Medana
(Medàna).
Iray amin’ireo enin-dahy zanak’i Abrahama sy Ketora vadikeliny. (Ge 25:1, 2; 1Ta 1:32) Tsy fantatra hoe iza ilay foko arabo avy amin’i Medana, sy ny hoe taiza izy ireo no nanorim-ponenana. Mety ho i “Badana” anefa no “Medana”, satria matetika no azo ampifanoloana ny “m” sy ny “b” amin’ny teny arabo. Tany amin’ny faritra atsimon’i Tema no nisy an’i Badana, izay lasan’i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina, tamin’ny taonjato fahavalo T.K.