Marta
(Màrta).
Vehivavy jiosy, ary iray tam-po tamin’i Lazarosy sy Maria. Avy any Betania izy ireo (Jn 11:1, 2), ary azo inoana fa nitsidika azy ireo matetika i Jesosy, rehefa tany akaikin’i Jerosalema. Tena nifankatia izy telo mianadahy ireo sy Jesosy, satria voalaza hoe: “Tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy i Jesosy.”—Jn 11:5.
Mitantara i Lioka fa rehefa niditra tao amin’ny “tanàna kely anankiray” i Jesosy, dia “nisy vehivavy atao hoe Marta nampiantrano azy.” (Lk 10:38) Misy milaza fa vadin’i Simona boka i Marta, na vadiny fony fahavelony, na zanany vavy mihitsy aza. Ny Matio 26:6 sy Marka 14:3 ary Jaona 12:1-3, hono, no ahalalana izany. Tsy milaza mazava momba izany anefa ny Soratra Masina.
Nitsidika an’i Lazarosy sy Maria ary Marta i Jesosy, indray mandeha. “Nipetraka teo an-tongotry ny Tompo” i Maria tamin’izay, “ka naharitra nihaino ny teniny.” “Tsy nifantoka kosa ny sain’i Marta, satria nanao raharaha betsaka izy.” Tian’i Marta raha mba nanampy azy i Maria, ka hoy izy tamin’i Jesosy: “Tompo ô, tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery toy izao? Koa mba asaivo manampy ahy izy.” Te hanome fahafaham-po an’i Jesosy i Marta ka nikarakara zavatra isan-karazany. Nasongadin’i Kristy anefa fa ny fianarana momba an’Andriamanitra no tena zava-dehibe, ka nananatra moramora an’i Marta izy hoe: “Marta a! Marta a! Maro ahina sy sahiran-tsaina amin-javatra maro ianao. Zavatra vitsivitsy ihany anefa no ilaina, eny, iray monja aza. Fa i Maria kosa nifidy ny tsara kokoa, ka tsy halaina aminy izany.” (Lk 10:38-42) Karazan-tsakafo iray monja dia ho efa nahafa-po an’i Kristy, raha izay no nahafahan’i Marta handray soa bebe kokoa avy amin’ny fampianarany.
Marina fa hoatran’ny hoe nanahy tafahoatra momba ny zavatra ara-nofo no fahitana an’i Marta, nefa tsy midika izany hoe tsy liana tamin’ny zavatra ara-panahy izy. Taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy mantsy, dia izy no nandeha nitsena an’i Jesosy rehefa hiditra an’i Betania i Jesosy. I Maria kosa nijanona tao an-trano tamin’ny voalohany, (angamba noho ny alahelo, na satria be dia be ireo namana tonga namangy azy ireo). Nino an’i Kristy i Marta, matoa nilaza hoe raha teo i Jesosy dia tsy maty ny anadahiny. Hoy koa izy: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” Nino ny fitsanganan’ny maty koa àry izy. Nanazava i Jesosy avy eo hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” Hoy izy tamin’i Marta: “Mino izany ve ianao?” Hita tamin’ny valin-tenin’i Marta fa tena nino izy, satria hoy izy: “Eny, Tompo ô! Mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga eo amin’izao tontolo izao.” (Jn 11:19-27) Na nilaza izany aza anefa izy, dia nety ho nanontany tena ihany hoe inona intsony moa no azon’i Jesosy atao ho an’ny anadahiny, na koa hoe inona izao no handeha hataon’i Jesosy ho an’i Lazarosy. (Ampitahao amin’ny fihetsik’ireo apostoly tantarain’ny Lk 24:5-11.) Rehefa nasain’i Jesosy nesorina ny vato teo am-baravaran’ny fasana, dia hoy i Marta: “Tompo ô, tsy maintsy maimbo izy izao, satria efa efatra andro izay.” Hoy anefa i Jesosy: “Tsy efa nilazako moa ianao fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?” Nahita izany tokoa i Marta, satria natsangana ny anadahiny.—Jn 11:39-44.
Lasa i Jesosy, taorian’ny nananganana an’i Lazarosy. Niverina tany Betania izy tatỳ aoriana, ary nivahiny tao an-tranon’i Simona boka. Nisy olon-kafa koa tao, ka anisan’izany i Marta sy Maria ary Lazarosy. Nanomana sakafo hariva i Simona, ary mbola i Marta indray no niasa mafy “nandroso sakafo.” Anisan’ireo teo an-databatra i Lazarosy, ary tamin’izay i Maria no nanosotra menaka manitra an’i Jesosy. Lafo vidy io menaka io. (Jn 12:1-8; Mt 26:6-13; Mr 14:3-9) Nanao ahoana ny fiainan’i Marta taorian’izay? Oviana izy no maty? Ary inona no nahafaty azy? Tsy miresaka momba izany ny Soratra Masina.