Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maso

Maso

Taova ahafahana mahita. Toy ny “fakan-tsary” arifomba sy tsy mila ahitsy izy io, fa mahita tsara na akaiky na lavitra no jerena. Mandefa tatitra any amin’ny atidoha ny maso, ary ny atidoha kosa no mamantatra ny sary tonga ao amin’ny temimaso. Samy ampiasaina ara-bakiteny sy an’ohatra ny teny hebreo hoe ʽayin sy ny teny grika hoe ôftalmôs. Ilazana “loharano” koa io teny hebreo io. (Ge 24:13; Ek 15:27) Manana maso roa ny olona, ary izany no ahafahany mahita ny tena bikabikan’ny zavatra iray. Tena voa mafy ny olona raha lasa jamba, satria ny maso no mampita ny ankamaroan’ny hafatra any amin’ny atidoha.

Anisan’ny faritra tsara tarehy indrindra eo amin’ny vatana ny maso. (To 1:15; 4:9; 7:4) Tena manimba endrika sy misy voka-dratsy hafa ny fahavoazana eo amin’ny maso, ka milaza ny Lalàna fa tsy afaka ho mpisorona ny olona jamba sy misy areti-maso. (Le 21:18, 20) Milaza koa ny Lalàna fa raha nisy Israelita namely ny mason’ny mpanompony, dia tokony halefany handeha izy mba ho olona afaka. (Ek 21:26) Fanaon’ny firenena sasany fahiny ny nanapotsitra ny mason’ny olo-malaza fahavalony, rehefa azony babo izy ireny, mba hanalana baraka sy handresena tanteraka an’ireo fahavalony.​—Mpts 16:21; 1Sa 11:2; 2Mp 25:7.

Hita amin’ny fomba mahatalanjona nanaovana ny maso ny fahaizan’ny Mpamorona, ary mbola tsy tena azon’ny mpahay siansa hoe ahoana no ahaizan’ny atidoha mamantatra ny hafatra voarainy avy amin’ny maso. Tena mahay tokoa ilay nanao ny maso! I Jehovah mihitsy no milaza fa izy no namorona ny maso. Hoy izy: “Ilay namorona ny maso ve tsy hahita?”​—Sl 94:9; Oh 20:12.

Ny mason’i Jehovah. Te hanampy antsika hahazo sy hahatakatra tsara ny momba azy Andriamanitra, ka ampitoviny amin-javatra hitantsika sy fantatsika tsara izany. Lazainy an’ohatra hoe mitsinjo ny olona ny ‘masony.’ Te hilaza izy hoe tia sy miambina ary mikarakara azy ireo izy. Hoy ny apostoly Petera: “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina.” (1Pe 3:12) Tena mikarakara sy mitady izay hahasoa ny vahoakany Andriamanitra, ary lazainy hoe “toy ny anakandriamasony” izy ireo. Sarin-teny izany, ary manasongadina fa sarobidy eo imasony izy ireo, ary miaro azy ireo avy hatrany izy rehefa misy fahavalo mitady hikasika azy ireo.​—De 32:10; Sl 17:8.

Mandinika an’izay ataon’ny olon-drehetra Andriamanitra. Hoy i Jeremia: “Mibanjina an’izay rehetra ataon’ny zanak’olombelona ny masonao, mba hamalianao ny tsirairay araka izay ataony.” (Je 32:19) Mahalala ny zava-drehetra i Jehovah ary mikasa hampihatra ny rariny amin’ny olon-drehetra. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy misy zavaboary izay tsy mibaribary eo imasony, fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.” (He 4:13; 2Ta 16:9; Sl 66:7; Oh 15:3) Tena lalina ny fomba fandinihan’i Jehovah matoa nilaza ny mpanao salamo hoe: “Ny masony mijery, eny, ny masony mandinika ny zanak’olombelona.”​—Sl 11:4.

Hoy i Davida: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako sy ny andro hiforonan’ireny, nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza.” (Sl 139:15, 16) Asehon’izany fa afaka mamantatra ny ho toetran’ny olona iray sy ny maha izy azy i Jehovah, na dia mbola vao miforona ao an-kibo aza ilay olona. Nanao toy izany, ohatra, izy tamin’i Jakoba sy Esao.​—Ge 25:21-23; Ro 9:10-13.

