Merataima
(Meratàima) [mety hidika hoe Fikomiana Avo Roa Heny].
Teny ilazana an’i Babylona, na angamba faritra iray tany Babylonia. (Je 50:21, 23, 24) Mety ho io ilay lazain’ny soratra babylonianina hoe nar marrato, izany hoe ilay toerana ivarinan’ny Reniranon’i Tigra sy Eofrata ao amin’ny Hoala Persika. Azo inoana fa nanaovana tsilalaon-teny ilay matoanteny hebreo hoe marah (mpikomy). Avy amin’ny hoe marah ny hoe Merataima, saingy ilazana zavatra avo roa heny. Toa midika izany fa lehibe tokoa ny fikomian’i Babylona. Efa nikomy tamin’i Jehovah rahateo i Babylona, hatramin’ny andron’i Nimroda, izay nanorina azy io.—Ge 10:8-10.