Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Masoandro

Masoandro

Ilay lehibe kokoa amin’ireo zavatra roa eny amin’ny lanitra manazava ny etỳ an-tany. Izy io no tena loharanon’angovo ho an’ny tany, ary tsy misy fiainana etỳ raha tsy eo izy io. Manampy ny olona koa ny masoandro (heb., shemesh; gr., heliôs) sy ny volana, mba hamantarany fizaran-taona sy andro ary taona. (Ge 1:14-18) Fanomezana avy amin’ilay “Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra” ny masoandro, ary omeny fahazavana avy amin’izy io ny rehetra, na ny ratsy fanahy na ny tsara fanahy. (Jk 1:17; Je 31:35; Mt 5:45) Tena midera an’ilay Mpamorona be voninahitra nanao azy tokoa izy io.​—Sl 148:3.

Mirefy 1 392 000 km ny savaivon’ny masoandro, izany hoe avo zato heny raha oharina amin’ny savaivon’ny tany. Ampitomboina iray tapitrisa mahery koa ny haben’ny tany vao mitovy amin’ny masoandro. Tokotokony ho 149 600 000 km miala amin’ny tany ny masoandro. Voalaza fa 6000 degre eo ho eo ny hafanany. Lavitra be amin’ny tany ny masoandro ka ampahany faran’izay kely amin’ny angovo avoakany no tonga etỳ an-tany. Ampy anefa izany mba hisian’ny toetrandro mety tsara, ka mahavelona ny zavamaniry sy ny biby.​—De 33:14; 2Sa 23:4.

Mamirapiratra kokoa i Jehovah sy Kristy. Mamirapiratra sy be voninahitra kokoa noho ny masoandro i Jehovah, ilay Mpamorona ny masoandro. Manaporofo izany ny zava-nitranga tamin’i Saoly, rehefa nahita ny ampahan’ny voninahitr’ilay Zanak’Andriamanitra natsangana tamin’ny maty izy. Nilaza izy fa nahita hazavana “namirapiratra mihoatra noho ny masoandro.” (As 26:13) Tsy hila ny masoandro mba hanazava azy i Jerosalema vaovao, ilay tanàna masina. “Ny voninahitr’Andriamanitra” mantsy no hanazava azy, ary ny Zanak’ondry no ho “jirony.”​—Ap 21:2, 23; 22:5.

Mahavita mifehy ny hazavan’ny masoandro Andriamanitra. Nisy haizina nanarona ny tany manontolo, nanomboka tamin’ny ora fahenina (11.00-12.00 antoandro) ka hatramin’ny ora fahasivy (2.00-3.00 tolakandro), tamin’i Jesosy nihantona teo amin’ny hazo fijaliana. (Mt 27:45; Mr 15:33) Nanazava i Lioka fa nisy ilay haizina satria “tsy nazava ny masoandro.” (Lk 23:44, 45) Misy mihevitra fa fanakona-masoandro (takonan’ny volana ny masoandro) no nahatonga izany. Tsy marina anefa izany satria Paska tamin’io, ary fenomanana foana ny volana amin’ny Paska. Tapa-bolana teo ho eo tatỳ aoriana vao maizim-bolana, izany hoe nifanitsy ny volana sy ny masoandro raha jerena avy etỳ an-tany (amin’ny fotoana toy ireny no mitranga ny fanakona-masoandro).

Ela be talohan’izay, dia efa nasehon’i Jehovah fa vitany ny misakana ny hazavan’ny masoandro. Mbola tany Ejipta ny Israelita tamin’izay. Rakotry ny haizina ‘nikitroka’ ny Ejipsianina, tamin’ilay loza fahasivy. Tsy fanakona-masoandro izany, satria naharitra telo andro. Tsy maharitra ela be toy izany ny fanakona-masoandro. Ankoatra izany, dia nisy hazavana tany amin’ny faritra nisy ny Israelita, izany hoe tany Gosena, tsy lavitra teo.​—Ek 10:21-23.

Nanontany an’i Jesosy momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity ny mpianany. Nanazava i Jesosy fa zavatra tsy fahita no hitranga satria ho maizina ny masoandro.​—Mt 24:3, 29; Mr 13:24; Lk 21:25; ampit. Is 13:10; Jl 2:10, 31; 3:15; As 2:20; jereo LANITRA (Hihamaizina ny lanitra).

Fotoana sy toerana. Matetika no resahina ny masoandro rehefa mamaritra fotoana (Ge 15:12, 17; 32:31; De 16:6; Js 8:29; Mpts 9:33; 1Sa 11:9), sy toerana (De 11:30; Js 12:1). Nampiasaina ny hoe “etỳ ambanin’ny masoandro” mba hilazana hoe “na aiza na aiza eto an-tany” na “eran-tany.” (Mpto 5:18; 9:11) Midika hoe “an-karihary” ilay teny hebreo nadika hoe “eo imasom-bahoaka [a.b.t.: eo ambany mason’ny masoandro, na eo anatrehan’ny masoandro].”​—2Sa 12:11, 12.

Heviny an’ohatra. Antsoina hoe “masoandro sy ampinga” i Jehovah Andriamanitra. Tsy midika anefa izany hoe andriamanitra masoandro izy. Ny tiana holazaina kosa dia hoe avy aminy ny hazavana sy ny aina ary ny angovo. (Sl 84:11) Voalaza koa hoe manome alokaloka ho an’ny vahoakany izy, mba ‘tsy hamely azy ireo ny masoandro.’ Izay rehetra mahatonga loza no oharina amin’ny hafanan’ny masoandro eto. (Sl 121:6, 7) Indraindray dia oharina amin’ny hafanana mandoro avy amin’ny masoandro ny fanenjehana (Mt 13:5, 6, 20, 21) sy ny fahatezeran’Andriamanitra.​—Ap 7:16.