Ampiasaina an’ohatra. Ny mason’ny olona no tena mampita hafatra any amin’ny atidohany, ka manaitra fihetseham-po ao aminy ary mahatonga azy hanao zavatra. Zavatra hitan’ny maso, ohatra, no nampiasain’i Satana mba hakana fanahy an’i Eva ka hahatonga azy haniry an’io zavatra io. (Ge 3:6) Zavatra hitan’ny maso koa no nitaomany an’i Jesosy hanota. (Lk 4:5-7) Nilaza koa ny apostoly Jaona fa anisan’ireo zavatra avy amin’izao tontolo mandalo izao ny “fanirian’ny maso.” (1Jn 2:16, 17) Hita eo amin’ny maso koa ny ankamaroan’ny fihetseham-po, ka izany no mahatonga ny Soratra Masina hampiasa fitenenana toy ny hoe “maso miandranandrana” (Oh 6:17); ‘maso manintona’ (mason’ny vehivavy ratsy fitondran-tena izay mambabo olona​—Oh 6:25); ‘maso feno fanitsakitsaham-bady’ (2Pe 2:14, f.a.p.); “kahihitra”, izay adika koa hoe “manana maso kahihitra” (Oh 23:6); ary “maso feno fitsiriritana.” (Oh 28:22) Voalaza koa fa mety ho ‘ratsy ny mason’ny olona’ iray. Tsy hoe misy herin’ny maizina akory no hevitr’izany, fa maso ahitana faniriana hanao ratsy kosa, (Mt 20:15) ary mifanohitra amin’ny mason’ny olona “manana fijery mangoraka.”​—Oh 22:9.

Fomba amoahana fihetseham-po ny fihetsika atao amin’ny maso. Mety hiantra na tsy hiantra olona, ohatra, ny maso. (De 19:13) Mety hanao “pimaso” koa ny olona maneso na mihatsaravelatsihy. (Sl 35:19; Oh 6:13; 16:30) Mety holazaina hoe “manakimpy ny masony” ny olona tsy te handinika izay manjo ny hafa na tsy te hanao soa aminy. (Mt 13:15; Oh 28:27) Voalaza fa “mivezivezy hatrany amin’ny faran’ny tany” ny mason’ny tsisy saina. (Oh 17:24) Midika izany fa mandehandeha etsy sy eroa izy ary mieritreritra an’izay rehetra tsy tokony hoeritreretiny. Hita eo amin’ny mason’ny olona koa aza raha salama sy mavitrika izy na tsia, ary na sambatra izy na tsia. (1Sa 14:27-29; De 34:7; Jb 17:7; Sl 6:7; 88:9) Hoy ny mpanao salamo tamin’i Jehovah: “Ianao no andrandrain’ny masoko.”​—Sl 123:1.

Indraindray koa ny teny tany am-boalohany nadika hoe “maso” dia ampiasaina hilazana ny fomba fiheveran’ny olona iray (Ge 19:14; Oh 12:15; Mt 21:42); ny maha eo ny olona iray (Ge 23:11); ny fahafantarana zavatra iray (No 15:24); ny fifantohana amin’izay jerena (Ge 44:21; Lk 4:20); na ny fiantrana olona (Oh 28:27). Ilay teny hebreo hoe ʽayin (maso) koa dia mety hilazana ny fahitana ny paozin’ny zavatra iray, ohatra hoe “ny faritra taza-maso” amin’ny tany (Ek 10:5), na ny mana na metaly manjelatra (No 11:7; Ezk 1:4), na divay (Oh 23:31), na ranomandry, na varahina.​—Ezk 1:22; Da 10:6; ampit. Za 5:6.

