Mene
(Menè).
Ny teny voalohany tamin’ny hafatra saro-pantarina niseho tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny rindrin’ny lapan’i Belsazara Mpanjaka tany Babylona, tamin’izy nanao fety ny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. (kalandrie gregorianina), taloha kelin’ny nandravan’ny Medianina-Persianina an’ilay tanàna. Nampian’i Jehovah i Daniela ka hainy ny namaky sy nanazava ny dikan’ilay soratra teo hoe: “MENE, MENE, TEKELA, ary PARSINA.” (Da 5:25) Toa renisoratra daholo ilay izy, ka nilaina ny nahafantatra ny zanatsoratra niaraka taminy sy ny dikany. Izao no dikan’ilay izy, raha ara-bakiteny: “Mina iray, mina iray, sekely iray, ary antsasa-tsekely.”
Nanazava aloha i Daniela hoe: “Izao no hevitr’ilay teny: MENE: Nisain’Andriamanitra ny andro naharetan’ny fanjakanao ka faranany.” (Da 5:26) Na izay fotsiny aza dia efa tokony ho nazava tamin’i Belsazara Mpanjaka. Ny nanongana an’i Nebokadnezara, mpanjaka nahery noho i Belsazara, aza vitan’i Jehovah, koa mainka fa ny hamarana ny fanjakan’i Belsazara sy Nabonida rainy, izay niara-nitondra taminy! Vitan’i Jehovah ny mamarana ny fitondran’ilay tarana-mpanjaka. Miverina indroa ilay hoe “MENE”, angamba satria niantefa tamin’i Nabonida sy Belsazara, izay samy mpitondra tao Babylona, ilay hafatra. Indray mandeha monja anefa i Daniela no nampiasa ny hoe “MENE” tao amin’ny fanazavany, satria mety ho i Belsazara irery no teo.
Tsy resahin’ny Baiboly hoe nahoana no tsy nisy nahay namaky an’ilay soratra ny olon-kendrin’i Babylona. (Da 5:8) Saro-pantarina angamba ilay izy, na mety ho nosoratana tamin’ny litera na fiteny tsy hain’izy ireo.