Matrita
(Matrìta) [An’i Matar (Orana [midika hoe teraka tamin’ny fotoanan’ny orana àry ny hoe Matrita])].
Fianakaviana benjamita niavian’i Saoly mpanjakan’ny Israely. (1Sa 10:21) Anaran’olona hoe “Metrì” na “Matrỳ” no hita ao amin’ny Baiboly sasany (Kat.; DIEM). Misy mpanoritra voafaritra anefa miaraka amin’ilay teny hebreo hoe matri. Mety tsara àry ny nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao azy io hoe ny “Matrita”, ary izany koa no nandikan’ny Baiboly tatỳ aoriana kokoa azy io.—FFBF.