Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Memfisa

Memfisa

(Memfìsa).

Iray tamin’ireo renivohitr’i Ejipta fahiny. Maro no mihevitra fa ny tanànan’i Mit Rahiney efa rava izy io, eo amin’ny 23 km eo ho eo atsimon’i Le Caire, eo andrefan’ny Reniranon’i Neily. I Memfisa no tanàna lehibe indrindra tany “Ejipta Ambany” (ny faritry ny Vinany sy ny ampahany kely eo atsimon’izy io), nandritra ny taonjato maro.

Môf no anaran’ilay tanàna amin’ny teny hebreo, ao amin’ny Hosea 9:6 (ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy manao hoe “Memfisa.”) Antsoina amin’ny teny hebreo hoe Nôf kosa izy io ao amin’ny andininy hafa.​—Is 19:13; Je 2:16; 44:1; 46:14, 19; Ezk 30:13, 16.

Ny tantarany. Noresahin’i Hérodote (II, 99), Grika mpahay tantara, fa nisy angano nilaza hoe i Ménès no nanorina an’i Memfisa. Tsy misy porofo ara-tantara anefa manamarina fa tena nisy io mpitondra io, izay lazaina fa voalohany tamin’ny “Tarana-mpanjaka Voalohany” ejipsianina.

Tsara toerana i Memfisa, ka nety tsara ny nanaovana azy ho renivohitr’i Ejipta fahiny. Teo atsimo kelin’ilay toerana isampanan’ny Reniranon’i Neily mantsy no nisy azy. Tsy ny faritry ny Vinany tany avaratra fotsiny àry no azony nofehezina, fa ny fivezivezena teo amin’i Neily koa. Sarotra nidirana i Memfisa raha avy any andrefana, satria nisy tany efitra sy tendrombohitra tany. Niaro azy avy any atsinanana koa ny ranon’i Neily sy ireo havoana teo akaikiny. Nahafehy an’i Ejipta manontolo àry i Memfisa, izay teo anelanelan’i Ejipta Ambony (atsimo) sy Ambany (avaratra). Tsy misy hafa amin’izany koa i Le Caire ankehitriny, izay tsy lavitra an’i Memfisa taloha.

Foibe ara-barotra. Foibe ara-barotra niroborobo foana ilay tanàna. Rehefa resin’i Gresy i Ejipta vao i Aleksandria indray, seranana tany amin’ny morontsiraka avaratra, no lasa nandroso indrindra. Misy mpahay tantara milaza fa ny fanamboarana fitaratra no tena nampahalaza an’i Memfisa, ary i Roma no tena mpanafatra fitaratra taminy. Nisy hazo akasia nambolena koa tao amin’ilay faritra mba hanaovana fanaka, sambon’ny tafika ejipsianina, ary fitaovam-piadiana.

Politika. Nalaza teo amin’ny sehatra ara-politika i Memfisa, indrindra fa tamin’ilay fotoanan’ny “Fanjakana Tranainy” ka hatramin’ny “Fanjakana Antenatenany”, araka ny fiantsoan’ny manam-pahaizana momba an’i Ejipta azy. Milaza ny ankamaroan’ny mpahay tantara fa tao Memfisa ny foiben’ny fitondran’ireo tarana-mpanjaka voalohandohany, na dia mety ho nisy fotoana aza izany tany Thèbes (antsoin’ny Baiboly hoe No-amona, 480 km eo ho eo any atsimo). Azo inoana fa mbola i Memfisa no renivohitr’i Ejipta tamin’i Abrahama nankany sy nihaona tamin’i Farao.​—Ge 12:10-20.

Toa hamarinin’ny Baiboly fa tany Ejipta Ambany (avaratra) no nisy ny renivohitr’i Ejipta, tamin’ireo Israelita nipetraka tany. Tsy sarotra àry ny nivezivezy nankany Gosena, toerana nonenan’ny Israelita. (Ge 47:1, 2; jereo GOSENA No. 1.) Azo inoana kokoa hoe i Memfisa, fa tsy tanàna hafa tao amin’ny faritry ny Vinany (araka ny eritreretin’ny sasany), no renivohitra, tamin’i Mosesy nihaona tamin’i Farao ‘teny amoron’ny Reniranon’i Neily.’ Misampantsampana be mantsy i Neily rehefa tonga eo amin’ilay Vinany.​—Ek 7:15.

