Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Meraiota

Meraiota

(Meraiòta) [mety hidika hoe Ireo Mpikomy].

1. Mpisorona taranak’i Arona avy tamin’i Eleazara. Antsoina hoe “zanak’i Zerahia” i Meraiota.​—1Ta 6:3-7, 52; Ezr 7:3, 4.

2. Mpisorona nantsoina hoe “zanak’i Ahitoba mpitarika tao an-tranon’Andriamanitra.” Toa izy no rain’i Zadoka.​—1Ta 9:10, 11; Ne 11:11.

3. Razamben’ny fianakaviamben’ny mpisorona teo ambany fiadidian’i Helkay, tamin’ny andron’i Joiakima. (Ne 12:12, 15) “Meraiota” no nanjary anaran’io fianakaviambe io rehefa tafaverina avy tany an-tsesitany tany Babylona ny Jiosy. Mety ho anarana iray ihany ny hoe “Meraiota” sy “Meremota”, saingy misy tsy fitoviana kely fotsiny. Mpisorona niaraka tamin’i Zerobabela nankany Jerosalema i Meremota, tamin’ny 537 T.K.​—Ne 12:1, 3.