Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Meraba

Meraba

(Meràba) [avy amin’ny fototeny midika hoe “lasa maro (betsaka)”].

Ilay zokiny amin’izy roa vavy zanak’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 14:49) Azo inoana fa nampanantena ny hanome ny iray amin’izy roa ho vadin’izay naharesy an’i Goliata i Saoly. (1Sa 17:25) Mety ho izay no antony nikasany hanome an’i Meraba ho an’i Davida. Nandresy an’i Goliata tokoa i Davida, sady hita hoe malina sy mpiady nahery rehefa niady tamin’ny Filistinina. ‘Natahoran’i’ Saoly àry izy, fa ny Israely sy Joda kosa tia azy. (1Sa 18:15, 16) Nikasa hanome an’i Meraba ho an’i Davida i Saoly, fa nampirisihany fotsiny izy mba hahery fo foana. Nanantena mantsy izy fa ho faty an’ady i Davida. Hoy izy: “Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa ny tanan’ny Filistinina.” Nisalasala ny ho lasa vinanton’ny mpanjaka i Davida, satria nanetry tena. Tsy nitana ny teniny akory anefa i Saoly, ka tsy lasa vadin’i Davida mihitsy i Meraba. Voalaza fa “raiki-pitia tamin’i Davida” i Mikala zandrin’i Meraba. Toa midika izany fa tsy tia an’i Davida i Meraba. “Tamin’ny fotoana hanomezana an’i Meraba zanakavavin’i Saoly ho an’i Davida ..., dia efa nomena ho vadin’i Adriela Meholatita izy.”​—1Sa 18:17-20.

Niteraka dimy lahy tamin’i Adriela i Meraba. Tatỳ aoriana anefa, dia natolotr’i Davida tamin’ny Gibeonita izy dimy lahy ireo sy roa lahy hafa taranak’i Saoly. Novonoin’ny Gibeonita izy fito lahy ireo, ho fandrakofana ny fahotan’i Saoly, noho izy nitady handripaka tanteraka an’ireo Gibeonita teo aloha.​—2Sa 21:1-10.

Notezain’ny rahavaviny ny zanak’i Meraba. Miresaka momba “ny zanak’i Mikala zanakavavin’i Saoly, dia izy dimy lahy naterany tamin’i Adriela”, ny soratra nataon’ny Masoreta. (2Sa 21:8) Voalaza anefa fa maty tsy niteraka i Mikala. (2Sa 6:23) Niezaka namaha izany hevitra mifanipaka izany ny mpanao dika soratra sasany, ka novany hoe Meraba ilay hoe Mikala ao amin’ny 2 Samoela 21:8. Toa izany no nitranga raha jerena ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (fanontana Lagarde) sy sora-tanana hebreo roa, izay samy nanonona an’i “Meraba” eo amin’io andininy io. Izao anefa no fanazavana ny 2 Samoela 21:8 efa hatry ny ela, ary hita saika ao amin’ny sora-tanana hebreo hafa rehetra mihitsy:

Vadin’i Adriela i Meraba, rahavavin’i Mikala, ary niteraka an’ireo dimy lahy ireo taminy. Maty tanora anefa izy ka notezain’i Mikala rahavaviny izy dimy lahy. I Mikala rahateo efa nolavin’i Davida ka tsy niteraka. Lazaina hoe zanak’i Mikala àry izy ireo fa tsy zanak’i Meraba. Mifanaraka amin’izany ny fomba nandikan’i Isaac Leeser an’io 2 Samoela 21:8 io hoe: “Ary koa izy dimy lahy zanak’i Mikala zanakavavin’i Saoly, dia ireo zanak’i Adriela izay notezainy.” Toy izao koa no voalazan’ny fanamarihana ambany pejy, eo amin’io andininy io: “Vadin’i Davida i Mikala, fa ireo zaza ireo kosa zanak’i Meraba, vavimatoan’i Saoly. Angamba notezain’ny rahavaviny izy ireo.” Hoy ny Targoma: “Izy dimy lahy naterak’i Meraba (ary notezain’i Mikala, zanakavavin’i Saoly).” Mety hisy antony hafa tsy voalazan’ny Soratra Masina anefa mety ho nahatonga an’ilay andinin-teny ho toy izay voasoratra ao.