Tanàna nalaza i Memfisa, ka voatonona imbetsaka ao amin’ireo faminaniana momba an’i Ejipta. Milaza, ohatra, ny Jeremia 2:16 fa “nitsentsitra” an’i Israely i Nofa (Memfisa) sy Tapanesa (tanàna ao amin’ny faritry ny Vinany), ka ‘nataony sola hatrany an-tampon-dohany’ i Israely. Midika ho fisaonana sy fahafaham-baraka ho an’ireo nihambo ho vahoakan’Andriamanitra izany. (Ampit. 2Mp 2:23; Is 22:12.) Tsy nahavonjy sy tsy afa-nanampy an’ilay fanjakana tany avaratra (Israely) sy ilay fanjakana tany atsimo (Joda) tokoa i Ejipta, izay nantsoina tetsy aloha hoe Memfisa sy Tapanesa. Nanararaotra an’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fifanekena fotsiny izy.​—Ho 7:11; Is 30:1-3; 2Mp 23:31-35.

Fivavahana. Toerana fandrantoana fianarana sy foiben’ny fivavahana ejipsianina i Memfisa. Naminany anefa i Isaia tamin’ny taonjato fahavalo T.K. fa tsy hahasoa ny fahendrena nireharehan’ireo andriana (sady mpisorona angamba) tao Nofa (Memfisa), ka ho voafitaka i Ejipta. (Is 19:13) Nofitahin’ireny mpanolo-tsaina ireny fotsiny ny vahoaka, ka nihevitra fa tsy haharesy azy ireo i Asyria, firenena matanjaka.

Nisy zavatra hitan’ny mpikaroka momba an’i Tiraka, mpanjaka etiopianina nitondra an’i Ejipta, tao Memfisa. Nifanehatra tamin’i Sankeriba, mpanjaka asyrianina, tao Kanana i Tiraka (732 T.K.; 2Mp 19:9), kanefa tafavoaka velona ihany. Resin’i Esara-hadona, zanak’i Sankeriba, anefa avy eo ny tafika ejipsianina, ka voatery niverina tany Memfisa. Toy izao no nitantaran’i Esara-hadona izany: “Nataoko fahirano i Memfisa, ny [lapan’i Tiraka], ka azoko tao anatin’ny tapak’andro. Nihady lalana ambanin’ny tany aho, nandoaka manda, ary nampiasa tohatra. Noravako (ilay tanàna), narodako (ny mandany), ary nodorako.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 293) Azon’ny tafika ejipsianina indray i Memfisa taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ary naripany ny miaramila asyrianina. Notafihin’i Asorobanipala, zanak’i Esara-hadona, anefa i Ejipta, ka nesoriny tao Memfisa ireo mpitondra ary nalefany (nianatsimo) nankany amin’i Neily.

Lasan’i Ejipta tanteraka i Memfisa rehefa nihena ny herin’i Asyria, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito T.K. Nisy Jiosy nandositra tany Ejipta, rehefa noravan’i Nebokadnezara, mpanjaka babylonianina, i Joda tamin’ny 607 T.K. Nanorim-ponenana tao Memfisa sy tao amin’ny tanàna hafa izy ireo. (Je 44:1) Nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia sy Ezekiela mpaminany anefa fa hiharan-doza izy ireo, satria ho resin’i Nebokadnezara i Ejipta, ka i Memfisa (Nofa) no tena ho voa mafy. (Je 44:11-14; 46:13, 14, 19; Ezk 30:10-13) Antoandrobenanahary mihitsy ny Babylonianina no hanafika an’i Memfisa.​—Ezk 30:16.

