Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matana

Matana

(Matàna).

[1, 2, 4: Fanomezana]

1. Mpisoron’i Bala novonoina teo anoloan’ny alitara tao an-tranon’i Bala, rehefa noravan’ny vahoaka notarihin’i Joiada mpisoron’i Jehovah ilay trano, ary nopotehin’izy ireo ny alitaran’i Bala sy ny sariny. Efa novonoina koa tamin’izay i Atalia mpanongam-panjakana, ary efa natao mpanjakan’ny Joda i Joasy.​—2Mp 11:16-21; 2Ta 23:17.

2. Rain’i Sefatia mpanenjika an’i Jeremia.​—Je 38:1, 4-6.

3. Razamben’i Josefa ray nitaiza an’i Jesosy Kristy. Mety ho raiben’i Josefa izy io.​—Mt 1:15, 16.

4. Toerana nitobian’ny Israely, teo anelanelan’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona sy ny faritanin’i Sihona Amorita. (No 21:13-21) Mety ho tao Kirbet el-Medeiyineh (na Modaiyina), tokotokony ho 15 km any avaratratsinanan’i Dibona, no nisy azy io.