Media, Medianina
Aryanina ny Medianina, izany hoe taranak’i Jafeta avy tamin’i Maday zanany lahy. (Ge 10:2) Nitovitovy tamin’ny an’ny Persianina ny firazanany sy ny fiteniny ary ny fivavahany.
Tsy niresaka momba ny Medianina ny Baiboly, raha tsy tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Nanomboka niresaka momba azy ireo kosa ny tantara tamin’ny andron’i Salmanesera III, mpanjaka asyrianina niara-belona tamin’i Jeho Mpanjaka (t. 904-877 T.K.). Hita avy amin’ny fandinihana ireo sisan-javatra fahiny sy ny porofo hafa, fa efa nonina teny amin’ny Lembalemban’i Iran izy ireo, tany antenatenan’ny taonarivo faharoa T.K. tany ho any.
Ny mombamomba an’ilay tany. Niovaova ny sisin-tanin’ilay faritra fahiny nantsoina hoe Media. Azo inoana anefa fa tany andrefana sy atsimon’ny Ranomasina Caspienne no nisy azy io, ary ny tandavan-tendrombohitra Elbourz no nanasaraka azy tamin’ilay ranomasina. Toa nihoatra an’ilay Farihin’i Ormia ny sisin-taniny avaratrandrefana, satria nipaka hatrany amin’ny lohasahan’ny Reniranon’i Araxe. Ny Tendrombohitra Zagros kosa no nanasaraka azy tamin’i Asyria sy ny faritra iva manamorona an’i Tigra, tany andrefana. Tany efitra midadasika no tany atsinanany ary i Elama no tany atsimony.
Lembalemba be tendrombohitra i Media, ary 900 ka hatramin’ny 1500 m eo ho eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny haavon’ny tendrombohiny. Tany ngazana midadasika ny ampahany lehibe amin’ilay faritra, ka kely ny rotsakorana. Misy lohasaha lonaka vitsivitsy mamokatra be ihany anefa any. Mikoriana mankany amin’ilay tany efitra eo afovoan-tany ny ankamaroan’ireo renirano, ka lasa honahona sy heniheny. Mainan’ny hainandro ireny honahona ireny rehefa vanin-taona mafana, ka mamela antontan-tsira. Mora narovana ihany i Media noho izy be tendrombohitra. Ireo tandavan-tendrombohitra any andrefany no tena avo be, satria maromaro ny tendrombohitra mihoatra ny 4270 m. Any amin’ny tandavan-tendrombohitra Elbourz, akaikin’ny Ranomasina Caspienne, anefa no misy ny avo indrindra, dia ny Tendrombohitra Demavend (5771 m).
Ny tena anton’asan’ny Medianina. Nipetraka tao amin’ny tanàna kely ny ankamaroan’ny mponina tany na nifindrafindra monina, toy ny ankehitriny ihany. Fiompiana no tena anton’asan’izy ireo. Izany no hita amin’ireo soratra miendri-pantsika mitantara ny fanafihan’ny Asyrianina an’i Media. Asehon’izy ireny koa fa ny hahazo an’ireo soavaly tena tsara nompian’ny Medianina no anisan’ny tanjon’ireo mpanafika. Niompy ondry, osy, ampondra, ramole, ary ombivavy koa ny Medianina, ary nentin’izy ireo niraoka ahitra teny amin’ireo kijana maitso mavana teny an-tampon-kavoana ireny. Asehon’ny sary mivohitra nataon’ny Asyrianina koa fa nanao akanjo lava ny Medianina indraindray, ary notsindriany akanjo vita amin’ny hoditr’ondry ilay izy. Nanao baoty lava nisy tadiny mifatopatotra izy ireo, ary tena nilain’ny mpiandry ondry izany satria nangatsiaka be sady nisy lanezy teny amin’ireo lembalemba rehefa ririnina. Hita tamin’ireo fikarohana ny any ambanin’ny tany koa fa nahay nanefy halimo sy volamena ny Medianina.
