Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maria

Maria

(Marìa) [avy amin’ilay anarana hebreo hoe Miriama, izay mety hidika hoe “Mpikomy”].

Enina ny olona antsoina hoe Maria ao amin’ny Baiboly.

1. Maria renin’i Jesosy. Zanakavavin’i Hely izy, na dia i Josefa vadiny aza no voalaza hoe “zanak’i Hely” ao amin’ny tetirazana nosoratan’i Lioka. Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1881, Boky III, p. 774): “Fantatry ny besinimaro fa ny anaran-dehilahy ihany no nosoratan’ny Jiosy tao amin’ny tetirazana. Raha misy, ohatra, lehilahy nanan-janakavavy, ary nitera-dahy io zanany vavy io, dia tsy nosoratana ny anaran’ilay zanakavavy, fa ny anaran’ny vadiny, izany hoe ny vinantolahin’ilay lehilahy. Izao àry no filaharan’ny anarana tao amin’ny tetirazana: Ilay lehilahy, ny vinantolahiny, ny zafikeliny lahy. Noheverina ho zanany lahy mantsy ilay vinantolahiny (Nom. 26:33; 27:4-7).” Azo antoka fa izany no antony nilazan’i Lioka mpahay tantara hoe “zanak’i Hely” i Josefa.​—Lk 3:23.

Avy amin’ny fokon’i Joda i Maria sady taranak’i Davida. “Raha araka ny nofo” àry, dia azo lazaina hoe “avy amin’ny taranak’i Davida” i Jesosy zanany. (Ro 1:3) Nanan-jo ara-dalàna handova ny seza fiandrianan’i Davida i Jesosy, satria taranak’i Davida i Josefa, ray nitaiza azy. Raha araka ny nofo koa anefa, dia nanan-jo handova “ny seza fiandrianan’i Davida rainy” izy, noho izy “faka sy taranak’i” Davida, avy amin’i Maria reniny.​—Mt 1:1-16; Lk 1:32; As 13:22, 23; 2Ti 2:8; Ap 5:5; 22:16.

Milaza ny lovantsofina fa i Ana no vadin’i Hely, ka midika izany fa i Ana no renin’i Maria. Nanana rahavavy, hono, i Ana, ary zanak’io rahavaviny io i Elizabeta renin’i Jaona Mpanao Batisa. Raha marina izany, dia zanaky ny mpirahavavy i Elizabeta sy Maria. Milaza tokoa ny Baiboly fa mpihavana i Maria sy Elizabeta, izay “avy amin’ny taranak’i Arona” anisan’ny fokon’i Levy. (Lk 1:5, 36) Misy mihevitra fa rahavavin’i Maria i Salome, vadin’i Zebedio, izay niteraka an’i Jakoba sy Jaona apostolin’i Jesosy.​—Mt 27:55, 56; Mr 15:40; 16:1; Jn 19:25.

Notsidihin’ny anjely. Nirahin’Andriamanitra ho any amin’i Maria tany Nazareta ny anjely Gabriela, teo am-piandohan’ny taonjato faha-2 T.K. tany ho any. Mbola tovovavy virjiny i Maria tamin’izany. Hafakely ny fiarahaban’ilay anjely azy hoe: “Arahaba, ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah momba anao.” Nilaza ilay anjely fa hitoe-jaza izy ary hiteraka zazalahy hatao hoe Jesosy. Mbola vao fofombadin’i Josefa anefa i Maria tamin’izany, ka hoy izy: “Ahoana no hetezan’izany, nefa izaho tsy nanao firaisana tamin-dehilahy?” Hoy ilay anjely: “Ho tonga aminao ny fanahy masina ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.” Faly i Maria nefa nanetry tena koa izy, ka niteny hoe: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao!”​—Lk 1:26-38.

Tena zava-dehibe izany zavatra hitranga amin’i Maria izany! Mba hinoany bebe kokoa fa hiseho tokoa izany, dia nilaza taminy ilay anjely fa efa bevohoka enim-bolana i Elizabeta havany, izay efa zokiolona sady momba. Fahagagana izany, ary ny herin’i Jehovah no nahatonga izany. Nitsidika an’i Elizabeta i Maria, taorian’izay. Rehefa niditra tao an-trano izy, dia nibitaka ilay zaza tao an-kibon’i Elizabeta. Hoy i Elizabeta tamin’i Maria: “Tahin’Andriamanitra ianao amin’ny vehivavy rehetra, ary tahina ilay hateraky ny kibonao!” (Lk 1:36, 37, 39-45) Nahazo fanahy masina koa i Maria ka nankalaza an’i Jehovah noho ny hatsaran-toetrany.​—Lk 1:46-55.

