Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mara

Mara

(Màra).

1. [Mangidy]. Anarana nofidin’ny vadin’i Elimeleka, tamin’izy lasa mpitondratena. Nangidy tokoa mantsy no nentiny satria maty ny vadiny sy Malona ary Kiliona zanany mirahalahy. Nanam-bady sy nanan-janaka roa lahy i Naomy tamin’izy niala tao Betlehema (Rt 1:1, 2), fa ory sy maty vady aman-janaka kosa izy rehefa niverina avy tany Moaba. Nanontany azy ny vehivavy namany taloha tao Betlehema, hoe: “I Naomy ve io?” Mbola ory dia ory izy, ka namaly hoe: “Aza miantso ahy hoe Naomy [midika hoe “Mahafinaritra Ahy”], fa antsoy hoe Mara [midika hoe “Mangidy”] aho satria tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra. Nanam-be aho fony niala teto, nefa nampody ahy tanam-polo i Jehovah.”​—Rt 1:19-21.

2. [Zavatra Mangidy]. Toerana voalohandohany nitobian’ny Israelita, tany amin’ny Saikinosin’i Sinay. Natao hoe “Mara” ny anaran’ilay toerana, satria tsy azo nosotroina ny rano tao. (Ek 15:23; No 33:8) Vao avy novonjena tsy ho azon’ny Ejipsianina teo amin’ny Ranomasina Mena ny Israelita, nefa tsy nanam-pinoana sy nimenomenona sahady rehefa tsy afaka nisotro an’ilay rano tao Mara. Nasain’i Jehovah nanipy hazo tao anatin’ilay rano àry i Mosesy, ka nanjary mamy ilay rano. Tsy lazain’ny Baiboly hoe karazan-kazo inona izy io, ka tsy misy fomba ahalalana izany. Mazava ho azy fa azon’i Jehovah atao tsara ny manoro an’i Mosesy hazo manokana afaka manamamy rano. Fahagagana anefa ilay izy, ka tsy ilana fanazavana amin’ny alalan’ny siansa na fomba hafa.​—Ek 15:23-25; ampit. 2Mp 2:19-22; 4:38-41.

Iny zava-nitranga iny koa no nahitan’i Jehovah raha nino ny Israelita fa mahavita mikarakara azy ireo Izy. Nasehony fa nahavita niaro ny Israelita tamin’ny aretina nanjo ny Ejipsianina izy, rehefa nanova ilay rano ho mamy, satria mankarary ny rano ratsy. (2Mp 2:19) Izao àry no “fitsipika” nampianarin’i Jehovah ny Israelita: Tsy ho voan’ireo aretina namelezany ny Ejipsianina izy ireo, raha mankatò azy noho izy Andriamaniny.​—Ek 15:25, 26.

Maro no milaza fa i Mara ihany i ʽEin Havvara, 80 km any atsimo atsimoatsinanan’i Suez ankehitriny, eo akaikin’ny Ranomasina Mena.