Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Menokota

Menokota

(Menokòta) [Toeram-pialan-tsasatra].

Fianakaviana jodianina taranak’i Sobala, araka ny soratra nataon’ny Masoreta. (1Ta 2:4, 52) Nisy manam-pahaizana nanitsy anefa ilay teny hebreo ka nataony hoe “Manahatita” toy ilay eo amin’ny andininy faha-54. (JB; “Manahetita”, DIEM) Izao kosa no nandikan’ireo mpamakafaka ny bokin’ny Tantara an’io ampahany io: “Ilay niandraikitra ny antsasaky ny toeram-pialan-tsasatra.” Ary nomarihiny hoe: “Tao Joda, dia i Sobala no niandraikitra ny antsasak’ireo toerana fitobian’ny mpanao dia lavitra.”​—Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1952, p. 15.