Marata
(Maràta) [Zohy; na Saha Mangadihady].
Tanàna nomena ny fokon’i Joda. (Js 15:21, 59) Misy mihevitra azy io ho toerana iray tany akaikin’ny tanàna kelin’i Beit Ommar, tany amin’ireo havoanan’i Joda, 11 km tany avaratr’i Hebrona. Misy milaza fa anarana hafa niantsoana an’i Marota ny hoe Marata.—Mi 1:9, 12.