FANAZAVANA MAHALIANA
Megido
TSARA toerana i Megido ka nahaliana firenena maro fahiny. Tazana tsara avy eo ireo lalambe nivezivezen’ny mpanao raharaham-barotra sy ny miaramila. Ady manan-tantara maro no natao teo amin’ilay lemaka teo am-pototr’izy io. Mety tsara àry ny iantsoana ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” hoe Hara-magedona (avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”). Tsy ao Megido anefa no hitranga io ady io, satria ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina” no handray anjara. (Ap 16:14, 16) Tsy hisy mpitondra olombelona handresy amin’io. Ny Fanjakan’Andriamanitra kosa no handresy, ka hanamarina fa i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, no manana zo hitondra an’izao rehetra izao.