ny fiangonana. Hoy izy tamin’i Timoty izay mpiandraikitra tokony hanara-maso izany: “Iriko ... ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy. Aoka kosa ny fihaingoany hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, izany hoe, amin’ny alalan’ny asa tsara.” (1Ti 2:9, 10) Mariho fa nampirisika ny hanaovana “akanjo milamina tsara” izy. Midika izany fa tsy nandrara ny Kristianina tsy hihaingo izy na hanao paozy metimety, milamina, madio ary mahafinaritra. Nasehony kosa fa tsy mety ny hoe jejojejo sy tia sehoseho eo amin’ny resaka fitafiana, ka mampiseho hoe manan-katao. Tafiditra ao amin’ny hoe “maotina” koa ny hoe mitandrina mba tsy hanafintohina ny hafa, manaja tena, ary mitandro voninahitra. Tokony ho maotina ny fitafian’ny Kristianina, ary tsy hanafintohina ny hafa na ireo mora tohina eo anivon’ny fiangonana. Noho io torohevitra io àry dia azontsika tsara kokoa ny fomba fihevitra tian’i Jehovah hananan’ny Kristianina momba ny fananana ara-nofo hafa sy ny fomba tokony hampiasan’izy ireo izany.​—Jereo FANETREN-TENA.