Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Masreka

Masreka

(Masrèka).

Tanàna mety ho niavian’i Samla mpanjaka edomita. (Ge 36:31, 36; 1Ta 1:43, 47) Mbola tsy very ilay anarana hoe Masreka, satria misy tendrombohitra antsoin’ny Arabo hoe Jebel el-Moshrak any amin’ny 50 km atsimoandrefan’i Maʽan. Nilaza i Eusèbe fa any avaratra kokoa no nisy an’i Masreka, any akaikin’ny Ranomasina Maty.