Medeba
(Medèba).
Toerana teo amin’ny misy ny tanànan’i Madaba ankehitriny, izay eo amin’ny havoana kely tokotokony ho 20 km any atsinanan’ny zorony avaratra amin’ny Ranomasina Maty. Fahiny, dia ny “lalan’ny mpanjaka” no nampifandray azy io sy ireo tanàna hafa tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. (Ampit. No 20:17.) I Madaba dia eo amin’ny lembalemba tsy misy hazo nefa tena mahavokatra. Azon’ny ondry aman’osy iraofana ahitra eo amin’ilay “lembalemban’i Medeba.”—Js 13:9, 16.
Rehefa resin’ny Israelita i Sihona mpanjakan’ny Amorita, dia nomena ny fokon’i Robena i Medeba. (Js 13:8, 9, 15, 16) Toa fananan’ny Moabita izy io taloha, fa nalain’ny Amorita. (No 21:25-30) Taonjato vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niady tamin’ny Amonita ny tafik’i Davida Mpanjaka, izay notarihin’i Joaba, ka resin’izy ireo ny mpikarama an’ady aramianina (syrianina) izay nitoby tandrifin’i Medeba.—1Ta 19:6-16.
Milaza ny Vato Moabita (andalana faha-8) fa naka ny “tanin’i Mehedeba (Medeba)” i Omry mpanjakan’ny Israely (t. 951-941 T.K.). Ny andalana faha-30 kosa milaza fa nanorina indray an’i Medeba sy ny tanàna hafa teny amin’ny manodidina i Mesa mpanjakan’i Moaba. Toa azon’ny Israelita indray anefa i Medeba, rehefa “namerina tamin’ny Israely ny sisin-taniny hatreo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata ka hatrany amin’ny ranomasin’i Araba” i Jeroboama II (t. 844-804 T.K.). (2Mp 14:25) Tsy naharitra ela anefa izany. Toa lasan’ny Moabita indray mantsy izy io, matoa nilaza ny faminanian’i Isaia (t. 778–a. 732 T.K.) fa ‘hidradradradra’ i Moaba rehefa hafoiny i Medeba.—Is 15:1, 2.