Menaka Fanosorana sy Zava-manitra
Mety ho menaka miempo rehefa ahosotra amin’ny hoditra ilay lazain’ny Hebreo hoe menaka fanosorana, na menaka namboarina izay mandry rehefa mangatsiaka ny andro.—Ek 30:25; Sl 133:2.
Ahosotra amin’ny tarehy sy vatana ary atao fanafody ny menaka fanosorana, na fahiny na ankehitriny. Mandray sy mitazona fofona mantsy ny menaka sy tavy, ka nafangaro zava-manitra mba hanaovana menaka manitra mamerovero izay lafo vidy. (To 1:3) Manadio sy manalefaka hoditra koa ny menaka. Nahatonga ny hoditra ho mandimandina fa tsy ho maina àry ny menaka manitra, ary nampiasaina ho fanalana fofona tany amin’ny tany mafana izay tsy nisy rano firy. Nahay nandray vahiny izay nanosotra menaka manitra an’ireo tonga nitsidika azy, araka ny tenin’i Jesosy momba an’ilay nanisy menaka manitra ny tongony.—Lk 7:37-46.
Ny hamono otrikaretina sy hanala fofona no tena antony nanosorana menaka manitra ny faty halevina. (2Ta 16:14; Lk 23:56) Toy ny hoe ‘nanomana ny fandevenana’ an’i Jesosy àry ilay nanosotra azy menaka manitra lafo vidy be tao an-tranon’i Simona boka. Namerovero eran’ny trano ilay menaka. (Mt 26:6-12; Jn 12:3) Natao tao anaty tavoahangy kely vatosanga tsara tarehy ny menaka manitra sarobidy, toy ilay narda nampiasaina tamin’izay.—Mr 14:3; jereo VATOSANGA.
Menaka masina fanosorana sy emboka manitra. Ilay menaka masina nanosorana sy nanamasinana ny fitaovan’ny tranolay masina sy ny mpisorona no menaka fanosorana resahin’ny Baiboly voalohany. (Ek 30:25-30) Tsy nisy olon-kafa nahazo nampiasa azy io, sao ho nomelohina ho faty. Masina mantsy ilay tranolay sy ireo nanompo tao.—Ek 30:31-33.
Natoron’i Jehovah an’i Mosesy ny akora hanaovana an’ilay menaka sy ny fatrany. Ireto “zava-manitra tsara indrindra” ireto ihany no nampiasaina: Miora, kanelina, harefo mani-pofona, kasia, ary menaka oliva faran’izay tsara. (Ek 30:22-24) Natoron’i Jehovah koa ny fanamboarana ny emboka manitra masina, izay hafakely fa tsy natao hodorana sy hanetroka fotsiny. (Ek 30:7; 40:27; Le 16:12; 2Ta 2:4; 13:10, 11) Nafangaro ny ditin-kazo stakite, onyka, galbanoma manitra, ary ditin-kazo manitra tsy misy fangarony, araka ny fatra natoron’Andriamanitra. “Zava-manitra mifangaro toy izay ataon’ny mpanamboatra menaka fanosorana” izy io, “eny, zava-manitra misy sira sy madio, ary ho zava-masina.” Nisy ampahany nototoina ho lasa vovony ka mety ho nosivanina mba tsy hisy mivaingambaingana. Novonoina ho faty izay olon-kafa nampiasa an’ilay emboka.—Ek 30:34-38.
Anisan’ny nanamboarana ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra ny menaka balsama. (Ek 25:6; 35:8, 28) Toa nototoina ho lasa vovony ireo zava-manitra nanaovana ny menaka masina fanosorana, ary nandrahoina tao anaty menaka. (Ampit. Jb 41:31.) Navela hihandrona teny ambany ny faikany, ary notantavanina ilay menaka.
Tsy andrankandrana no nanaovana ny menaka fanosorana sy emboka manitra, satria hoy i Jehovah: “Omeko talenta bebe kokoa izay rehetra efa manan-talenta, mba hanaovany ... ny menaka masina fanosorana, [sy] ny emboka manitra ho an’ny toerana masina.” (Ek 31:6-11; 35:10-15; 37:29; 39:33, 38) Nisy mpisorona àry notendrena hanamboatra menaka fanosorana sy hiandraikitra azy io. (1Ta 9:30; No 4:16) Tsy nahafaly an’i Jehovah intsony anefa ny fanamboarana sy fampiasana menaka masina fanosorana sy emboka manitra, rehefa nivadi-pinoana ny Israely.—Is 1:13.
Entam-barotra. Tsy tao amin’ny toerana masina ihany no nampiasana menaka fanosorana sy zava-manitra ary emboka manitra. Nisy “ny karazan-java-manitra” sy vovo-java-manitra Es 2:12; Sl 45:8; Oh 7:17; To 3:6, 7; 4:10) Na ny vehivavy aza nisy nahay nanamboatra azy ireny, fa tsy ny mpisorona ihany. Nanana fikambanana ny mpanamboatra menaka fanosorana, tamin’ny andron’i Nehemia.—1Sa 8:13; Ne 3:8.
rehetra tamin’ny andron’i Solomona, ary natao tamin’ny trano, akanjo, farafara, ary ny vatan’ny mpanjaka na olon-kafa nahavidy azy izy ireny. (Lasa entam-barotra ny menaka manitra sy zava-manitra ary ny akora nanamboarana azy satria tian’ny olona fahiny. Nentina avy lavitra matetika ny miora nanaovana menaka fanosorana, ny ditin-kazo manitra nanaovana emboka, mbamin’ny narda, safrona, fantàkamanitra, kanelina, aloesy, kasia, zava-manitra sy ditin-kazo isan-karazany, ary zavamaniry manitra izay nanamboarana menaka.—To 4:14; Ap 18:11, 13.