Marka
Anarana romanina niantsoana an’ilay zanakalahin’i Maria avy any Jerosalema. Jaona no anarany amin’ny teny hebreo, ary ny dikan’izy io dia hoe “Niantra i Jehovah; Tsara Fanahy i Jehovah.” (As 12:12, 25) Zanak’olo-mpiray tam-po i Marka sy Barnabasy. Matetika koa i Marka no niara-dia tamin’i Barnabasy sy tamin’ny misionera kristianina hafa. Nahazo fanahy masina izy mba hanoratra an’ilay Filazantsara mitondra ny anarany. (Kl 4:10) Samy iantsoana azy ny hoe Jaona sy Marka, ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Antsoina hoe Jaona, ohatra, izy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:5, 13.
Azo inoana fa anisan’ireo voalohandohany nino an’i Kristy izy. Tao an-tranon-dreniny no nivory ilay fiangonana kristianina voalohany, ka mety hidika izany fa efa Kristianina izy mianaka, talohan’ny nahafatesan’i Kristy. (As 12:12) Mety ho i Marka ihany ilay tovolahy voalaza hoe nandositra sady zara raha nitafy, tamin’ilay alina namadihana an’i Jesosy, satria ny Filazantsaran’i Marka irery no mitantara momba izany. (Mr 14:51, 52) Toa azo inoana àry fa teo izy rehefa nilatsaka tamin’ireo mpianatr’i Kristy 120 teo ho eo ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33.—As 1:13-15; 2:1-4.
Nizara fanampiana tany Jerosalema i Barnabasy sy Saoly (Paoly), ary avy eo “niverina izy roa lahy ka nentiny niaraka taminy i Jaona, ilay atao koa hoe Marka.” Toa mpanampy azy ireo i Marka tamin’izany, angamba nikarakara izay nilain’izy roa lahy tany amin’izay rehetra nalehany. (As 12:25; 13:5) Rehefa tonga tany Perga, any Pamfylia, anefa izy ireo, dia tsy fantatra izay antony fa “nandao azy ireo ... i Jaona [Marka], ka niverina tany Jerosalema.” (As 13:13) Nanomboka ny diany misionera faharoa i Paoly, tatỳ aoriana. Tapa-kevitra ny hitondra an’i Marka i Barnabasy tamin’izay, fa i Paoly kosa “nihevitra fa tsy tokony hoentina i Marka, satria nandao azy roa lahy tany Pamfylia izy, ka tsy niaraka tamin’izy ireo hanao ilay asa.” “Samy nisafoaka mafy izy roa lahy” ka nisaraka. I Barnabasy nitondra an’i Marka nankany Sipra, fa i Paoly kosa nitondra an’i Silasy namakivaky an’i Syria sy Kilikia.—As 15:36-41.
Tatỳ aoriana anefa, dia toa nihavana tsara indray i Paoly sy Barnabasy ary Marka. Voalaza mantsy fa niaraka tamin’i Paoly tany Roma i Marka, ary nanao mampamangy an’ireo Kristianina tany Kolosia izy sy Paoly (t. 60-61). Zavatra tsara no nolazain’i Paoly momba azy. Hoy i Paoly: “Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Aristarko, mpiara-migadra amiko, sy Marka, zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Barnabasy—izy ilay nasaina noraisinareo tsara raha sendra tonga any aminareo.” (Kl 4:10) Anisan’ireo olona nolazain’i Paoly hoe nanao mampamangy an’i Filemona koa i Marka, rehefa nanoratra ho an’i Filemona avy tany Roma i Paoly (t. 60-61 koa). (Flm 23, 24) Tatỳ aoriana (t. 65), rehefa nigadra tany Roma indray i Paoly, dia nilaza tamin’i Timoty izy hoe: “Ento miaraka aminao i Marka fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.”—2Ti 4:11.
Nifanerasera tamin’i Petera tany Babylona koa i Jaona Marka, satria voalaza ao amin’ny taratasy voalohany nosoratan’ilay apostoly (t. 62-64) fa nanao mampamangy i Marka. Nantsoin’i Petera hoe “Marka zanako” izy, ka mety hidika izany fa nifankahazo am-po izy ireo. (1Pe 5:13; ampit. 1Jn 2:1, 7.) Lasa nidera sy natoky an’i Marka àry ireo mpanompon’Andriamanitra nitana andraikitra lehibe, na dia noho izy aza no nampisy olana taloha. Ny mbola lehibe kokoa aza, dia nahazo fanahy masina izy ka nanoratra ny fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy.—Jereo JAONA No. 4; MARKA, FILAZANTSARAN’I.