Marbra
Vatosokay (karbonatana kalsioma) amin’ny endriny kristaly mifanizina be. Samy hafa ny loko sy ny endrika ary ny filahatry ny kristaly amin’ny marbra isan-karazany. Azo kosehina halama sy hangilatra be ny marbra. Mety hisy marbra fotsy be na somary volondavenona, volontsôkôlà, mavo, mena, maitso, ary mainty. Oksidana metaly sy zavatra misy karbonina no mahatonga soritsoritra eo amin’ny marbra.
Toa tsy nahitana marbra tany Palestina, fa nisy isan-karazany kosa tany Libanona. Tany Paros (nosy iray tany amin’ny Ranomasina Égée) sy tany Arabia no nahitana ny marbra tsara indrindra. Niresaka tamin’ireo mpanompovavy tao an-dapan’i Solomona Mpanjaka ilay tovovavy solemita, ary nanazava tamin’izy ireo momba an’ilay mpiandry ondry malalany. Hoy izy: “Ny ranjony dia toy ny andry marbra mitsatoka eo amin’ny faladia volamena voadio.” (To 5:15) Marbra ny andry tao amin’ny lapa tao Sosana, any Persa, tamin’ny andron’i Estera Vadi-mpanjaka. Nisy marbra mainty koa ny rarivato tao amin’ilay lapa. (Es 1:6) Anisan’ireo entam-barotra sarobidy namidin’ireo “mpivaro-mandeha eto an-tany” ny marbra, ary nitomany izy ireo rehefa ringana i Babylona Lehibe.—Ap 18:11, 12.
Nilaza i Josèphe fa nampiasa “marbra fotsy” i Solomona rehefa nanorina ny tempoly. Tsy tena azo antoka anefa izany. Toa midika hoe “vatosanga” mantsy ilay teny hebreo nadikan’ny Baiboly maro hoe “marbra” ao amin’ny 1 Tantara 29:2. Misy Baiboly (Prot., TV) mandika azy io hoe “vatosanga”, mifanaraka amin’ny fanazavan’ny Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs (1980, p. 1010) sy ny Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i Koehler sy Baumgartner (Leyde, 1958, p. 966).