Tantara. Zara raha namela asa soratra ny Medianina. Ny Baiboly sy ireo asa soratra asyrianina ary izay nosoratan’ireo Grika mpahay tantara fahiny no ahalalantsika ny mombamomba azy ireo. Toa nizara ho fanjakana maro madinidinika nofehezin’ireo filoham-poko ny Medianina. Nirehareha, ohatra, ireo mpanjaka asyrianina toa an-dry Shamshi-Adad Faha-5 sy Tiglato-pilesera III ary Sargona II, fa naharesy filoha nifehy tanàna sasany tany Media. Resin’ny Asyrianina koa ny Israely tamin’ny 740 T.K., ka nataony sesitany tany Asyria sy “tany amin’ireo tanànan’ny Medianina”, izay 2Mp 17:6; 18:11.
teo ambany fifehezan’izy ireo ny sasany.—Tsy nitsahatra nitady fomba handresena an’ireo “Medianina mafy loha” ny Asyrianina, ary mbola nitohy izany tamin’ny andron’i Esara-hadona. Zanak’i Sankeriba io mpanjaka asyrianina io, sady niara-belona tamin’i Manase, mpanjakan’ny Joda (716-662 T.K.). Izao no nosoratany: “Misy faritra iray amoron’ny tany efitra sira any amin’ilay tany lavitra atao hoe Media, eo am-pototry ny Tendrombohitra Bikni ... Nahazo babo maro be tany aho, ka nentiko tatỳ Asyria ireo mpiadidy mahery tsy nanaiky ho eo ambany ziogako, mbamin’ny vahoakany sy ny soavaliny, ny ombiny, ny ondriny, ny ampondrany, ary ny ramevany! ... Nasaiko nandoa hetra sy haba isan-taona ireo mpiadidy ireo.”—Tantara Fahiny Momba An’i Asyria sy Babylonia, nataon’i D. Luckenbill, 1927, Boky II, p. 215, 216.
Nilaza ilay Grika mpahay tantara atao hoe Hérodote (I, 96) fa lasa fanjakana tokana ny Medianina, teo ambany fitondran’i Deiokesy. Misy mpahay tantara ankehitriny milaza fa ilay Daiaoko resahin’ireo asa soratra ihany io Deiokesy io. Azo babo izy io ka nataon’i Sargona II sesitany tany Hamata, rehefa avy nanafika an’i Media ny Asyrianina. Ny ankamaroan’ny manam-pahaizana anefa milaza fa tamin’ny andron’i Cyaxare (na Kyaxare, zafikelin’i Deiokesy araka ny filazan’i Hérodote [I, 102, 103]) vao nivondrona teo ambany fitondran’olon-tokana ireo mpanjakan’i Media. Mety ho sahala amin’ireo mpanjaka madinidinika tany Kanana ihany anefa izy ireo. Niady teo ambany fitarihan’ny mpanjaka tokana mantsy ireny mpanjaka kananita ireny indraindray, kanefa mbola nahaleo tena ihany.—Ampit. Js 11:1-5.
Nihanahery ny Medianina na dia notafihin’ny Asyrianina matetika aza, ka nanjary fahavalo natahoran’i Asyria indrindra. Nanampy an’ireo Babylonianina ny tafik’i Cyaxare Medianina, rehefa nikomy tamin’i Asyria i Nabopolasara, mpanjakan’i Babylona sady rain’i Nebokadnezara. Azon’ny Medianina i Asyra tamin’ny taona faha-12 (634 T.K.) nanjakan’i Nabopolasara. Nihaona teo akaikin’ilay tanàna voababo i Cyaxare (antsoina hoe O-ma-kis-tar ao amin’ny tantara babylonianina) sy Nabopolasara, ary nanao “fifanekem-pihavanana.” (Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. Grayson, 1975, p. 93) Nilaza i Bérose (izay noresahin’i Polyhistor sy Abydène ary Eusèbe tao amin’ny asa sorany) fa nanambady an’i Amytis (na ilay nantsoin’i Abydène hoe Amohea), zanakavavin’ilay mpanjaka medianina, i Nebokadnezara, zanak’i Nabopolasara. (Eusèbe, Chronicorum liber prior, nataon’i A. Schoene, Berlin, 1875, tsang. 29, andalana 16-19; tsang. 37, andalana 5-7) Tsy mitovy hevitra anefa ireo mpahay tantara, satria misy milaza fa tsy zanak’i Cyaxare i Amytis, fa zanak’i Astyage zanany lahy.