Nijanona telo volana teo ho eo tany amin’i Elizabeta, tany amin’ireo havoanan’i Jodia, i Maria, ary avy eo nody tany Nazareta. (Lk 1:56) Nanjary fantatr’i Josefa fa bevohoka i Maria (azo inoana fa i Maria no nampahafantatra izany), ka nikasa hisaraka taminy mangingina izy, satria tsy te hanala baraka azy ampahibemaso. (Noheverina ho efa mpivady ny mpifamofo tamin’izany, ka tsy maintsy nisara-panambadiana mba ho foana ilay fifamofoana.) Nisy anjelin’i Jehovah anefa niseho tamin’i Josefa ka nilaza taminy fa avy tamin’ny fanahy masina ilay zaza. Nankatò an’Andriamanitra i Josefa taorian’izay, ka naka an’i Maria ho vadiny. “Tsy nanao firaisana taminy anefa i Josefa mandra-piterany zazalahy. Ary nataony hoe Jesosy ny anarany.”​—Mt 1:18-25.

Niteraka an’i Jesosy tany Betlehema. Namoaka didy i Aogosto Kaisara, taorian’izay, hoe mila misoratra anarana any amin’ny tanàna niaviany avy ny olona. Nataon’Andriamanitra tonga tamin’ny fotoana nety io didy io, mba ho teraka tany amin’ny toerana nolazain’ny faminaniana i Jesosy. (Mi 5:2) Nentin’i Josefa tany Betlehema àry i Maria, izay “efa bevohoka be.” Tsy maintsy niala tany Nazareta tany avaratra izy ireo ary nandeha 150 km teo ho eo nianatsimo mba hahatongavana tany Betlehema. Tena nandreraka ilay dia. Tsy nisy toerana ho azy ireo tany amin’ny efitranom-bahiny rehefa tonga izy ireo, ka tao amin’ny toerana faran’izay tsotra no teraka ilay zaza, ary nampandrina teo amin’ny fihinanam-bilona. Azo inoana fa tamin’ny 1 Oktobra taona 2 T.K. tany ho any no nitrangan’izany.​—Lk 2:1-7; jereo SARY, Boky Faha-2, p. 537; JESOSY KRISTY.

Nisy anjely iray niseho tamin’ireo mpiandry ondry, ary nilaza hoe: “Mpamonjy no teraka ho anareo androany ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.” Lasa haingana izy ireo nankany Betlehema ka nahita ny famantarana nolazain’ilay anjely, izany hoe zaza menavava “nofehezina lamba sady mandry ao anaty fihinanam-bilona.” Io ilay zanak’i Maria. Hitan’izy ireo koa i Josefa sy Maria falifaly erỳ. Notantarain’izy ireo tamin’izy mivady fa nisy anjely maro be nihira hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany.” “Nitadidy izany teny rehetra izany” i Maria, “ka nandinika lalina an’izany tao am-pony.”​—Lk 2:8-20.

Nankatò ny lalàn’i Jehovah i Maria, ka noforana ilay zaza tamin’ny andro faha-8. Nitondra azy tany amin’ny tempoly tany Jerosalema koa izy mivady, 40 andro taorian’ny nahaterahan’ilay zaza, mba hanolotra fanatitra. Notakin’ny Lalàna mantsy ny hanolorana ondrilahy kely iray sy zana-boromailala iray. Raha tsy takatry ny volany anefa ny ondry, dia domohina roa na zana-boromailala roa no tokony hatolony. Hita hoe nahantra i Josefa, satria “domohina roa na zana-boromailala roa” no fanatitra natolotr’i Maria. (Lk 2:21-24; Le 12:1-4, 6, 8) Nisy olo-marina efa zokiolona atao hoe Simeona nahita an’ilay zaza tao amin’ny tempoly. Nidera an’i Jehovah izy satria mbola navelany hahita an’ilay Mpamonjy, talohan’ny nahafatesany. Hoy koa izy tamin’i Maria: “Na ianao aza ho toy ny voatrobaky ny sabatra.” Tsy hoe ho voatrobaky ny sabatra ara-bakiteny i Maria, fa hanaintaina sy hijaly kosa rehefa hovonoina eo amin’ny hazo fijaliana io zanany lahy io, araka ny efa nambara mialoha.​—Lk 2:25-35.

