Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matania

Matania

(Matanìa) [Fanomezan’i Jehovah].

1. Levita zanak’i Hemana. Voafidy tamin’ny antsapaka izy ho lehiben’ny andiany fahasivy tamin’ny antokona Levita mpitendry zavamaneno nalamin’i Davida.​—1Ta 25:1, 4, 8, 9, 16.

2. Levita avy tamin’ny taranak’i Asafa, ary razamben’i Jahaziela. (2Ta 20:14) Mety ho izy ihany ilay Matania resahin’ny 1 Tantara 9:15 sy Nehemia 13:13. Mety ho olon-kafa na solontenan’ny fianakaviambe atao hoe Matania kosa ilay ao amin’ny Nehemia 12:8.​—Ampit. Ne 11:17, 22; 12:25.

3. Levita taranak’i Asafa, ary anisan’ny nanadio ny tranon’i Jehovah tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.​—2Ta 29:12-16.

4. Zanakalahin’i Josia Mpanjaka sady dadatoan’i Joiakina Mpanjaka. I Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona no nanao azy ho mpanjaka sy nanova ny anarany ho Zedekia.​—2Mp 24:15-17; jereo ZEDEKIA No. 4.

5. Lehilahy israelita anisan’ny “taranak’i Elama”, izay nandroaka ny vadiny hafa firenena.​—Ezr 10:25, 26, 44.

6. Lehilahy israelita anisan’ny “taranak’i Zato”, izay nandroaka ny vadiny hafa firenena.​—Ezr 10:25, 27, 44.

7. Lehilahy israelita anisan’ny “taranak’i Pahata-moaba”, izay nandroaka ny vadiny hafa firenena.​—Ezr 10:25, 30, 44.

8. Lehilahy israelita anisan’ny “taranak’i Bany”, izay nandroaka ny vadiny hafa firenena.​—Ezr 10:25, 34, 37, 44.