Meloka ho Nandatsa-dra
Ilay teny hebreo dam (mr.: damim) no nadika hoe “ra.” Midika hoe meloka ho nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy io, indraindray.
Novonoin’i Kaina i Abela olo-marina, ka niantsoantso avy tamin’ny tany ny rany. Nanomboka tamin’izay, dia anisan’ny zavatra tena maharikoriko an’i Jehovah ny “tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny.” (Oh 6:16, 17; Ge 4:10; Sl 5:6) Efa ela no fantatry ny olona hoe masina ny ra. Nilazana mantsy i Noa sy ny ankohonany, taorian’ny Safodrano, fa ho henjana be ny sazin’izay meloka ho nandatsa-dra.—Ge 9:6; 37:21, 22; 42:22.
Nisy lalàna navoaka, tatỳ aoriana, ka nohazavaina hoe inona avy no heloka mahatonga famonoana ho faty. Azon’ny rehetra natao àry ny nitandrina mba tsy ho meloka ho nandatsa-dra. Nisy lalàna hafa koa navoaka mba tsy hisy olona handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny. Tsy maintsy nasiana arofanina, ohatra, nanodidina ny tampon-trano mba tsy hisy hianjera avy eny. (De 22:8) Nila nitandrina koa ny tompon’omby sao manoto olona ny ombiny. (Ek 21:29) Meloka ho nandatsa-dra izay namono mpangalatra namaky trano tamin’ny antoandro, fa tsy meloka kosa izy raha tamin’ny alina no namono an’ilay mpangalatra. (Ek 22:2, 3) Nisy tanàna fialokalofana koa naorina ho an’izay nahafaty olona tsy nahy, sao ho azon’ny mpamaly ra izy. (No 35:25; De 19:9, 10; Js 20:2, 3; jereo MPAMALY RA.) I Ezekiela no tompon’antoka tamin’ny ran’ny Israelita raha nanao tsirambina ny asan’ny mpitily izy. (Ezk 3:18, 20; 33:6, 8) Azontsika àry ny hevitry ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Afaka tamin’ny ran’ny olona aho.’—As 18:6; 20:26.
Miresaka momba an’ireo meloka sy tsy meloka ho nandatsa-dra ny Baiboly, ary natao ho anatra izany. Nisy fotoana, ohatra, i Saoly saika meloka ho nandatsa-dra satria saika namono an’i Davida. Nahatonga ny ankohonany ho meloka ho nandatsa-dra anefa izy, tatỳ aoriana, satria namono an’ireo Gibeonita. (1Sa 19:5, 6; 2Sa 21:1) Nisy olon-kafa koa meloka toy izany, noho ny antony samihafa. (Mpts 9:24; 2Sa 1:16; 4:6-12) Saika meloka ho nandatsa-dra koa i Davida, indray mandeha, fa soa ihany izy nanaraka ny fampitandreman’i Jehovah nambaran’i Abigaila. (1Sa 25:24-26, 31, 33) Rava tamin’ny 607 T.K. i Jerosalema, satria tena meloka ho nandatsa-dra. (Ezk 22:2-4; 23:37, 45) Meloka toy izany koa ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jeremia sy tamin’ny andron’i Jesosy, ary tsy azon’izy ireo nolavina izany satria samy menan’ny ran’ny mpanompon’i Jehovah ny akanjony. (Je 2:34; Mt 23:35, 36; 27:24, 25; Lk 11:50, 51) Tena meloka ho nandatsa-dra i Babylona Lehibe, matoa lazaina hoe mamon’ny ran’ny vahoakan’i Jehovah.—Ap 17:5, 6; 18:24.
Tsy mendrika tokoa hahatratra ny antsasaky ny androny ireny olona meloka ho nandatsa-dra ireny, araka ny nambaran’i Davida. (Sl 55:23) Tokony hanao toa an’i Davida izy rehetra ireny, ka hivavaka amin’i Jehovah mba hanafaka azy amin’ny trosan-dra sy ny mpandatsa-dra. (Sl 51:14; 59:2; 139:19) Milaza ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy fa kely sisa dia hisy fiderana mafy hiakatra any amin’i Jehovah, satria ho rava tanteraka i Babylona Lehibe ary hovaliana ny ran’ny tsy manan-tsiny.—Ap 19:1, 2.
Manazava ny Soratra Grika Kristianina fa ataon’Andriamanitra ho isan’ny meloka ho nandatsa-dra ny Kristianina 1) raha mamono olona, anisan’izany ny manohana mivantana na an-kolaka fikambanana meloka ho nandatsa-dra (toa an’i Babylona Lehibe [Ap 17:6; 18:2, 4], na fikambanana hafa mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny [Ap 16:5, 6; ampit. Is 26:20, 21]); 2) raha mihinana na misotro ra (As 15:20); ary 3) raha tsy mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ka tsy mampita an’ilay hafatra mamonjy aina.—As 18:6; 20:26, 27; ampit. Ezk 33:6-8.