Niverina tany Nazareta. Nisy anjely iray nampitandrina an’i Josefa, tsy ela taorian’izay, hoe nanao tetika mba hamonoana an’ilay zaza i Heroda Lehibe. Nasainy nandositra tany Ejipta niaraka tamin’ilay zaza àry i Josefa. (Mt 2:1-18) Nody izy sy ny fianakaviany ary nipetraka tany Nazareta, rehefa maty i Heroda. Tany i Maria no niteraka an’ireo zanany hafa: Lahy efatra, fara fahakeliny, ary vavy maromaro.​—Mt 2:19-23; 13:55, 56; Mr 6:3.

Niaraka tamin’i Josefa foana i Maria isan-taona mba hankalaza ny Paska tany Jerosalema, na dia tsy notakin’ny Lalàna aza hoe tsy maintsy mankany ny vehivavy. Tokotokony ho 150 km ilay dia. (Ek 23:17; 34:23) Nisy zava-nitranga, tamin’ny taona 12 tany ho any, rehefa nody izy ireo. Efa tovolahikely i Jesosy tamin’izay. Efa nandeha lalana indray andro izy ireo vao hitany hoe tsy teo i Jesosy. Niverina tany Jerosalema avy hatrany ny ray aman-dreniny mba hitady azy. Rehefa afaka telo andro, dia hitan’izy mivady tao amin’ny tempoly izy, nihaino sady nanontany an’ireo mpampianatra. Hoy i Maria: “Fa nahoana ianao, anaka, no manao anay toy izao? Jereo fa tena nitebiteby be nitady anao izaho sy rainao.” Hoy i Jesosy: “Fa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?” Tsy maintsy ho ao amin’ny tempoly tokoa no tokony hahitana ny Zanak’Andriamanitra, satria nisy fampianarana Soratra Masina tao. “Nitahiry tsara izany teny rehetra izany tao am-pony” i Maria.​—Lk 2:41-51.

Tena narani-tsaina i Jesosy, na dia vao 12 taona aza. “Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.” (Lk 2:47) Tena nampianatra tsara azy ny ray aman-dreniny, matoa izy nahalala tsara sy nahazo an’izay lazain’ny Soratra Masina. Azo antoka fa tena nazoto nampianatra azy i Maria sy Josefa, ka nitaiza azy “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” Nampian’izy mivady koa i Jesosy hahatsapa fa tena ilaina ny mankany amin’ny synagoga isan-tsabata.​—Lk 4:16; Ef 6:4.

Nohajain’i Jesosy sady tiany. Taorian’ny batisan’i Jesosy, dia toy ny nitondrany ny olon-kafa rehetra ihany no nitondrany an’i Maria. Tsy niantso azy hoe “Neny” na “Mama” izy, fa nataony fotsiny hoe “ravehivavy” (Jn 2:4; 19:26), toy ny fampiasan’ny Malagasy ny teny hoe “ramatoa” na “madama.” Tsy hoe tsy fanajana anefa izany. Marina fa renin’i Jesosy i Maria, raha araka ny nofo. Nateraky ny fanahy anefa i Jesosy taorian’ny batisany, ka lasa Zanak’Andriamanitra ara-panahy izy voalohany indrindra, ary “ilay Jerosalema any ambony” no ‘reniny.’ (Ga 4:26) Nasongadin’i Jesosy izany, indray mandeha, rehefa tonga tany aminy i Maria sy ireo zanany hafa ary nilaza taminy mba hivoaka hankany amin’izy ireo, nefa izy mbola teo am-pampianarana ny mpianany. Nampahafantarin’i Jesosy fa ny mpianany no tena reniny sy havany akaiky, ary ny lafiny ara-panahy no manan-danja kokoa noho ny ara-nofo.​—Mt 12:46-50; Mr 3:31-35; Lk 8:19-21.

