Matio, Filazantsaran’i
Tantaran’ny fiainan’i Jesosy Kristy nosoratan’i Matio na Levy, mpamory hetra taloha. Nosoratana tany Palestina io boky voalohany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina io, ary io no Filazantsara nosoratana voalohany. Ny razamben’i Jesosy aloha no voatantara Mt 28:19, 20) Izay nitranga nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Jesosy (taona 2 T.K.) ka hatramin’izy nihaona tamin’ny mpianany taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra (taona 33 A.K.), àry no voaresaka ao.
ao, avy eo ny nahaterahan’i Jesosy, ary farany, ny toromarika nomeny ny mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Hoy izy tamin’izy ireo: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Fotoana nanoratana azy. Valo taona teo ho eo taorian’ny niakaran’i Kristy tany an-danitra (t. 41) ny Filazantsaran’i Matio no nosoratana, araka ny fanamarihana eo amin’ny faran’ireo sora-tanana misy azy io (taorian’ny taonjato fahafolo izy rehetra). Mifanaraka amin’izay raketin’ilay boky izany. Tsy resahiny mantsy hoe tanteraka ilay faminanian’i Jesosy momba ny handravana an’i Jerosalema, ka azo inoana fa nosoratana talohan’ny taona 70 izy io. (Mt 5:35; 24:16) Ny teny hoe “mandraka androany” (27:8; 28:15) koa midika fa efa nitranga elaela ny zavatra resahin’ilay Filazantsara vao nosoratana.
Natao tamin’ny teny hebreo aloha. Efa tamin’ny andron’i Papias avy any Hierapolia (taonjato faharoa) no voaporofo fa nosoratana tamin’ny teny hebreo ny Filazantsaran’i Matio. Niteny toy izao i Papias, hoy i Eusèbe: “Tamin’ny teny hebreo no nanangonan’i Matio ny fanambarana avy amin’Andriamanitra.” (Ny Tantaran’ny Eglizy, III, XXXIX, 16) Nilaza i Eusèbe fa niresaka momba ny bokin’i Matio toy izao koa i Origène tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo, rehefa nanazava an’ireo Filazantsara efatra: ‘Tamin’ny teny hebreo ilay voalohany nosoratan’i Matio, izay mpamory hetra lasa apostolin’i Jesosy Kristy.’ (Ny Tantaran’ny Eglizy, VI, XXV, 3-6) Hoy koa i Jérôme, manam-pahaizana tamin’ny taonjato fahefatra sy fahadimy: “Nanoratra ny iray tamin’ny Filazantsaran’i Kristy [i Matio], tany Jodia. Nosoratany tamin’ny teny sy litera hebreo izy io mba hahasoa an’ireo voafora lasa mpino. ... Mbola ahitana an’ilay Filazantsara amin’ny teny hebreo ao amin’ny tranombokin’i Kaisaria ankehitriny. I Pamphile maritiora no niezaka nanangona an’ilay izy.”—Ireo Lehilahy Malaza (latinina), toko III, nadika avy amin’ny teny latinina ary nataon’i E. Richardson. Navoaka tao amin’ny “Fanazavana sy Fikarohana Momba ny Tantaran’ny Haisoratra Kristianina Fahiny” (alemà), Leipzig, 1896, Boky Faha-14, p. 8, 9.
Toa i Matio ihany no nandika an’ilay tantara tamin’ny teny koine, fiteny grika tsotra, rehefa avy nanoratra an’ilay izy tamin’ny teny hebreo.
