Menarana, Bibilava
[Heb.: nahash, tannin, tsefaʽ, tsifʽôhni; gr.: ôfis].
Biby mandady lavalava misy kirany, ary tsy misy tongotra na tanana. Mikisaka amin’ny kibony na tratrany izy rehefa mifindra toerana, ary akaikin’ny tany ny lohany ka toy ny milelaka vovoka ny lelany mivoaka miditra. (Ge 3:14) Misy karazany 30 mahery any Israely.
Anarana iombonan’ny bibilava rehetra na izay mitovitovy aminy ny hoe nahash (heb.), ka matetika no ampiarahina amin’ny teny hebreo hafa ilazana karazana bibilava iray. (Sl 58:4; 140:3; Oh 23:32) Noharina tamin’ny “bibilava [nahash]” aloha, ohatra, ny fokon’i Dana, avy eo tamin’ny “bibilava misy tandroka [shefifôn]” eo amoron-dalana namely ny fahavalon’ny Israely. (Ge 49:17) Mifanitsy amin’ilay anarana iombonana hoe ôfis (gr.) ny hoe nahash. Tsy misy poizina ny bibilava maro any Israely izao, saingy ny bibilava resahin’ny Baiboly kosa nampidi-doza na nisy poizina.
Ilazana bibilava misy poizina, hoy ny mpanao diksionera, ny teny hebreo hoe tsefaʽ sy tsifʽôhni, izay angamba mitovitovy amin’ny sioka fanaon’ny bibilava rehefa hatonina ny fanononana azy. Tsy tena fantatra anefa hoe inona ireo bibilava misy poizina ireo.
Tannin (heb.) kosa no nampiasain’i Mosesy, tamin’izy nitantara ny nanovana ny tehiny ho bibilava. (Ek 7:9-13) “Bibilava ngezabe” no dikany eo, matoa nadika hoe biby goavam-be any an-dranomasina izy io any amin’ny andininy hafa. (Ge 1:21; Jb 7:12; Sl 74:13; 148:7; Is 27:1; 51:9) Ilazana bibilava misy poizina izy io, rehefa miresaka kôbrà koa ilay andininy. (De 32:33; Sl 91:13) Nisy loharano tany akaikin’i Jerosalema nantsoina hoe “Loharanon’ny Bibilava Be” taorian’ny sesitany.—Ne 2:13.
Resahin’ny andininy vitsivitsy ny tena mampiavaka ny bibilava: Mitsoriaka (Jb 26:13), manaikitra sy miafina anaty manda vato (Mpto 10:8, 11; Am 5:19), ary malina (Ge 3:1). Malina tokoa ny bibilava, ka nampirisihin’i Jesosy ho toy izany ny mpianany rehefa eo anivon’ny mpanohitra izay toy ny amboadia.—Mt 10:16.
Niresaka momba ny fahamalinan’ny bibilava i H. Parker, manam-pahaizana anglisy fanta-daza momba ny biby. Hoy izy: “Mody manafika ny bibilava amin’ny voalohany, na dia rehefa tsy misy azony atao intsony aza hiarovany ny tenany. Miantoraka imbetsaka izy sady toy ny hoe masiaka be, nefa tsy tonga hatreny amin’izay kendreny sady tsy sokafany akory ny vavany indraindray. Vahany moramora koa matetika ny rambony mihorongorona, mba ho vonona hitsoaka haingana izy raha toa mihemotra ilay fahavalo. Rehefa tena manafika anefa izy, dia hoatran’ny fanaony rehefa miaro ny hazany ihany no ataony saingy masiaka kokoa izy. Lasa manaikitra imbetsaka na mamiravira an’ilay manafika azy ny bibilava sasany, na dia fanaony aza ny manaikitra ary avy eo mamela an’ilay nokaikeriny, na mangeja azy io fotsiny.”—Tantaran’ny Zavaboary: Bibilava, 1977, p. 49.