Hoy i Maria tamin’i Jesosy, rehefa lany ny divay tamin’ny mariazy iray tany Kana any Galilia: “Tsy manana divay ry zareo.” Hoy i Jesosy: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa, ravehivavy? Mbola tsy tonga ny fotoana voatondro ho ahy.” (Jn 2:1-4) Karazana fanontaniana fampiasan’ny olona fahiny izy io. Imbetsaka izy io no hita ao amin’ny Soratra Hebreo (Js 22:24; Mpts 11:12; 2Sa 16:10; 19:22; 1Mp 17:18; 2Mp 3:13; 2Ta 35:21; Ho 14:8) ary inenina ao amin’ny Soratra Grika. (Mt 8:29; Mr 1:24; 5:7; Lk 4:34; 8:28; Jn 2:4) Toy izao ilay izy, raha adika ara-bakiteny: “Inona ny amiko sy ny aminao?” Izao no dikany: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa?” na “Inona no iombonantsika sy ianao?” na “Moa mifaninona akory izaho sy ianao?” Hita amin’ireo andininy ireo fa fanoherana ilay izy, ohatra hoe nisy nanome soso-kevitra na nampanao zavatra na nilaza fiahiahiana ka nisy hafa nanohitra an’izany. Be fitiavana i Jesosy ka io karazana fanontaniana io no nampiasainy rehefa nananatra moramora an-dreniny izy. Te hiteny izy hoe tsy ny reniny no milaza aminy izay tokony hataony fa ilay Avo Indrindra izay naniraka azy. (1Ko 11:3) Narani-tsaina sy nanetry tena i Maria, ka tonga dia azony ny tian’i Jesosy holazaina ary nanaiky an’ilay fanitsiana izy. Nilefitra izy ka i Jesosy no navelany hanome baiko. Hoy izy tamin’ny mpanompo: “Ataovy izay rehetra lazainy aminareo.”​—Jn 2:5.

Nijoro teo akaiky teo i Maria, rehefa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. Tsy zanaka malala fotsiny i Jesosy taminy, fa Mesia, Tompo sy Mpamonjy, ary Zanak’Andriamanitra koa. Toa efa maty i Josefa vadiny tamin’izay. I Jesosy no lahimatoa, ka nandray ny andraikiny izy ary nangataka tamin’ny apostoly Jaona (azo inoana fa zanaky ny rahavavin-dreniny) mba hitondra an’i Maria tany aminy ary hikarakara azy toy ny reniny. (Jn 19:26, 27) Tsy ny iray tamin’ireo rahalahiny hafa ray no nasainy nikarakara azy. Nahoana? Tsy voalaza hoe teo izy ireo. Mbola tsy nino azy koa izy ireo tamin’izany, ary ny fifandraisana amin’ny mpino no manan-danja kokoa amin’i Jesosy, noho ny amin’ny havana.​—Jn 7:5; Mt 12:46-50.

Mpianatra tsy nivadika. Miresaka farany momba an’i Maria ny Baiboly, taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Asehony fa vehivavy tena nanam-pinoana sy nafana fo izy ary niaraka foana tamin’ireo Kristianina hafa tsy nivadika. Voalaza mantsy fa nivory tao amin’ny efitrano ambony rihana ireo apostoly 11, sy Maria, ary olon-kafa, ka “naharitra nivavaka tao anatin’ny firaisan-tsaina.”​—As 1:13, 14.

2. Maria rahavavin’i Marta ary anabavin’i Lazarosy. Nipetraka tany Betania ireo namana tsy foin’i Jesosy ireo, ary nitsidika azy ireo tany i Jesosy. Tokotokony ho 2,8 km avy teo amin’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tany Jerosalema no nisy an’i Betania, ary teo amin’ny ilany atsinanana amin’ny Tendrombohitra Oliva. (Jn 11:18) Nitsidika azy ireo i Jesosy, ny taona fahatelo nanompoany teto an-tany. Tena te hanome fahafaham-po an’i Jesosy i Marta, ka variana loatra nanao raharaha hikarakarana azy . Nahay nandray vahiny koa i Maria saingy fomba hafa no nampisehoany izany: “Nipetraka teo an-tongotry ny Tompo” izy, “ka naharitra nihaino ny teniny.” Nitaraina i Marta satria tsy nanampy azy ilay rahavaviny. Nidera an’i Maria anefa i Jesosy hoe: “I Maria kosa nifidy ny tsara kokoa, ka tsy halaina aminy izany.”​—Lk 10:38-42.

