Marka, Filazantsaran’i
Tantaran’ny fanompoan’i Jesosy Kristy nosoratan’i Jaona Marka. “Vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy” ilay izy, ary manomboka amin’ny tantaran’i Jaona Mpanao Batisa izay nialoha lalana an’i Kristy tamin’ny voalohandohan’ny taona 29, ka hatramin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty tamin’ny voalohandohan’ny taona 33.—Mr 1:1.
Io Filazantsara io no fohy indrindra amin’izy efatra. Mitantara ny fanompoan’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra mpanao fahagagana izy io. Vetivety dia miova ny zavatra resahiny. Fahita ao matetika ny hoe “raha vao” na “avy hatrany.” (Mr 1:10, 12, 18, 21, 29) Efa hitovy koa ao ny habetsahan’ny resadresaka sy ny fitantarana zavatra natao.
Ireo nahazoan’i Marka fanazavana. Fanazavana avy tamin’i Petera, hoy ny lovantsofina fahiny, no nahafahan’i Marka nanoratra an’ilay Filazantsara. Niaraka tamin’i Petera tany Babylona mantsy i Marka. (1Pe 5:13) Nilaza i Origène fa “nanaraka ny toromarik’i Petera” i Marka tamin’izy nanoratra an’ilay Filazantsara. (Ny Tantaran’ny Eglizy, Eusèbe, VI, XXV, 3-7) “Azo lazaina hoe an’i Petera” ny Filazantsaran’i Marka, hoy i Tertullien (“Diso Hevitra i Marcion”, IV, V), “fa i Marka no mpitan-tsoratra.” (Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, Boky III, p. 350) Nitatitra an’izao tenin’ny “Presbitera Jaona” izao i Eusèbe, hoy i Papias (t. 140): “Nilaza ilay Presbitera hoe: ‘Lasa mpitan-tsoratr’i Petera i Marka, ary nosoratany marina tsara daholo izay tsaroany hoe nolazain’ny Tompo na nataony, na dia tsy nilahatra araka ny fotoana aza. ... Tsy diso i Marka raha nanoratra an’izay foto-kevitra tsaroany fotsiny. Tena nimasoany kosa ny hoe nosoratany daholo izay reny, ary nataony tsy misy diso.’”—Ny Tantaran’ny Eglizy, III, XXXIX, 12-16.
Nisy olon-kafa koa nahazoan’i Jaona Marka fanazavana. Tao an-tranon-dreniny mantsy no nivorian’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany. (As 12:12) Nifankahalala tamin’ny olon-kafa nahafantatra tsara an’i Jesosy Kristy àry i Marka, dia olona nahita ny asan’i Jesosy sy nandre azy nitory sy nampianatra. Toa efa nifandray tamin’i Jesosy koa i Marka. Izy angamba ilay “tovolahy iray” lasa “nandositra nitanjaka”, rehefa notadiavin’ny olona hosamborina niaraka tamin’i Kristy.—Mr 14:51, 52.
Natao ho an’ny tsy Jiosy. Mety ho nahaliana sy nahasoa ny Jiosy ny vaovao tsara nosoratan’i Marka. Toa tsy natao ho an’ny Jiosy anefa ilay Filazantsara, fa ho an’ny tsy Jiosy, indrindra fa ny Romanina. Fohy ilay izy ary vetivety dia miova ny tantara resahiny, ka nety ho tian’ny Romanina ny namaky azy. Nadika ho litera grika ny teny latinina sasany, toy ny hoe praetorium nadika hoe praitôriôn (Mr 15:16, Int), sy ny hoe centurio nadika hoe kentyriôn (manamboninahitra nifehy miaramila 100).—Mr 15:39, Int.
Misy fanazavana tsy nilain’ny Jiosy koa ao amin’ilay Filazantsara. Anisan’izany ny hoe renirano i Jordana, tazana avy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny tempoly (Mr 1:5; 13:3), “nifady hanina” matetika ny Fariseo, nilaza ny Sadoseo fa “tsy hisy fitsanganan’ny maty” (2:18; 12:18), novonoina tamin’ny “andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay” ny sorona amin’ny Paska, ary “ilay andro alohan’ny sabata” no “Andro Fiomanana.”—14:12; 15:42.
Maro koa ny teny semitika nohazavaina ao amin’ny Filazantsaran’i Marka, nefa tsy nilain’ny Jiosy izany. Anisan’izany ny hoe “Boanerjesy” (“Zanaky ny Varatra”), “Talita komy” (“Ry zazavavy, hoy aho aminao: Miarena!”), “korbana” (“fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra”), ary “Ely, Ely, lamà sabaktany?” (“Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?”).—Mr 3:17; 5:41; 7:11; 15:34.