Ny mampiavaka azy. Efa ho ny antsasaky ny tantara ao amin’ny Filazantsaran’i Matio no tsy hita ao amin’ireo Filazantsara telo hafa. Tsy mitovy, ohatra, ilay tetirazan’i Jesosy noresahin’i Lioka (Lk 3:23-38) sy ilay ao amin’ny bokin’i Matio. (Mt 1:1-16) Ny tetirazan’i Jesosy avy amin’ny reniny no noresahin’i Lioka, fa ny avy amin’i Josefa rainy kosa ny an’i Matio mba hampisehoana fa manan-jo handova an’i Davida razambeny i Jesosy. I Matio irery koa no nitantara ny fihetsik’i Josefa rehefa fantany hoe bevohoka i Maria, ny nisehoan’ny anjely tamin’i Josefa tao amin’ny nofy (Mt 1:18-25), ny fitsidihan’ireo mpanandro, ny nandosiran-dry Josefa tany Ejipta, ny namonoana ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina (toko 2), ary ny nanofisan’ny vadin’i Pilato an’i Jesosy (27:19).
Fanoharana folo, fara fahakeliny, no tsy hita afa-tsy ao amin’ilay Filazantsara. Anisan’izany ireo fanoharana efatra ao amin’ny toko faha-13 momba ny tsimparifary, ny harena nafenina, ny “perla iray sarobidy”, ary ny harato tarihina. Eo koa ireo fanoharana momba ilay mpanompo tsy namindra fo (Mt 18:23-35), ireo olona niasa tanimboaloboka (20:1-16), ny fampakaram-badin’ny zanakalahin’ny mpanjaka (22:1-14), ireo virjiny folo (25:1-13), ary ireo talenta (25:14-30).
Manome tsipiriany fanampiny koa i Matio indraindray. Be tsipiriany kokoa, ohatra, ny Toriteny teo An-tendrombohitra ao amin’ny Filazantsarany (Mt 5:1–7:29) noho ny ao amin’ny an’i Lioka. (Lk 6:17-49) Samy nitantara i Marka sy Lioka ary Jaona fa nomena sakafo tamin’ny fomba mahagaga ny lehilahy 5000 teo ho eo, fa i Matio irery no nanampy hoe “ankoatra ny zaza amam-behivavy.” (Mt 14:21; Mr 6:44; Lk 9:14; Jn 6:10) Nilaza koa i Matio fa roa ny lehilahy nisy demonia nifanena tamin’i Jesosy tao amin’ny faritra nisy ny Gadareanina, fa i Marka sy Lioka kosa niteny hoe iray. (Mt 8:28; Mr 5:2; Lk 8:27) Jamba roa koa, hoy i Matio, no nositranin’i Jesosy, indray mandeha, fa i Marka sy Lioka kosa nilaza hoe iray. (Mt 20:29, 30; Mr 10:46, 47; Lk 18:35, 38) Tsy diso akory ireo mpanoratra ireo satria iray, fara fahakeliny, ny olona nisy demonia na jamba tao amin’ireo tantara ireo. Marina kokoa anefa ny isa nomen’i Matio, angamba noho izy mpamory hetra taloha.
Andininy avy ao amin’ny Soratra Hebreo. Zato eo ho eo ny andininy avy ao amin’ny Soratra Hebreo hita ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, ka ny 40 amin’ireo no notononiny mivantana. Anisan’izany ireo notononin’i Kristy, toy ny hoe: Ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony (Mt 10:35, 36; Mi 7:6); i Jaona Mpanao Batisa ilay “Elia” ho avy (Mt 11:13, 14; 17:11-13; Ml 4:5); mitovitovy ny nanjo an’i Jesosy sy Jona (Mt 12:40; Jo 1:17); tokony hohajaina ny ray aman-dreny (Mt 15:4; Ek 20:12; 21:17); fanompoana an’Andriamanitra an-tendro molotra fotsiny (Mt 15:8, 9; Is 29:13); vavolombelona roa na telo no ilaina (Mt 18:16; De 19:15); fanambadiana (Mt 19:4-6; Ge 1:27; 2:24); didy samihafa (Mt 5:21, 27, 38; 19:18, 19; Ek 20:12-16; 21:24; Le 19:18; 24:20; De 19:21); natao “lava-bato fieren-jiolahy” ny tempoly (Mt 21:13; Is 56:7; Je 7:11); nolavina i Jesosy, ilay “vato” tonga “vato fehizoro lehibe indrindra” (Mt 21:42; Sl 118:22, 23); hatao eo ambany tongotry ny Tompon’i Davida ny fahavalony (Mt 22:44; Sl 110:1); hisy zava-maharikoriko ao amin’ny toerana masina (Mt 24:15; Da 9:27); hiparitaka ny mpianatr’i Jesosy (Mt 26:31; Za 13:7); toa nafoin’Andriamanitra i Kristy (Mt 27:46; Sl 22:1); ary ny navalin’i Jesosy an’i Satana rehefa naka fanahy azy izy (Mt 4:4, 7, 10; De 8:3; 6:16, 13).