Nahita ny nananganana an’i Lazarosy. Narary i Lazarosy ary efa teo ambavahoanan’ny fahafatesana, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nampilaza an’i Jesosy àry i Maria sy Marta. Azo inoana fa tany Perea, tany atsinanan’i Jordana, i Jesosy tamin’izay. Maty ihany anefa i Lazarosy, ary efatra andro taorian’izay vao tonga i Jesosy. Ren’i Marta izany, ka lasa haingana izy niarahaba azy tany amin’ny fidirana amin’ny tanàna, fa i Maria kosa “mbola nipetraka tao an-trano ihany.” Tafaverina i Marta, ary nibitsibitsika tamin’ilay rahavaviny ory dia ory hoe: “Ao ny Mpampianatra, ary antsoiny ianao.” Izay i Maria vao nandeha haingana nitsena an’i Jesosy koa. Nigogogogo nitomany teo amin’ny tongotr’i Jesosy izy sady niteny hoe: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” Ireo teny ireo mihitsy no nolazain’i Marta tamin’izy nihaona tamin’i Jesosy. Nalahelo mafy ny Tompo ka nitomany, rehefa nahita an’i Maria sy ireo Jiosy niaraka taminy nigogogogo. Nanao fahagagana lehibe i Jesosy avy eo ka nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. “Maro tamin’ny Jiosy, izay tonga tao amin’i Maria [mba hampionona azy] ... no nino” an’i Jesosy, taorian’izay.​—Jn 11:1-45.

Nanosotra menaka an’i Jesosy. Dimy andro sisa dia ho tonga ny Paska farany natrehin’i Jesosy. Nivahiny tany Betania indray izy sy ny mpianany, saingy tany an-tranon’i Simona boka, ary tao koa i Maria sy ny fianakaviany. Nandroso ny sakafo hariva i Marta, fa i Maria kosa nihaino tsara an’ilay Zanak’Andriamanitra indray. Raha mbola nandry ilika hisakafo i Jesosy, dia “naka menaka manitra nilanja iray livatra” i Maria, ary nararany teo an-doha sy teo amin’ny tongotr’i Jesosy ilay izy. “Narda tena izy ilay menaka sady lafo vidy be” (mitovitovy amin’ny karama herintaona). Maro tamin’ireo olona teo no tsy nankasitraka izany. Nataon’i Maria anefa izany satria tia an’i Jesosy sy niahy azy izy. Fanomanana ny fandevenana an’i Jesosy koa izany, raha ny marina. Efa kely sisa mantsy dia ho faty izy. Mbola nokianina indray i Maria teo noho ny fitiavana nasehony, nefa mbola niaro azy indray i Jesosy hoe: “Na aiza na aiza itoriana ity vaovao tsara ity eran’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy, ho fahatsiarovana azy.”​—Mt 26:6-13; Mr 14:3-9; Jn 12:1-8.

Misy fitantarana momba ny vehivavy iray nanosotra menaka an’i Jesosy koa ao amin’ny Lioka 7:36-50. Hafa mihitsy io fitantarana io ka tsy tokony hafangaro amin’ilay etsy aloha, izany hoe ny nanosoran’i Maria menaka an’i Jesosy, tantarain’i Matio sy Marka ary Jaona. Misy itoviany ireo fitantarana roa ireo, nefa misy fahasamihafany koa. Ilay tantarain’i Lioka no nitranga taloha kokoa tany amin’ny faritra avaratra amin’i Galilia. Ilay iray kosa nitranga tatỳ aoriana kokoa ary tany atsimo, izany hoe tany Betania any Jodia. Ilay voalohany nitranga tao an-tranon’ny Fariseo iray, fa ilay faharoa tao an-tranon’i Simona boka. Tsy voatonona ny anaran’ilay vehivavy ao amin’ilay voalohany fa voalaza fotsiny hoe nalaza ho “mpanota” izy, angamba mpivaro-tena. Ilay faharoa kosa nataon’i Maria, rahavavin’i Marta. Mielanelana herintaona mahery ireo fitantarana roa ireo.

