Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Megido

Megido

(Megìdo).

Anisan’ny tanàna lehibe tao amin’ny Tany Nampanantenaina, tokotokony ho 90 km any avaratr’i Jerosalema, ary 31 km atsimoatsinanan’ny tanànan’i Haïfa ankehitriny. Maherin’ny 4 ha ny velaran-tany nisy an’i Megido, izay teo an-tampon’ny dongon-tany na havoana antsoina ankehitriny hoe Tell el-Motesellim (Tel Megiddo), ary efa ho 21 m ny haavony raha ampitahaina amin’ilay lohasaha manodidina azy.​—SARY sy SARINTANY, Boky 1, p. 953.

Tsara toerana. Tazana tsara avy eo ny ilany andrefana amin’ny lohasaha mahavokatr’i Jezirela (Lemak’i Esdraelona, antsoina koa hoe “lemak’i Megido”; 2Ta 35:22; Za 12:11). Fihaonan-dalana koa eo, ary tazana daholo izay mpanao raharaham-barotra sy miaramila mandalo eo. Na ny Baiboly na ny tantara dia samy milaza fa nisy ady maro manan-tantara tao Megido, noho izy io tsara toerana, ka firenena maro no niady tao. Teo akaikin’io toerana io, “teo amoron’ny ranon’i Megido”, ohatra, i Baraka Mpitsara no nandresy ny tafik’i Jabina notarihin’i Sisera, izay tafika nitondra kalesin’ady 900 nisy lelan’antsy. (Mpts 4:7, 13-16; 5:19) Tao Megido no maty i Ahazia mpanjakan’ny Joda, rehefa avy naratra mafy tany akaikin’i Ibleama satria nasain’i Jeho novonoina. (2Mp 9:27) Tany Megido koa i Josia mpanjakan’ny Joda no naratra mafy ka maty. Nosakanany mantsy ny tafika ejipsianina notarihin’i Farao Neko, tamin’io tafika io hankany amin’ny reniranon’i Eofrata mba hanampy an’ireo Asyrianina tany.​—2Mp 23:29, 30; 2Ta 35:22.

Imbetsaka no nohamafisina ny fiarovana ny tanànan’i Megido, nandritra ny fotoana samihafa teo amin’ny tantara, ary manamarina izany ireo zavatra nofongarina tao. Hita avy amin’ireo zavatra rava tao, ohatra, fa nisy fotoana nahatratra 4 m ka hatramin’ny 5 m ny hatevin’ny mandany. Lasa maherin’ny 7,5 m kosa anefa ny hateviny tatỳ aoriana, ary mbola nisy 3,3 m mahery ny haavon’ny manda sasany hita tany.

Tantarany. Voaresaka voalohany i Megido, tamin’ny fotoana nakana ny Tany Nampanantenaina. Voalaza fa anisan’ireo mpanjaka 31 resin’i Josoa mantsy ny mpanjaka tao. (Js 12:7, 8, 21, 24) Rehefa nozaraina ilay tany, dia lasan’ny fokon’i Manase i Megido sy ny tanàna niankina taminy na dia tao anatin’ny faritanin’ny fokon’i Isakara aza. (Js 17:11; 1Ta 7:29) Tsy nahavita nandroaka an’ireo Kananita nonina tao amin’io toerana voaro mafy io anefa ny fokon’i Manase, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Nampanaovina asa an-terivozona kosa ny mponin’i Megido, rehefa lasa natanjaka ny firenen’Israely.​—Mpts 1:27, 28.

Azo daholo ny tany rehetra anisan’ny Tany Nampanantenaina, tamin’ny andro nanjakan’i Davida. Lasa teo ambany fahefany àry izay Kananita tavela tao amin’ny Tany Nampanantenaina, anisan’izany ny tao Megido. Izany no nahatonga an’i Solomona ho afaka hampiditra an’i Megido ho anisan’ny faritra fahadimy namatsy sakafo ny tao an-dapan’ny mpanjaka iray volana isan-taona.​—1Mp 4:7, 8, 12.

Nohamafisin’i Solomona koa i Megido, ary mety ho anisan’ny tanàna fanatobiany kalesy, ka soavaly fitondra miady 12 000 teo ho eo no tao. (1Mp 9:15-19; 10:26) Misy manam-pahaizana milaza (saingy tsy ny rehetra) fa tranon-tsoavaly nahazaka soavaly hatramin’ny 450 ny trano midadasika iray efa rava hita tao Megido. Tamin’ny voalohany, dia voalaza fa tamin’ny andron’i Solomona ilay trano lehibe. Mpikaroka maro anefa avy eo no nilaza fa tatỳ aoriana kokoa, tamin’ny andron’i Ahaba angamba, izy io.

Vavahadin’i Solomona tao Megido, mitovy amin’ireo hita tany Hazora sy Gazera

Niresaka momba ny “fitomaniana mafy” hitranga eo “amin’ny lemak’i Megido” ny faminanian’i Zakaria (12:11). Ilay fitomaniana an’i Josia mpanjaka izay maty an’ady tao, angamba no tiana holazaina amin’izany. (2Mp 23:29, 30) Tsy ny fomba fanoratra mahazatra an’ilay teny hebreo hoe Megiddôh no hita ao amin’ny bokin’i Zakaria fa ilay endriny lava kokoa hoe Megiddôhn, izay mitovy amin’ny ao amin’ny Apokalypsy 16:16.​—Jereo HARA-MAGEDONA.