Nandresy an’i Asyria i Media sy Babylona. Niady imbetsaka tamin’i Asyria ny tafik’i Media sy Babylonia. Resin’izy ireo ihany tamin’ny farany i Ninive tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Nabopolasara (632 T.K.). (Ze 2:13) Nifindra niankandrefana nankany Harana (tany amin’ny 360 km teo ho eo) àry ireo mpiady asyrianina. Nampian’ny Ejipsianina izy ireo, kanefa tsy tafarina intsony ny Fanjakan’i Asyria. Nifampizaran’ny Medianina sy ny Babylonianina àry ilay tany. (Na 2:8-13; 3:18, 19) Toa lasan’ny Medianina ny tapany avaratra tamin’i Asyria, fa ny Babylonianina kosa naka ny tapany atsimo sy atsimoandrefana, anisan’izany i Syria sy Palestina. Nankany Azia Minora i Cyaxare avy eo, ka tonga hatrany amin’ny Reniranon’i Halys. Niady tany izy sy ilay firenena atao hoe Lydia kanefa tsy nisy resy, ary lasa sisin-tany andrefana indrindran’i Media i Halys. Nanjary anisan’ny Fanjakan’i Media ny ampahany lehibe tamin’ny Lembalemban’i Iran, ny faritra avaratr’i Mezopotamia, Armenia ary Kapadokia.
Ny Persianina indray no nahery kokoa. Natanjaka kokoa noho ny Persianina tany atsimon’i Media, ny Medianina, izay nanao an’i Ekbatana ho renivohiny. (Ezr 6:2) Nilaza ireo Grika mpahay tantara atao hoe Hérodote (I, 107, 108) sy Xénophon (Cyropaedia, I, ii, 1) fa nomen’i Astyage (nandimby an’i Cyaxare ary nantsoina koa hoe Astomego, ao amin’ireo soratra miendri-pantsika) ho vadin’i Cambyse, mpanjaka persianina, i Mandane zanany vavy, izay lasa renin’i Kyrosy (II). Natambatr’i Kyrosy ny tafika persianina rehetra rehefa lasa mpanjakan’i Anshan, faritany persianina, izy. Tsy te hofehezin’i Media intsony mantsy izy. Resahin’ny Tantaran’i Nabonida fa “nikomy ny tafik’i Astomego [Astyage]”, ka “nofatorany” i Astomego ary natolony an’i Kyrosy. Resin’i Kyrosy ny renivohitr’i Media taorian’izay. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 305) Nanomboka teo dia nitambatra ho Fanjakana Medianina-Persianina i Media sy Persa. Mety tsara àry ny nampitahan’i Daniela mpaminany an’io fanjakana io tamin’ny ondrilahy nanan-tandroka roa. Marina koa ilay teniny hoe lava kokoa ilay tandroka “nipoitra farany”, satria nihanahery ny Persianina ka lasa natanjaka kokoa noho ny Medianina mandra-paharavan’ilay fanjakana.—Da 8:3, 20.
Asehon’ny porofo anefa fa nomen’i Kyrosy fahefana ny Medianina, ka mbola afaka nitana toerana ambony tao amin’ny fitondrany ihany. Izany no nahatonga an’i Daniela mpaminany hilaza fa hozaraina ny Fanjakana Babylonianina, ka homena “ho an’ny Medianina sy ny Persianina”, rehefa Da 5:28; 6:8, 12, 15) I Persa indray anefa no voatonona alohan’i Media ao amin’ny bokin’i Estera (Es 1:3, 14, 18, 19), izay nosoratana 100 taona teo ho eo tatỳ aoriana, afa-tsy ao amin’ny andininy iray monja.—Es 10:2.