Mpibaiko bibilava. Mety hampiasa herin’ny maizina izy, ary manahaka ny nataon’ny mpivavaka tamin’ny bibilava fahiny. Lasa toy ny hoe azon’ody ilay bibilava (kôbrà matetika) rehefa mitsoka zavamaneno toy ny sodina ilay mpibaiko, ka finaritra erỳ ilay biby mihaino an’ilay mozika. Tsy marenina na lalodalovana toy ny fiheveran’ny sasany azy ny bibilava, fa afaka mandre mozika sy ny feon’ny mpibaiko azy, araka ny resahin’ny Salamo 58:4, 5 an-kolaka. Mety hisy hihevitra fa mahay mamolaka bibilava toy ny mamolaka vorona na biby hafa fotsiny ilay olona: Ataony anaty harona misarona ilay bibilava, dia tsofiny ny mozika malefaka, ary tsindriany haingana ilay sarony raha vao mitady handositra ilay bibilava, mandra-pahaizan’izy io mitraka fa tsy mitsoaka rehefa mahare an’ilay mozika. Mety ho marina izany fiheverana izany, nefa matetika ilay mpibaiko no mampiasa herin’ny maizina.
Efa nisy hatry ny ela io fampiasana herin’ny maizina io, matoa izy io resahin’ny Baiboly.—Sl 58:4, 5; Mpto 10:11; Is 3:3; Je 8:17.
Heviny an’ohatra. Miresaka bibilava an’ohatra ny andininy maro: Toy ny poizin’izy io ny laingan’ny ratsy fanahy (Sl 58:3, 4), manindrona toy ny lelany ny teny masiaka ataon’ny mpanao teti-dratsy (Sl 140:3), ary manaikitra tahaka ny menarana ny divay be loatra (Oh 23:32). Tsy niharan’ny herisetra na nijaly intsony ny vahoakan’i Jehovah nody tany amin’ny taniny no dikan’ny hoe ‘vovoka no sakafon’ny bibilava.’—Is 65:25.
Miresaka bibilava an’ohatra koa ny fanamelohan’Andriamanitra ny firenena sasany toa an’i Filistia Is 14:29), Joda nivadika (Je 8:17), ary Ejipta (Je 46:22). Lazaina fa hoatran’ny feona bibilava ny feon’i Ejipta, angamba satria somary misioka ny bibilava mandositra rehefa resy, na satria iva kely ny feon’ilay firenena rehefa iharan-doza. Tiana haseho koa angamba hoe tsy naharo an’ireo Faraon’i Ejipta akory ilay sarina bibilava masina famantarana ny andriamanibavy-bibilava Ouadjet, izay napetaka teo amin’ny satroboninahiny. Voalaza fa tsy maintsy “hilelaka vovoka toy ny bibilava” ny firenena rehetra manohitra ny vahoakan’Andriamanitra.—Mi 7:17; jereo koa Am 9:3.
(Noharin’ny mponin’i Ziona tamin’ny “bibilava ngezabe” nitelina azy i Nebokadnezara Mpanjaka.—Je 51:34.
Satana Devoly. Antsoin’ny Apokalypsy 12:9 sy 20:2 hoe “ilay menarana tany am-boalohany” i Satana, ilay lehiben’ny mpanohitra an’Andriamanitra. Nampiasa menarana ara-bakiteny hiresahana tamin’i Eva mantsy izy tany Edena (Ge 3:1-15), ary azo lazaina hoe rain’ny mpanohitra hafa rehetra izy. Nantsoin’i Jesosy hoe “bibilava, taranaky ny menarana” àry izy ireny.—Mt 23:33; ampit. Jn 8:44; 1Jn 3:12.
Teo anivon’ny fivavahan-diso. Marika fampiasan’ny mpanompo sampy ny bibilava sady matetika nivavahana. (SARY, Boky Faha-2, p. 530) Mariky ny fiterahana maro sy ny andriamanibavin’ny firaisana ny bibilava, tany Mezopotamia sy Kanana ary Ejipta. Nampisehoana ny fahafaha-miteraka aorian’ny fanaovana firaisana ny sarin’ny bibilava roa mifamatotra. Mariky ny fiainana mitohy koa ny bibilava, satria miofo matetika izy.
Tian’i Hezekia Mpanjaka hofongorana ny fivavahana tamin’ny bibilava tao amin’ny fanjakany, ka notorotoroiny ilay bibilava varahina nataon’i Mosesy fony nokaikerin’ny bibilava misy poizina ny Israelita tany an-tany efitra.—No 21:6-9; 2Mp 18:4; jereo BIBILAVA MISY POIZINA; BIBILAVA VARAHINA.