Misy mpitsikera milaza fa manohitra an’i Matio sy Marka i Jaona, rehefa nitantara hoe nararaka teo amin’ny tongotr’i Jesosy ilay menaka fa tsy teo amin’ny lohany. (Mt 26:7; Mr 14:3; Jn 12:3) Hoy i Albert Barnes, rehefa nanazava ny Matio 26:7: “Tsy mifanohitra anefa izany. Azo inoana fa nararak’ilay vehivavy teo amin’ny lohan’ny Mpamonjy sy teo amin’ny tongony ilay menaka. I Matio sy Marka nitantara fa nararaka teo amin’ny lohany ilay izy, fa i Jaona kosa nilaza fa nararaka teo amin’ny tongony koa ilay izy. Misy zavatra tsy voatantaran’i Matio sy Marka mantsy fa nosoratan’i Jaona. Efa nahazatra ny nandraraka menaka teo amin’ny loha, fa ny nandraraka menaka teo amin’ny tongotra kosa dia porofon’ny fanetren-tena lehibe sy fitiavana an’ilay Mpamonjy ka mendrika ny horaketina an-tsoratra.”​—Fanamarihan’i Barnes Momba ny Testamenta Vaovao, 1974.

3. Maria Magdalena. Azo inoana fa avy tamin’ilay anaran-tanàna hoe Magdala (jereo MAGADANA) ilay hoe Magdalena (midika hoe “An’i Magdala”). Tany amin’ny morontsiraka andrefan’ny Ranomasin’i Galilia, teo anelanelan’i Kapernaomy sy Tiberiasy io tanàna io. Tsy voalaza hoe nitsidika an’i Magdala i Jesosy, na dia nijanona ela tao amin’ireo faritra nanodidina aza. Tsy azo antoka anefa hoe io no tanàna niavian’i Maria na nipetrahany. Na izany aza, dia mihevitra ny olona sasany hoe misy antony matoa i Lioka miantso azy hoe “i Maria atao hoe Magdalena.”​—Lk 8:2.

Namoaka demonia fito tamin’i Maria Magdalena i Jesosy. Ara-dalàna àry raha nino i Maria hoe i Jesosy no Mesia. Izany koa no nandrisika azy mba hahafoy tena sy hanao fanompoana niavaka ho porofon’ny finoany. Miresaka voalohany momba an’i Maria Magdalena ny Baiboly, rehefa mitantara momba ny nataon’i Jesosy tamin’ny taona faharoa nitoriany. “Nitety tanàna sy vohitra i Jesosy” tamin’izay, “ka nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.” Voalaza fa nampiasa ny fananany hikarakarana an’i Jesosy sy ny apostoliny i Maria Magdalena mbamin’i Johana (vadin’ny mpiandraikitra ny tao an-tranon’i Heroda) sy Sosana ary vehivavy maro hafa.​—Lk 8:1-3.

Tamin’i Jesosy efa hovonoina sy tamin’izy maty ary avy eo natsangana no tena nisongadina i Maria Magdalena. Rehefa nentina hovonoina i Jesosy, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, dia anisan’ireo vehivavy “nanaraka an’i Jesosy nanomboka tany Galilia” izy, satria te hikarakara azy. “Nijery teny lavidavitra teny” koa izy, rehefa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. Niaraka taminy teo i Maria renin’i Jesosy, Salome, ary “ilay Maria anankiray” (No. 4).​—Mt 27:55, 56, 61; Mr 15:40; Jn 19:25.

