Mareda
(Marèda) [Fikomiana].
Zanakalahin’i Ezra, ary hita ao amin’ny tetirazan’ny fokon’i Joda ny anarany. Nanambady Ejipsianina i Mareda, dia i Bitia zanakavavin’i Farao, izay niterahany zanakalahy. (1Ta 4:1, 17, 18; jereo EZRA No. 1.) Mety ho nanana vady hafa koa i Mareda matoa miresaka momba ilay vadiny “jiosy” ny andininy faha-18.