Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Meonita

Meonita

(Meônìta).

Mety ho firenena arabo nonina tao amin’ny tanànan’i Maʽan na ny manodidina azy, 32 km teo ho eo atsinanana atsimoatsinanan’i Petra.

Nampian’i Jehovah i Ozia mpanjakan’ny Joda (829-778 T.K.), ka resiny ny Meonita. (2Ta 26:1, 7) Natao andevo tao amin’ny tempoly angamba ny Meonita babo sasany tamin’izay. Anisan’ireo Netinima niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona àry ny taranak’izy ireo.​—Ezr 2:1, 2, 43, 50; Ne 7:52; ampit. Sl 68:18.

Nisy Simeonita namely ny Hamita sy ny Meonita, teny akaikin’i Gedora, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka (745-717 T.K.).​—1Ta 4:24, 39-41; jereo AMONIMA.