Mekona
(Mekòna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manamafy orina”].
Tanàna tao amin’ny faritra atsimon’i Joda, toa tany akaikin’i Ziklaga. Azo lazaina hoe lehibe ihany izy io matoa nanana tanàna niankina taminy. (Ne 11:25, 28) Sarotra fantarina ny toerana tena nisy azy io. Avy amin’ny soratra nasiana fanitsiana mantsy no nanombanana ny ankamaroan’ireo toerana voalaza fa nisy azy.