Faminaniana maro ao amin’ny Soratra Hebreo no nampiharin’i Matio tamin’i Jesosy, mba hanaporofoana fa izy ilay Mesia nampanantenaina. Nahaliana manokana ny Jiosy izany, satria toa ho azy ireo no nanoratana an’ilay tantara. Ireto ny faminaniana sasany: Nateraky ny virjiny i Jesosy (Mt 1:23; Is 7:14), teraka tao Betlehema (Mt 2:6; Mi 5:2), nantsoina avy tany Ejipta (Mt 2:15; Ho 11:1); fitomaniana an’ireo zaza novonoina (Mt 2:16-18; Je 31:15); nanomana ny lalana halehan’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa (Mt 3:1-3; Is 40:3); nitondra hazavana ny fanompoan’i Jesosy (Mt 4:13-16; Is 9:1, 2); nitondra ny aretin’ny olona izy (Mt 8:14-17; Is 53:4), nanao fanoharana (Mt 13:34, 35; Sl 78:2), nitaingina zanak’ampondra rehefa niditra tao Jerosalema (Mt 21:4, 5; Za 9:9); ary farantsa volafotsy 30 no namadihana azy (Mt 26:14, 15; Za 11:12).
Marina sy mahasoa. Mampihetsi-po sy mahasoa ny tantaran’ny fiainan’i Jesosy Kristy nosoratan’i Matio. Tsy mahagaga izany satria nifanerasera tamin’i Kristy io mpamory hetra taloha io sady nahita azy nanompo, nandritra ireo taona faramparany niainan’i Jesosy teto an-tany. Nampian’ny fanahin’Andriamanitra izy hitadidy tsara an’izay nolazain’i Jesosy sy nataony. (Jn 14:26) Marina àry izay nolazainy momba an’i Jesosy avy any Nazareta hoe Zanak’Andriamanitra izy, malalany sy nankasitrahany, ary tonga “mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” Izy koa ilay Mesia Mpanjaka ho avy amim-boninahitra. (Mt 20:28; 3:17; 25:31) Marina koa ny tenin’i Jesosy momba izay nataony tetỳ an-tany hoe: “Itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.” (11:5) Maro be ankehitriny ny Jiosy sy tsy Jiosy mandray soa avy amin’izany vaovao tsaran’ilay Fanjakana ao amin’ny Filazantsaran’i Matio izany.—Mt 4:23.