Fotoana sy toerana nanoratana azy. Tany Roma no nivoahan’ny Filazantsaran’i Marka, hoy ny lovantsofina fahiny. Nanamafy izany ny mpanoratra fahiny toa an’i Clément, Eusèbe, ary Jérôme. Tany Roma mantsy i Marka tamin’i Paoly nigadra voalohany tany. (Kl 4:10; Flm 1, 23, 24) Niaraka tamin’i Petera tany Babylona izy avy eo. (1Pe 5:13) Tamin’i Paoly nigadra fanindroany tany Roma, dia nasainy nankany aminy haingana i Timoty, niaraka tamin’i Marka. (2Ti 4:11) Mety ho niverina tany Roma àry i Marka. Talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 izy no nanoratra ilay Filazantsara, matoa tsy nasiany resaka io fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy io. Indray mandeha, fara fahakeliny, na indroa i Marka no tany Roma, tamin’ny taona 60-65. Mety ho tamin’izany fotoana izany àry izy no namita an’ilay Filazantsara.
Ny mampiavaka azy. Be itovizana amin’ny fitantaran’i Matio sy Lioka ny an’i Marka. Misy tsipiriany fanampiny anefa izy io, toy ny fihetseham-pon’i Jesosy tamin’ny toe-javatra sasany. ‘Nalahelo izy noho ny hamafin’ny fon’ireo’ olona tsy faly, tamin’izy nanasitrana lehilahy maty tanana tamin’ny Sabata. (Mr 3:5) ‘Gaga izy noho ny tsy finoan’ireo’ olona tao amin’ny faritra niaviany. (6:6) ‘Tiany’ ilay tovolahy mpanankarena nanontany azy ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay.—10:21.
I Marka irery koa no nitantara tsipiriany sasany momba izay nitranga taloha sy taoriana kelin’ny nahafatesan’i Jesosy. Anisan’izany ny hoe tsy nifanaraka ny fiampangan’ireo vavolombelona mandainga (Mr 14:59), i Simona avy any Kyrena “rain’i Aleksandra sy Rofosy” ilay mpandalo noterena hitondra ny hazo fijalian’i Jesosy (15:21), ary naka toky i Pilato hoe efa maty tokoa i Jesosy vao navelany haka ny fatiny sy handevina azy i Josefa avy any Arimatia.—15:43-45.
Miresaka fanoharana efatra nataon’i Jesosy ny Filazantsaran’i Marka, ka ao ihany no ahitana ny iray amin’ireo. (Mr 4:26-29) Misy 19, fara fahakeliny, ny fahagagana nataon’i Jesosy Kristy resahin’ilay Filazantsara, ka i Marka irery no niresaka ny roa amin’ireo (fanasitranana lehilahy marenina sady niraiki-dela sy lehilahy iray jamba).—Mr 7:31-37; 8:22-26.
Andininy avy ao amin’ny Soratra Hebreo. Niresaka mivantana sy an-kolaka andininy ao amin’ny Soratra Hebreo i Marka, na dia toa nanoratra ho an’ny Romanina aza izy. Nasehony, ohatra, fa fahatanterahan’ny Isaia 40:3 sy Malakia 3:1 ny asan’i Jaona Mpanao Batisa. (Mr 1:2-4) Nampihatra sy niresaka mivantana na an-kolaka andininy ao amin’ny Soratra Hebreo koa i Jesosy. Anisan’izany ny hoe manaja an’Andriamanitra an-tendro-molotra fotsiny (Mr 7:6, 7; Is 29:13); manaja ray aman-dreny (Mr 7:10; Ek 20:12; 21:17); ny namoronana ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny fanambadiana voalohany (Mr 10:6-9; Ge 1:27; 2:24); didy samihafa (Mr 10:19; Ek 20:12-16; Le 19:13); tenin’i Jesosy momba ny tempoly (Mr 11:17; Is 56:7; Je 7:11) sy ny fandavana azy (Mr 12:10, 11; Sl 118:22, 23); tenin’i Jehovah tamin’i Mosesy teo amin’ilay voaroy nirehitra (Mr 12:26; Ek 3:2, 6); didy roa lehibe momba ny fitiavana (Mr 12:29-31; De 6:4, 5; Le 19:18); tenin’i Jehovah tamin’ny Tompon’i Davida momba ny handreseny ny fahavalony (Mr 12:36; Sl 110:1); niparitaka ny mpianatr’i Jesosy (Mr 14:27; Za 13:7); tenin’i Jesosy hoe nafoin’Andriamanitra izy (Mr 15:34; Sl 22:1); toromarik’i Jesosy ho an’ilay boka sitrana (Mr 1:44; Le 14:10, 11); ary faminaniany momba ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana (Mr 13:14; Da 9:27).
