Meara
(Meàra) [Zohy].
Tanànan’ny Sidonianina na faritra nisy azy ireo. Mbola tokony halaina izy io, taorian’ireo fanafihan’ny Israely notarihin’i Josoa. (Js 13:2, 4) Toerana roa no voalaza fa mety ho nisy an’i Meara. Ny tanàna kelin’i Mgairiye, tokotokony ho 10 km any avaratratsinanan’i Sidona ny iray. Ny iray kosa dia i Mogara Jezina (teny arabo midika hoe “Lava-bato ao Jezina”), faritra be lava-bato eny an-tampon’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona ary atsinanan’i Sidona.