Noharin’i Jehovah tamin’ny vehivavy iray nanan-janaka fito lahy i Jerosalema mpikomy. Namoaka didim-pitsarana nanamelohana an’io vehivavy io izy, ka nampiasa teny an’ohatra hoe “na mbola antoandro aza dia milentika ny masoandrony”, izany hoe mbola tsy antitra akory izy dia efa tonga ny loza hanjo azy. Tanteraka izany rehefa noravan’i Babylona i Jerosalema. (Je 15:9) Nilaza i Mika fa hahita loza koa ireo mpaminany nitaona ny Israely hivadika. Hoy izy: “Hilentika tsy hanazava an’ireo mpaminany ny masoandro, ary ho maizina aminy ny andro.” (Mi 3:6; ampit. Am 8:9.) Tena mamiratra na be voninahitra ny Fanjakan’i Jehovah, ka “hangaihay ny volana fenomanana, ary ho menatra ny masoandro mamirapiratra”, raha ampitahaina aminy. (Is 24:23) Nilaza i Jesosy fa “ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy”, amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.​—Mt 13:39, 43; ampit. Da 12:3; jereo HAZAVANA, FAHAZAVANA.

Fivavahana tamin’ny masoandro. Namongotra ny fanompoan-tsampy i Josia Mpanjaka, ka “nesoriny tamin’ny asany ireo mpisoron’ny andriamani-kafa, izay notendren’ireo mpanjakan’ny Joda hanolotra setroka ho sorona” ho an’ny “masoandro sy ny volana.” ‘Tsy navelany hiditra tao an-tranon’i Jehovah intsony ny soavaly natokan’ireo mpanjakan’ny Joda ho an’ny masoandro.’ “Nodoran’i Josia koa ireo kalesin’ny masoandro.” (2Mp 23:5, 11) Nahazo fahitana momba izay nitranga tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema i Ezekiela mpaminany, tatỳ aoriana, tamin’izy tany Babylona. Nisy lehilahy 25 teo ho eo hitany teo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara, ary “niankohoka niantsinanana, nanandrify ny masoandro, izy ireo.” (Ezk 8:16) Noravana i Jerosalema sy ny tempoly tamin’ny 607 T.K., noho izany fanao maharikoriko izany. Nampiasa an’i Nebokadnezara i Jehovah mba hanao izany.​—Je 52:12-14.

Nihemotra zanatohatra folo ny aloka. Azo amantarana ny ora ny aloka avy amin’ny masoandro, ary nanamboatra fitaovana manondro ny ora amin’ny alalan’ny aloka ny olona. Efa talohan’ny taonjato fahavalo T.K. no nampiasaina tany Babylona sy Ejipta ny fitaovana toy izany. Ilay teny hebreo hoe maʽalôht izay nadika hoe ‘dialy’ (Prot.) na “famantaranandro aloka” (DPV) ao amin’ny 2 Mpanjaka 20:11 sy Isaia 38:8 anefa, dia midika ara-bakiteny hoe “zanatohatra” (TV) na “ambaratonga”, araka ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta amin’ireo andininy ireo. Misy hira 15 antsoina hoe “Hira Fiakarana” ao amin’ny Salamo 120 ka hatramin’ny 134, ary ilay teny hebreo hoe maʽalôht io nadika hoe “fiakarana” io.

Miresaka momba an’i Hezekia Mpanjaka tamin’izy narary ny 2 Mpanjaka 20:8-11 sy ny Isaia 38:4-8. Nivavaka i Isaia ary namaly izany Andriamanitra ka nanome fambara an’i Hezekia fa ho sitrana izy. Nataon’Andriamanitra nihemotra ny aloka ka niakatra ambaratonga folo, na dia efa nidina tsikelikely aza. Mety ho refy teo amin’ny famantaranandro aloka ilay hoe ambaratonga, satria azo inoana fa nanana famantaranandro toy izany i Ahaza, rain’i Hezekia, ary angamba azony avy tany Babylona ilay izy. Milaza anefa ilay Jiosy mpahay tantara atao hoe Josèphe fa “tao an-tranon’i” Ahaza no nisy an’ireo ambaratonga ireo, ka azo inoana fa zanatohatra tamin’ny tohatra tao an-tranony ireo. (Rakitry ny Ela Jiosy, X, 29 [ii, 1]) Nasiana andry angamba teo akaikin’ilay tohatra mba hotarafin’ny masoandro, ary nikisaka tsikelikely teo amin’ireo zanatohatra ny alok’izy io, ka izany no namantarana ny ora.

Mety ho nanao fahagagana i Jehovah teo, ka nibaiko ny masoandro sy ny tany. Raha izany no izy, dia mety ho nitovitovy tamin’ilay fahagagana resahin’ny Josoa 10:12-14 no nataony. (Jereo HERIN’ANDRIAMANITRA [Tsy nihetsika ny masoandro sy ny volana].) Re hatrany an-tany lavitra ilay fambara nomena an’i Hezekia ary nisy vokany lehibe, matoa milaza ny 2 Tantara 32:24, 31 fa nisy iraka avy tany Babylona tonga tao Jerosalema mba hanadihady momba an’ilay izy.