Hita amin’izany fa nino ny Soratra Hebreo i Jesosy Kristy, ary nampiasa izany teo amin’ny fanompoany. Manampy antsika koa ilay Filazantsara mba hahalala bebe kokoa ny Zanak’olona, izay “tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”—Mr 10:45.
Teny famaranana lava sy fohy. Mifarana toy izao ny Marka 16:8: “Ary tsy nilaza na inona na inona tamin’olona izy, fa natahotra.” Misy mihevitra fa tsy nifarana tampoka toy izany ilay Filazantsara tany am-boalohany. Tsy hanatsoaka hevitra toy izany anefa isika raha mitadidy ny fomba fanoratr’i Marka. Nilaza koa i Jérôme sy Eusèbe, manam-pahaizana tamin’ny taonjato fahefatra, fa ilay hoe “fa natahotra” no namarana ilay Filazantsara.—Jérôme, taratasy faha-120, fanontaniana 3, hita ao amin’ny Corpus Scriptorum Ecclesiasticorum Latinorum, Vienne sy Leipzig, 1912, Boky Faha-55, p. 481; Eusèbe, “Ho An’i Marinus”, I, hita ao amin’ny Patrologia Græca, Paris, 1857, Boky Faha-22, tsang. 937.
Sora-tanana sy dikan-teny maromaro no manisy teny famaranana lava na fohy aorian’ireo teny ireo. Misy an’ilay teny famaranana lava (andininy 12) ny Sora-tanana Alexandrinus, ny Kôdeksa Ephraemi Syri rescriptus, ny Kôdeksa Bezae Cantabrigiensis, ny Vulgate latinina, ny Dikan-teny Syriàkan’i Cureton, ary ny Peshitta syriàka. Tsy misy azy io anefa ny Sora-tanana Sinaiticus, ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209, ny kôdeksa Sinaitika Syriàka, ary ny Dikan-teny Armenianina. Ahitana an’ilay teny famaranana fohy kosa ny sora-tanana sy dikan-teny sasany tatỳ aoriana. Misy an’ireo teny famaranana lava sy fohy ny Kôdeksa Regius natao tamin’ny taonjato fahavalo, ka ilay fohy no nalefany aloha. Nasiany fanamarihana alohan’ny teny famaranana tsirairay hoe misy azy ireo ny sora-tanana sy dikan-teny sasany. Tsy nilaza anefa io kôdeksa io hoe marina ireo teny famaranana ireo.
Hoy i Edgar Goodspeed, mpandika Baiboly, momba an’ireo teny famaranana lava sy fohy: “Mifampitohy kokoa amin’ny Marka 16:8 ilay Teny Famaranana Fohy noho ilay Lava. Tsy misy amin’izy ireo anefa azo lazaina hoe tao amin’ilay Filazantsara nosoratan’i Marka tany am-boalohany.”—Ny Testamenta Vaovao Nadikan’i Goodspeed, 1944, p. 127.
