Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Melkizedeka

Melkizedeka

(Melkìzedèka) [Mpanjakan’ny Fahamarinana].

Mpanjakan’ilay tanàna fahiny hoe Salema, ary “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra”, izany hoe i Jehovah. (Ge 14:18, 22) Efa mpisorona izy talohan’ny taona 1933 T.K., ary izy no mpisorona voalohany resahin’ny Soratra Masina. Mpanjakan’i Salema, izay midika hoe “Fiadanana”, izy. Izany no niantsoan’ny apostoly Paoly azy hoe “Mpanjakan’ny Fiadanana.” Nantsoiny hoe “Mpanjakan’ny Fahamarinana” koa izy, araka ny hevitry ny anarany. (He 7:1, 2) Ilay tanàna fahiny hoe Salema no lasa Jerosalema tatỳ aoriana, ary ao anatin’ilay anarana hoe Jerosalema ny anaran’io tanàna fahiny io. Indraindray aza atao fotsiny hoe “Salema” i Jerosalema.​—Sl 76:2.

Nankany amin’ny Lemaka Ivan’i Save, izany hoe ny Lemaka Ivan’ny mpanjaka, i Abrama (Abrahama), rehefa avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka mpiray dina taminy. Nankany koa i Melkizedeka, “nitondra mofo sy divay”, ary nitso-drano an’i Abrahama hoe: “Enga anie i Abrama hotahin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanao ny lanitra sy ny tany! Ary hisaorana anie ilay Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ny mpampahory anao teo an-tananao!” Nomen’i Abrahama an’io mpisorona sady mpanjaka io “ny ampahafolon’ny zava-drehetra”, izany hoe ny ampahafolon’ny “zavatra tsara indrindra nobaboiny” tamin’izy nandresy an’ireo mpanjaka mpiray dina ireo.​—Ge 14:17-20; He 7:4.

Mifanitsy amin’io mpisoronabe io i Kristy. Nanonona faminaniana miavaka momba ny Mesia i Jehovah, rehefa nianiana tamin’ny ‘Tompon’i’ Davida hoe: “Mpisorona mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, tahaka an’i Melkizedeka!” (Sl 110:1, 4) Rehefa namaky an’io salamo io àry ny Hebreo, dia fantany fa sady ho mpanjaka no mpisorona ilay Mesia nampanantenaina. Nanoratra ho an’ny Hebreo ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana, ka notsoriny hoe iza io Mesia nambara mialoha io. Tsy iza izy io fa i “Jesosy, izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka.”​—He 6:20; 5:10; jereo FIFANEKENA.

Andriamanitra mihitsy no nanendry azy. Azo inoana fa i Jehovah mihitsy no nanendry an’i Melkizedeka ho mpisorona. Nanazava i Paoly fa Mpisoronabe ambony i Jesosy, ary nolazainy fa tsy noho ny sitrapon’ny olona no ahazoan’ny olona voninahitra ho mpisorona, “fa noho ny fiantsoan’Andriamanitra ihany, tahaka ny tamin’i Arona.” Niresaka momba an’i Kristy koa izy hoe: “Tsy izy no nanome voninahitra ny tenany mba ho mpisoronabe, fa ilay niteny momba azy hoe: ‘Ianao no zanako, ary izaho efa tonga rainao androany.’” Nampiharin’i Paoly tamin’i Jesosy Kristy ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 110:4, avy eo.​—He 5:1, 4-6.

‘Nandray ampahafolon-karena avy tamin’i Levy.’ Tsy nisy ifandraisany tamin’ilay fisoronana teo amin’ny Israely ny fisoronan’i Melkizedeka. Mbola ambony kokoa noho ny fisoronan’ny taranak’i Arona aza ny an’i Melkizedeka, araka ny hazavain’ny Soratra Masina. Anisan’ny manaporofo izany ny hoe nanome voninahitra an’i Melkizedeka i Abrahama, izay niavian’ny firenen’Israely manontolo, anisan’izany ny fokon’i Levy izay nisy an’ireo mpisorona. Nanome ampahafolon-karena an’io mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra io mantsy i Abrahama, “naman’i Jehovah” sady lasa “rain’izay rehetra manam-pinoana.” (Jk 2:23; Ro 4:11) Nilaza i Paoly fa ny Levita dia nahazo ampahafolon-karena avy tamin’ireo rahalahiny, izay taranak’i Abrahama koa. Nohazavain’i Paoly tsara anefa fa “nahazo ampahafolon-karena avy tamin’i Abrahama” i Melkizedeka, na dia “tsy mba taranak’i Levy” aza, ary “nandoa ny ampahafolon-karena tamin’ny alalan’i Abrahama” i Levy, izay mandray ny ampahafolon-karena, “satria mbola tao an-kibon’i Abrahama izy fony i Melkizedeka nitsena an’io razambeny io.” Na dia nahazo ampahafolon-karena avy tamin’ny vahoakan’Israely aza ireo mpisorona Levita, dia nandoa ampahafolon-karena tamin’i Melkizedeka, tamin’ny alalan’i Abrahama razamben’izy ireo. Hita koa hoe ambony kokoa ny fisoronan’i Melkizedeka satria izy no nitso-drano an’i Abrahama, araka ny nohazavain’i Paoly hoe: “Izay kely no mahazo tsodrano avy amin’izay lehibe noho izy.” Izany rehetra izany no anisan’ny manaporofo fa mifanitsy tsara amin’i Melkizedeka i Jesosy Kristy Mpisoronabe ambony.​—He 7:4-10.

