Masina
Toetran’izay madio, indrindra fa eo amin’ny ara-panahy na fitondran-tena; ilazana koa an’ireo voatokana mba hanompo an’Andriamanitra, na any an-danitra na etỳ an-tany.
I Jehovah no Ilay Masina Indrindra, satria faran’izay madio sy marina izy. (Ho 11:12) Matetika izy no antsoina hoe “Ilay Masin’ny Israely.” (2Mp 19:22; Sl 71:22; 89:18) Hoy ny apostoly Jaona tamin’ny Kristianina teo anivon’ny fiangonana: “Mahazo fanosorana avy amin’ilay masina ianareo.” (1Jn 2:20) Antsoina hoe “ilay masina sy marina” i Jesosy Kristy. (As 3:14) Masina ireo anjelin’i Jehovah any an-danitra. Mahafoy tena tanteraka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra mantsy izy ireo, sady madio sy marina.—Lk 9:26; As 10:22.
Fahiny. Antsoina hoe ‘olona masina’ ny olona niaina teto an-tany izay natokana mba hanompo an’Andriamanitra. (Sl 34:9) Lasa firenena masina sy fananan’Andriamanitra manokana ny Israely, satria nanao fifanekena taminy. Raha nisy àry Israelita zatra nanao fahalotoana na nanota, dia ilay firenena no lasa naloto sy tsy nankasitrahan’i Jehovah, ka tsy maintsy nesorina izay nanota. Nitsiriritra zavatr’olona, ohatra, i Akana ary tsy nankatò toromarika, ka nahatonga loza tamin’ny Israely. Tsy afaka izany raha tsy tratra izy ary notoraham-bato ho faty.—Js 7.
Nohosorana menaka masina fanosorana i Arona, ka lasa mpisoronaben’ny Israely ary masina tamin’ny fomba niavaka. (Sl 106:16) Notakina zavatra betsaka àry ny mpisoronabe. (Le 21:1-15; mariho koa ireo antony tsy nahafahana nanao ny asan’ny mpisorona, araka ny and. 16-23; jereo MPISORONABE.) Mety ho meloka ny vahoaka raha nanota ny mpisoronabe (ohatra hoe namoaka didim-pitsarana diso). Nila fandrakofam-pahotana àry ilay mpisoronabe ka tokony hanao sorona vantotr’ombilahy. Sorona mitovy amin’izany ihany no notakiana noho ny fahadisoan’ny vahoaka manontolo.—Le 4:3, 13, 14.
Olona masina kristianina. Nohamasinina sy nodiovina ny olona tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao, ka natokana mba hanompo an’Andriamanitra irery ihany, noho ny “ran’ny fifanekena”, izany hoe ny ran’i Jesosy Kristy. (He 10:29; 13:20) Izy ireo no atao hoe “olona masina” (“olo-masina” ao amin’ny Baiboly hafa). Tsy olona na fikambanana àry no manambara azy ho “olona masina” na “olo-masina”, fa Andriamanitra izay nanao fifanekena taminy tamin’ny alalan’ny ran’i Jesosy Kristy. Izay rehetra tafiditra ao amin’io fifanekena io sy lasa mpiara-mandova amin’i Kristy no atao hoe “olona masina”, fa tsy olom-bitsy heverina hoe manana fahamasinana miavaka. Antsoin’ny Baiboly hoe “olona masina” koa izy ireo amin’ny fotoana ifidianan’ Andriamanitra azy ireo ho masina, izany hoe amin’izy ireo mbola velona eto an-tany, fa tsy miandry azy ho efa maty. Nilaza i Petera fa tokony ho masina izy ireo satria masina Andriamanitra. (1Pe 1:15, 16; Le 11:44) Antsoina matetika hoe “olona masina” ny voahosotra rehetra rahalahin’i Kristy eo anivon’ny fiangonana.—As 9:13; 26:10; Ro 1:7; 12:13; 2Ko 1:1; 13:13.
Aseho ho manao akanjo vita amin’ny lamba rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara ny fiangonana manontolo, na ny ‘vadin’i’ Kristy. “Ny asa marina nataon’ny olona masina” no ilay lamba rongony tena tsara. (Ap 19:7, 8) Hita tao amin’ny fahitana fa miady amin’ny olona masina mbola etỳ an-tany ny “bibidia”, izany hoe ny fitondrana ara-politika fehezin’i Satana Devoly. (Ap 13:3, 7) Sedraina mafy àry ireo olona masina ireo. Tsy mora amin’izy ireo ny miaritra, kanefa mandresy izy ireo satria mitandrina ny didin’Andriamanitra ary mino an’i Jesosy.—Ap 13:10; 14:12.
Ny fanantenan’izy ireo. Nahazo fahitana nitovy tamin’izany koa i Daniela. Hitany niady tamin’ireo olona masin’Andriamanitra ny bibidia iray. Nisy fitsarana avy eo, ka ilay “Efa Nisy Hatry ny Ela Be” no namoaka didim-pitsarana nanome rariny an’ireo olona masina. Nomena Fanjakana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo. Izany dia “ny fanjakana sy ny fitondrana ary ny fahalehibeazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra eny.”—Da 7:21, 22, 27.
Mbola tsy manjaka ireo “olona masina” ireo raha mbola etỳ an-tany, fa tsy maintsy miandry hoe ho tafaray amin’i Kristy any an-danitra. (Ef 1:18-21) Tsy maintsy “mandresy” aloha izy ireo. (Ap 3:21; ampit. Ap 2:26, 27; 3:5, 12.) Ho mpisorona sy mpanjaka miaraka amin’i Kristy izy ireo mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Ap 20:4, 6) Milaza ny apostoly Paoly fa hitsara an’izao tontolo izao sy ny anjely ireo olona masina. Azo inoana àry fa anisan’ireo handringana ny ratsy fanahy izy ireo.—1Ko 6:2, 3; Ap 2:26, 27.
Hotafihina ny “tobin’ny olona masina.” Milaza ny Apokalypsy 20:7-9 fa hitaona an’ireo firenena hiady amin’ny “tobin’ny olona masina sy ilay tanàna malala” i Satana Devoly, rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Azo inoana fa fikomiana eto an-tany no tiana horesahina eo, izany hoe fanoherana ny zon’Andriamanitra hitondra ny tany. Io ilay fanafihana ny “olona masina.” Eto ny hoe “olona masina” dia ny olombelona lasa lavorary ka tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny Mesia Mpanjaka, any amin’ny faran’ilay Fanjakana Arivo Taona.—Jereo FAHAMASINANA.