Resin’i Cambyse mpanjaka persianina indray i Memfisa tamin’ny 525 T.K., ka Persianina indray no lehibem-paritany tao. Tsy tena tafarina intsony ilay tanàna taorian’izay. Nihapotika tsikelikely izy io rehefa nihanalaza i Aleksandria, teo ambany fitondran’ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Ptolémée. Rava tanteraka i Memfisa tamin’ny taonjato fahafito.

Anisan’ireo tanàna masina indrindra tany Ejipta fahiny i Memfisa sy Ona (Heliopolisy) teo akaikiny teo. (Ge 41:50) Tena niavaka ny toerana masina natokana ho an’i Ptah andriamanitra sy ho an’i Apis, ombilahy masina. Araka ny teolojia noforonin’ireo mpisorona tao Memfisa, dia i Ptah (sy ireo andriamanitra hafa toa an’i Thoth sy Ra ary Osiris) no mpamorona, ary nitovy tamin’ny anjara asan’i Farao ny asany. Milaza ireo mpahay tantara fahiny fa nohalehibeazina sy nohatsaraina matetika ny tempolin’i Ptah tao Memfisa. Nisy sarivongana goavam-be koa nandravaka azy io.

Tao Memfisa no niompiana an’i Apis, ombilahy velona nasiana marika manokana. Noheverina ho i Osiris andriamanitra naka endrika ombilahy izy io, ka nivavahana. Misy angano koa anefa milaza fa i Ptah andriamanitra no naka ny endrik’ilay ombilahy. Nisaona ny vahoaka rehefa maty ilay ombilahy, izay nanaovana fandevenana manetriketrika tao Sakkara, tanàna akaikin’i Memfisa. (Nahitana fatin’ombilahy sy ombivavy 60 mahery nokarakaraina mba tsy ho lo tao amin’ilay fasana, rehefa nosokafana izy io tamin’ny taonjato faha-19.) Nisy fombafomba be koa rehefa nisy ombilahy Apis vaovao nofidina sy nasandratra ho andriamanitra tao Memfisa. Izany angamba no nahatonga ny Israelita mpikomy hanao sarivongana zanak’omby volamena, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah. (Ek 32:4, 5) Maro be koa tao Memfisa no nivavaka tamin’i Astarta, andriamanibavin’ny firenen-kafa. Nisy tempoly ho an’ireo andriamanitra sy andriamanibavy ejipsianina toa an-dry Hathor, Amona, Imhotep, Isis, Osiris-Sokar, Anubis, ary ny hafa koa anefa tao. Nilaza Andriamanitra fa haringany ireny andriamanitra rehetra ireny, ary hopotehiny ny sampiny.​—Ezk 30:13.

Fasan’ny mpanjaka. Tanàn-dehibe tokoa i Memfisa taloha. Porofon’izany ireo toeram-pandevenana midadasika eo akaikiny, izay ahitana fasan’ny mpanjaka na piramida 20 eo ho eo. Hita taratra tamin’ny fanamelohan’i Hosea mpaminany an’ireo Israelita nivadika tamin’ny taonjato fahavalo T.K. koa, fa nisy fasan’ny mpanjaka tao Memfisa. Nilaza izy fa “hanangona azy ireo i Ejipta, ary i Memfisa kosa handevina azy.” (Ho 9:6) Anisan’ny piramida hita tao Sakkara, akaikin’i Memfisa, ny Piramida Mikitohatohatra naorin’i Djoser Mpanjaka (“Tarana-mpanjaka Fahatelo”). Io no voalohany amin’ireo zavatra naorina tamin’ny vato mifanaingina tsy nisy rihitra, fantatra hatramin’izay. Any andrefana avaratrandrefan’i Memfisa kosa no misy an’ireo piramida goavam-ben’i Guizèh sy ilay sarivongana ngezabe antsoina hoe Sphinx. Ireny fasana sy zavatra vita amin’ny vato ireny no ahitana fa nalaza teo amin’ny lafiny ara-pivavahana tokoa i Memfisa. ‘Igagan’ny olona’ fotsiny anefa ilay tanàna ankehitriny, araka ny efa voalaza mialoha.​—Je 46:19.