Tsy nandimby na iza na iza sady tsy hisy mpandimby. Nilaza mazava tsara i Paoly fa tsy nahatonga ny olona ho lavorary ny fisoronan’ny Levita, ka nilaina ny mpisorona iray “tahaka an’i Melkizedeka.” Nohazavain’i Paoly fa avy tamin’ny fokon’i Joda, izay tsy fokon’ny mpisorona, i Kristy. Lasa mpisorona anefa izy, noho izy mitovy amin’i Melkizedeka. “Tsy araka ny lalàna miorina amin’ny nofo”, hoy i Paoly, “no nahatonga azy ho toy izany, fa araka ny herin’ny fiainana tsy mety levona.” Tsy noho ny fianianana no nahalasa mpisorona an’i Arona sy ny zanany lahy, fa i Kristy kosa notendrena ho mpisorona noho ny fianianan’i Jehovah. Mpisorona mety maty anefa ny Levita ka nila mpandimby. “Manana fisoronana tsy misy mpandimby” kosa i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty, “satria velona mandrakizay.” “Koa mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany koa izy, satria velona mandrakariva mba hiangavy ho an’ireo.”​—He 7:11-25.

Inona no dikan’ny hoe “tsy nisy fiandohana ny androm-piainany sady tsy nisy fiafarana”?

Nasongadin’i Paoly fa niavaka i Melkizedeka satria “tsy nanan-dray izy ary tsy nanan-dreny, tsy nanana tetirazana, tsy nisy fiandohana ny androm-piainany sady tsy nisy fiafarana, fa natao nitovy tamin’ilay Zanak’Andriamanitra izy, ka mitoetra ho mpisoronabe mandrakizay.” (He 7:3) Toy ny olombelona rehetra ihany i Melkizedeka, ka teraka ary avy eo maty. Tsy voalaza mihitsy anefa ny anaran’ny rainy sy ny reniny, na ny taranany. Tsy resahin’ny Soratra Masina koa ny fiandohan’ny androm-piainany na ny fiafaran’izany. Mifanitsy tsara amin’i Melkizedeka àry i Jesosy Kristy, satria tsy misy fiafarana koa ny fisoronana hataony. Tsy voalaza hoe iza no mpisorona nodimbiasan’i Melkizedeka ary iza no nandimby azy. Toy izany koa i Kristy satria tsy nisy mpisoronabe nitovy taminy ka nodimbiasany. Asehon’ny Baiboly fa tsy hisy handimby koa izy. Marina fa noho izy avy amin’ny fokon’i Joda sady taranak’i Davida Mpanjaka no mahatonga azy ho mpanjaka, nefa tsy noho ny firazanany ara-nofo kosa no mahatonga azy ho mpisorona fa noho ny fianianana nataon’i Jehovah taminy.

Voalaza ao amin’ny Targoman’i Jerosalema fa i Sema zanakalahin’i Noa, hono, no Melkizedeka. Eken’ny Jiosy maro sy ny olon-kafa koa izany. Marina tokoa fa velona tamin’ny andron’i Melkizedeka i Sema, ary tsy maty izy raha tsy efa tatỳ aorian’ny nahafatesan’i Saraha, vadin’i Abrahama. Nahazo tsodrano avy tamin’i Noa mihitsy aza i Sema. (Ge 9:26, 27) Tsy misy porofo anefa manamarina hoe i Sema no Melkizedeka. Ny azo antoka kosa dia tsy resahin’ny Soratra Masina mihitsy ny momba ny fiavian’i Melkizedeka, ny tetirazany, ary ny taranany. Tsy sendrasendra fotsiny izany, fa natao mba hampisy fitoviana eo amin’i Melkizedeka sy Jesosy Kristy, “izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka” noho ny fianianana mafy nataon’i Jehovah.​—He 6:20.