Mahita an’Andriamanitra, mahita an’i Jesosy. Afaka mahita ny famirapiratan’i Jehovah ny anjely. (Mt 18:10; Lk 1:19) Tsy mahazaka izany kosa ny mason’olombelona. Hoy mihitsy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy misy olona afaka mahita ahy ka mbola ho velona ihany.” (Ek 33:20) Hoy koa i Jaona: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jn 1:18) Mazava àry fa rehefa niteny tamin’i Filipo i Jesosy hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa” (Jn 14:9) na rehefa niteny i Jaona hoe: “Tsy nahita an’Andriamanitra izay manao ny ratsy” (3Jn 11), dia tsy hoe mahita an’Andriamanitra ara-bakiteny no tian’izy ireo holazaina, fa hoe mahita an’Andriamanitra amin’ny ‘mason’ny fo’ (Ef 1:18), izany hoe mahalala tsara an’Andriamanitra ary tia ny toetrany. Izany no nahatonga an’i Jaona hilaza hoe: “Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.”​—1Jn 4:8.

Efa nilaza i Jesosy hoe: “Tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao.” (Jn 14:19) Tsy ny maso ara-bakiteny àry no tiana holazaina ao amin’ny Apokalypsy 1:7 hoe: “Hahita azy [Jesosy Kristy] ny maso rehetra.” Midika kosa izany fa hisy vokany eo amin’ny sain’ny olona ny fahitana an’ireo porofo hita maso ara-bakiteny rehefa tonga handringana ny fahavalony i Jesosy. Milaza mazava anefa ny Baiboly fa tena hahita an’Andriamanitra ireo olona voantso hiaina any an-danitra hiaraka amin’i Kristy. Tsy maintsy mahazo vatana ara-panahy àry izy ireo rehefa atsangana ho any an-danitra.​—1Pe 1:4; 1Ko 15:50-54; ampit. 1Pe 3:18.

Heviny ara-panahy. Fanomezan’Andriamanitra ny maso, na ny ara-bakiteny na ny ara-panahy (Oh 20:12), ary nampanantena izy fa samy hositraniny ireo ary hesoriny ny antony rehetra mahatonga ranomaso. (Is 35:5; Ap 21:4) Tsy mahatakatra ny fikasan’Andriamanitra ny olona, raha tsy ampiany hahita tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy. Afenin’i Jehovah amin’ireo mafy loha na mpikomy kosa ny fahamarinana, ka avelany ‘ho jamba ny mason’izy ireo.’ (Ro 11:8-10; Lk 19:42) “Mana-maso” ara-bakiteny izy ireo, nefa “tsy mahita” eo amin’ny ara-panahy.​—Je 5:21; Is 59:10.

Nasongadin’i Jesosy fa tsy maintsy miezaka ny olona mba hahita tsara eo amin’ny ara-panahy, izany hoe tokony ho mailo sy hifantoka amin’izay tena zava-dehibe. Hoy i Jesosy: “Ny maso no jiron’ny vatana. Koa raha tsotra [madio; mifantoka amin-javatra iray] ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo, fa raha mifantoka amin’ny zava-dratsy kosa ny masonao, dia ho maizina ny tenanao manontolo. Ary raha haizina ny hazavana ao aminao, dia ho haizim-pito tokoa izany!” (Mt 6:22, 23, f.a.p.) Hoy koa i Jesosy: “Nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy mba heverinao?” Ny hanaisotra ny “sombin-kazo” eo amin’ny mason’ny rahalahiny no mahamaika ny olona satria te hanampy an’ilay rahalahiny hahay hitsara kokoa izy, nefa ny tenany aza tsy mahay mitsara satria misy “vatan-kazo” eo amin’ny masony.​—Mt 7:3-5.

Nahita ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny apostoly Jaona, ary teo akaikin’izy io nisy zavamananaina efatra izay feno maso ny aloha sy aoriana. (Ap 4:6, 8) Afaka miambina foana ny zavamananaina toy izany sady afaka mahita ny zava-drehetra. Fantatr’izy ireo daholo izay mitranga eran-tany ary mieritreritra an’Andriamanitra sy mankatò azy amin’ny zava-drehetra izy ireo. (Ampit. Sl 123:2; jereo koa Ezk 1:18; 10:12.) Mampirisika ny mpanompony i Jehovah hoe ‘aoka tsy hiala eo imason’izy ireo’ ny teniny.​—Oh 4:20, 21; Lk 10:23; jereo JAMBA.