[Efajoro, pejy 339]
HEVITRA MISONGADINA: MARKA
Tantara fohy nosoratan’i Marka momba ny fiainan’i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra mpanao fahagagana
Filazantsara fohy indrindra nosoratana fahatelo (t. 60-65); natao ho an’ny tsy Jiosy
Nazoto nitory ilay Fanjakana i Jesosy
Natao batisa i Jesosy, ary nanomboka nitory hoe: “Efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra” (1:9-11, 14, 15)
Nanasa an’i Simona, Andrea, Jakoba ary Jaona handao ny asa fanaratoana ka hanaraka azy (1:16-21)
Nitory nanerana an’i Galilia rehefa avy nitory tao amin’ny synagogan’i Kapernaomy (1:21, 22, 35-39)
Nanaiky hanara-dia an’i Jesosy i Levy, mpamory hetra (2:14-17)
Nifidy apostoly 12 i Jesosy mba hitory (3:13-19)
Nilaza fanoharana maro momba ny Fanjakan’Andriamanitra, mba ho ireo mendrika ihany no hahazo tsara ny hevitr’ireny (4:1-34)
Tsy nino an’i Jesosy ireo olona tao amin’ny faritra niaviany (6:1-6)
Naniraka an’ireo apostoly izy mba hanafainganana ny asa fitoriana (6:7-13)
Nitory hatrany Fenisia sy Dekapolisy izy (7:24, 31)
Niova tarehy ho fampisehoana ny voninahitry ny Fanjakany (9:1-8)
Naminany tany ivelan’i Jerosalema fa ‘ho avy amin-kery lehibe sy voninahitra ny Zanak’olona’ (13:1-37)
Zanak’Andriamanitra mpanao fahagagana
Namoaka demonia tamin’ny lehilahy iray tao amin’ny synagogan’i Kapernaomy izy; nositraniny ny rafozambavin’i Simona sy marary maro hafa (1:23-34, 40-42)
Nomena fahefana hamela heloka izy matoa afaka nanasitrana lehilahy nalemy (2:1-12)
Olona maro be no tonga teo aminy mba hositraniny (3:1-12)
Nampitony tafio-drivotra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia izy; namoaka demonia izay navelany hiditra tao amin’ny andian-kisoa (4:35–5:17)
Nanasitrana vehivavy nandeha ra; nanangana ny zanakavavin’i Jairo (5:21-43)
Nampitombo trondro roa sy mofo dimy mba hohanin’ny olona 5000; nandeha teo ambony Ranomasin’i Galilia (6:35-52)
Namoaka demonia tamin’ny zanakavavin’ny vehivavy syrianina-fenisianina; nanasitrana lehilahy iray marenina sady niraiki-dela (7:24-37)
Nampitombo mofo fito mba hohanin’ny olona 4000; nampahiratra lehilahy iray jamba tao Betsaida (8:1-9, 22-26)
Vitan’i Jesosy fa tsy vitan’ny mpianany ny namoaka demonia tamin’ny zazalahy iray moana marenina; nampahiratra mpangataka iray jamba tao Jeriko (9:14-29; 10:46-52)
Nanozona aviavy, ka nalazo ilay izy (11:12-14, 20)
Tsy nahomby ireo mpanohitra ny Zanak’Andriamanitra
Nisy anjely nikarakara an’i Jesosy, rehefa avy nalain’i Satana fanahy tany an-tany efitra izy (1:12, 13)
Nanome tsiny azy ny mpanora-dalàna anisan’ny Fariseo noho izy niara-nihinana tamin’ny mpamory hetra sy mpanota, nefa hainy ny namaly azy ireo (2:15-17)
Nioty salohim-barimbazaha ny mpianatra ary nanasitrana i Jesosy tamin’ny Sabata; tsy faly ny Fariseo ka nikaon-doha hamono an’i Jesosy izy ireo sy ny mpomba an’i Heroda (2:23–3:6)
Hain’i Jesosy ny namaly an’ireo niampanga azy ho namoaka demonia tamin’ny alalan’i Satana (3:20-30)
Notapahin-doha i Jaona Mpanao Batisa, nefa nampianatra foana i Jesosy (6:14-29, 34)
Tsy faly ireo Fariseo sy mpanora-dalàna fa tsy nanasa tanana ny mpianatr’i Jesosy; nahariharin’i Jesosy ny fihatsarambelatsihin’izy ireo, ary nohazavainy hoe inona no tena mandoto ny olona (7:1-23)
Hainy ny namaly ny fanontaniana momba ny fisaraham-panambadiana nitsapan’ny Fariseo azy (10:1-12)
Tsy nahita holazaina ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy nanontany azy hoe iza no nanome fahefana azy hanadio ny tempoly (11:15-18, 27-33)
Fanoharana momba ny tanimboaloboka: Nampiseho fa nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra ireo mpitondra fivavahana; te hisambotra sy hamono an’i Jesosy izy ireo saingy natahotra vahoaka (12:1-12)
Tsy nahomby ny tetiky ny Fariseo sy ny mpomba an’i Heroda nanontany momba ny fandoavan-ketra amin’i Kaisara, sy ny tetiky ny Sadoseo nanontany momba ny fitsanganana amin’ny maty (12:13-27)
Namadika an’i Jesosy i Jodasy; nosamborina i Jesosy; nafoin’ny mpianatra; nomelohin’ny Fitsarana Avo Jiosy ho faty; nilaza anefa izy fa ‘hipetraka eo ankavanan’ilay Mahery ary ho avy, eny amin’ny rahon’ny lanitra’ (14:1, 2, 10, 11, 17-21, 27-65)
Noterena hanameloka azy ho faty i Pilato; maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy ary nalevina (15:1-47)
Nambaran’ny anjely fa natsangana tamin’ny maty izy (16:1-8)