Rehefa voalevina i Jesosy, dia nandeha nanomana zavamaniry mani-pofona sy menaka manitra i Maria Magdalena sy ny vehivavy hafa, dieny mbola tsy nanomboka ny Sabata, izany hoe talohan’ny nilentehan’ny masoandro. Taorian’ny Sabata, rehefa nihanazava ny andro tamin’ny andro voalohany tamin’ny herinandro, dia nentin’izy ireo tany am-pasana ilay menaka manitra. (Mt 28:1; Mr 15:47; 16:1, 2; Lk 23:55, 56; 24:1) Hitan’i Maria fa efa nisokatra ilay fasana sady hoatran’ny tsy tao intsony ilay faty. Lasa haingana izy nitantara izany vaovao mahagaga izany tamin’i Petera sy Jaona. Nihazakazaka nankany am-pasana àry izy roa lahy. (Jn 20:1-4) Rehefa tafaverina tany amin’ny fasana i Maria, dia efa tsy teo intsony i Petera sy Jaona. Nijery ny tao am-pasana amin’izay izy ary gaga nahita anjely roa niakanjo fotsy. Nitodika izy avy eo ka io i Jesosy nijoro teo. Noheveriny hoe mpanao zaridaina i Jesosy, ka nanontaniany hoe aiza ilay faty mba hahafahany hikarakara an’ilay izy. Namaly i Jesosy hoe: “Maria!” Fantatr’i Maria avy hatrany izy, ka tonga dia nofihininy sady nilazany hoe: “Rabôny!” Tsy fotoana fanehoana firaiketam-po intsony anefa tamin’izay, satria kely sisa izy dia handao azy ireo. Nila nandeha haingana nankany amin’ireo mpianatra hafa àry i Maria mba hilaza fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy ary ho any an-danitra. Hoy mantsy i Jesosy: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.”​—Jn 20:11-18.

4. “Ilay Maria anankiray.” Vadin’i Klopa (Alfeo) (jereo KLOPA) izy ary renin’i Jakoba kely sy Josesy. (Mt 27:56, 61; Jn 19:25) Araka ny lovantsofina, dia mpirahalahy i Klopa sy Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, na dia tsy voalaza ao amin’ny Baiboly aza izany. Nenitoan’i Jesosy àry ity Maria ity ary zanak’olo-mpiray tam-po i Jesosy sy ny zanak’izy io, raha marina izany.

Anisan’ireo vehivavy “nanaraka an’i Jesosy nanomboka tany Galilia” i Maria “mba hikarakara azy.” Nanatrika teo koa anefa izy rehefa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. (Mt 27:55; Mr 15:40, 41) Nijanonjanona teo amin’ny fasan’i Jesosy izy sy Maria Magdalena, tamin’io fotoana tena nangidy io, izany hoe ny tolakandron’ny 14 Nisana. (Mt 27:61) Nitondra zavamaniry mani-pofona sy menaka manitra tany amin’ilay fasana izy mirahavavy sy ny vehivavy hafa, tamin’ny andro fahatelo, mba hosorana amin’ny vatan’i Jesosy. Taitra anefa izy ireo fa efa nisokatra ilay fasana. Nanazava tamin’izy ireo ny anjely iray fa efa natsangana tamin’ny maty i Kristy. Hoy izy avy eo: “Mandehana milaza amin’ny mpianany.” (Mt 28:1-7; Mr 16:1-7; Lk 24:1-10) Lasa tokoa i Maria sy ireo vehivavy hafa, ary tamin’izay i Jesosy no niseho tamin’izy ireo.​—Mt 28:8, 9.

5. Maria renin’i Jaona Marka. Nenitoan’i Barnabasy koa izy. (As 12:12; Kl 4:10) Tao an-tranony no nivory ny fiangonana kristianina voalohany tany Jerosalema. Nifanerasera akaiky tamin’ny apostoly Petera i Jaona Marka zanak’i Maria. Nantsoin’i Petera hoe “zanako” mantsy i Marka, ary azo inoana fa i Petera no nanampy azy handroso ara-panahy. (1Pe 5:13) Nankany an-tranon’i Maria avy hatrany i Petera, raha vao nafahana avy tao amin’ny fonja nampidiran’i Heroda azy. “Nisy olona maro nivory sy nivavaka tao” amin’ilay trano, tamin’izay. Azo inoana àry fa lehibe ilay trano. Voalaza koa fa nisy mpanompovavy tao. Midika izany rehetra izany fa mpanankarena i Maria. (As 12:12-17) Mety ho efa maty vady koa izy satria voalaza fa tranony ilay izy, fa tsy tranon’ny vadiny.​—As 12:12.

6. Ilay Maria tany Roma. Nanao mampamangy azy i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. Nidera an’i Maria izy, noho i Maria nanao “asa mafy maro” ho an’ny fiangonan’i Roma.​—Ro 16:6.