[Efajoro, pejt 375]
HEVITRA MISONGADINA: MATIO
Tantaran’ny fiainan’i Jesosy nosoratan’ny apostoly Matio, mba hanaporofoana tamin’ny Jiosy fa i Jesosy no Mesia Mpanjaka
Filazantsara nosoratana voalohany ary natao tamin’ny teny hebreo aloha, valo taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty
Tanteraka tamin’i Jesosy ireo faminaniana momba ny Mesia
Nateraky ny virjiny tao Betlehema i Jesosy, taranak’i Abrahama avy tamin’i Davida (1:1-23; 2:1-6)
Novonoina ireo zazalahikely; nantsoina avy tany Ejipta i Jesosy (2:14-18)
Nihalehibe tao Nazareta; nanomana ny lalana halehany i Jaona Mpanao Batisa (2:23–3:3)
Hazavana tany Galilia i Jesosy (4:13-16)
Nanasitrana aretina maro (8:16, 17)
Faly nanampy an’ireo madinika (12:10-21)
Nampianatra, nanao fanoharana; donto ny fon’ny olona maro (13:10-15, 34, 35)
Nitaingina zanak’ampondra izy rehefa niditra tao Jerosalema; nohobin’ny vahoaka hoe Zanak’i Davida nefa nolavin’ny Jiosy “mpanao trano” (21:1-11, 15, 42)
Farantsa volafotsy 30 no namadihan’i Jodasy azy; nividianana ny sahan’ny mpanefy tanimanga ilay vola (26:14, 15, 48, 49; 27:3-10)
Niparitaka ny mpianany (26:31)
Telo andro teo ho eo i Jesosy no tao am-pasana (12:39, 40)
Nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy
Hoy i Jesosy rehefa nosamborina i Jaona: “Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra” (4:12-23)
Nitety ny tanàna rehetra tany Galilia mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana (9:35)
Nanome toromarika an’ireo mpianany 12, izay nirahiny hitory an’ilay Fanjakana (10:1–11:1)
Nanazava momba ilay Fanjakana ka nilaza fanoharana momba ny mpamafy, vary sy tsimparifary, voan-tsinapy, lalivay, harena nafenina tany an-tsaha, perla iray sarobidy, harato tarihina, olona niasa tanimboaloboka, zanaka roa lahy, mpamboly ratsy fanahy, ary fampakaram-badin’ny zanakalahin’ny mpanjaka (13:3-50; 20:1-16; 21:28-41; 22:1-14)
Namaly ny fanontanian’ny mpianany momba ny fanatrehany; hotorina eran-tany koa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana (24:3–25:46)
Nahariharin’i Jesosy ny fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra fivavahana
Tsy takatr’izy ireo ny zava-kendren’ny Sabata, ary nataony tsy nanan-kery ny Tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazany (12:3-7; 15:1-14)
Tsy nanam-pinoana izy ireo, mpamono olona, mpihatsaravelatsihy, ary nanambony tena (12:24-42; 16:1-4; 21:43-45; 23:2-36)
Tsy niraharaha ny atao hoe rariny sy famindram-po ary tsy mendri-pitokisana (23:23, 24; 9:11-13)
Nanome torohevitra tsara ho an’ny mpianany i Jesosy
Toriteny teo An-tendrombohitra: Ny tena mahasambatra; tsy tokony hitahiry fahatezerana; tokony hihavana amin’ny rahalahy sy ho tia ny fahavalo; mampidi-doza ny mieritreritra ny hanitsakitsa-bady; tsy tokony hihatsaravelatsihy; ny fomba fivavaka; tsy tokony ho tia harena; katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany; tsy tokony hitsaratsara; tokony hivavaka foana; tery ny lalana mankany amin’ny fiainana; ary tokony hamoa voa tsara (5:1–7:27)
Tokony hanetry tena ny mpianany ary tsy hanafintohina olon-kafa; fomba fandaminana tsy fifanarahana (18:1-17, 21-35)
Fitsipika momba ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana (19:3-9)
Maty ilay Zanak’Andriamanitra ary natsangana
Nasain’i Jesosy hotsarovana ny fahafatesany, tamin’ny alin’ny Paska (26:26-30)
Nisy namadika izy, nosamborina, nomelohin’ny Fitsarana Avo Jiosy ho faty (26:46-66)
Nofotopotoran’i Pilato, nokaravasina, nesoina, ary nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana (27:2, 11-54)
Nalevina; natsangana tamin’ny maty ary niseho tamin’ny mpianany; naniraka azy ireo hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra (27:57–28:20)