nohazavainy tamin’i Belsazara Mpanjaka ny hevitr’ilay soratra teo amin’ny rindrina. Mbola voatonona voalohany koa ny Medianina ao amin’ny andininy hafa ao amin’ny Daniela, toy ny hita amin’ilay fitenenana hoe “ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina.” (Nandresy an’i Babylona i Media sy Persa. Naminany i Isaia tamin’ny taonjato fahavalo T.K., fa hoentanin’i Jehovah hamely an’i Babylona “ny Medianina, izay tsy miraharaha volafotsy sady tsy tia volamena. Dia hotorotoroin’izy ireo amin’ny tsipìka ny tovolahy.” (Is 13:17-19; 21:2) Mety ho tafiditra amin’ilay teny hoe “Medianina” koa eto ny Persianina, sahala amin’ny fanaon’ireo Grika mpahay tantara fahiny, izay nampiasa an’io teny io mba hilazana ny Medianina sy ny Persianina. Nahoana anefa no lazaina fa tsy hiraharaha volafotsy sy volamena ny Medianina? Angamba satria tsy ny hamabo zavatra no tanjon’izy ireo tamin’izay, fa ny handresy an’i Babylona mihitsy. Tsy nanaiky handray tsolotra na hetra avy aminy àry izy ireo. Ny tsipìka vita amin’ny hazo no fiadiana tena nampiasain’ny Medianina sy ny Persianina. Nofonosin’izy ireo halimo na varahina (ampit. Sl 18:34) anefa izy ireny indraindray. Azo inoana fa ‘nanorotoro an’ireo tovolahy’ babylonianina ireo zana-tsipìka nataon’izy ireo tifitra variraraka. Efa nataon’izy ireo maranitra tsara mantsy ny zana-tsipìka tsirairay, mba hilentika lalina kokoa.—Je 51:11.
Mahaliana fa milaza i Jeremia (51:11, 28) hoe anisan’ireo nanafika an’i Babylona “ireo mpanjakan’i Media.” Midika izany fa mety ho mbola nisy mpanjaka medianina iray na maromaro teo ambany fitondran’i Kyrosy. Fahita ny toe-javatra toy izany taloha. (Ampit. Je 25:25.) Medianina nantsoina hoe Dariosy àry no notendren’i Kyrosy mpanjaka persianina ho “mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny Kaldeanina”, rehefa resin’ny tafika medianina sy persianina sy ny Elamita ary ireo foko manodidina i Babylona.—Da 5:31; 9:1; jereo DARIOSY No. 1.
Resin’i Aleksandra Lehibe. Mbola nisy firesahana momba ny “tafik’i Persa sy Media” sy ireo “andriana fiton’i Persa sy Media” mpanolo-tsain’ny mpanjaka ary “ny lalàn’i Persa sy Media” ihany, tamin’ny andron’i Ahasoerosy Mpanjaka (izay azo inoana fa i Ksersesy I). (Es 1:3, 14, 19) Tamin’ny 334 T.K. i Aleksandra Lehibe no tena nandresy voalohany an’ireo tafika persianina, ary lasa teo ambany fahefany i Media tamin’ny 330 T.K. Lasa nofehezin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus ny faritra atsimon’i Media taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra, fa ny faritra avaratra kosa nanjary fanjakana nahaleo tena. Na dia nifandimby nifehy an’i Media aza anefa ny Partianina sy ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus, dia nilaza i Strabon, Grika mpahay jeografia, fa nisy foana ny tarana-mpanjaka medianina hatramin’ny taonjato voalohany. (Jeografia, 11, XIII, 1) Tonga tao Jerosalema avokoa ny olona avy amin’ny firenen-tsamy hafa, anisan’izany ny Medianina sy Partianina ary Elamita, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nantsoina hoe “Jiosy avy tamin’ny firenena rehetra” sady “olona natahotra an’Andriamanitra” izy ireo. Mety ho taranak’ireo Jiosy natao sesitany tany Media taorian’ny nandresen’ny Asyrianina an’i Israely mantsy ny sasany taminy, na olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy.—As 2:1, 5, 9.
Tsy nisy intsony ny firenena medianina tamin’ny taonjato fahatelo, satria lasa anisan’ny firenena iranianina izy ireo.