Matata
(Matàta) [mety ho fanafohezana an’ilay anarana heb. nadika hoe Matitia, izay midika hoe “Fanomezan’i Jehovah”].
1. Lehilahy avy amin’ny fokon’i Joda. Zanak’i Natana izy sady zafikelin’i Davida. Razamben’i Jesosy Kristy avy tamin’ny reniny izy, raha jerena ny tetirazana nosoratan’i Lioka.—2. Razamben’i Jesosy Kristy avy tamin’i Maria izy, fa razambeny lavitra be. Nantsoina hoe “zanak’i Levy” i Matata, ary iray tamin’ireo olona voatonona anarana eo anelanelan’i Zerobabela sy Davida.—Lk 3:29.
3. Israelita anisan’ireo “taranak’i Hasoma” nanambady vehivavy hafa firenena, nefa nandroaka an’ireny tamin’ny andron’i Ezra.—Ezr 10:25, 33, 44.
4. Razamben’i Jesosy avy tamin’i Maria, ary razambeny akaiky. Voalaza fa “zanak’i” Matata i Hely rain’i Maria. Azo inoana àry fa raiben’i Maria i Matata.—Lk 3:23, 24.