Mefata
(Mefàta).
Tanànan’ny Robenita tamin’ny voalohany, fa nomena ny Levita Merarita tatỳ aoriana. (Js 13:15, 18; 21:34, 36, 37; 1Ta 6:77-79) Nanjary nofehezin’ny Moabita i Mefata, 800 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Jeremia. (Je 48:21, 24) Misy milaza an’i Mefata ho i Tell Java, tokotokony ho 11 km any atsimon’i Amman (Raba). Mbola ahitana ny anarany ao amin’ny anaran’ilay tanàna any akaiky any hoe Kirbet Nefaʽa (na Koreiyat Nafiʽ).