Meremota
(Meremòta).
1. Anisan’ny filohan’ny mpisorona niala tany Babylona ka niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela, tamin’ny 537 T.K. (Ne 12:1-7) Nantsoina hoe “Meraiota” ny iray tamin’ireo fianakaviamben’ny mpisorona teo amin’ny taranaka nanaraka, ary mety ho i Meremota no razamben’io fianakaviambe io. (Ne 12:15) Mitovy mantsy ny fanoratana ny anaran’i Meremota sy Meraiota amin’ny teny hebreo.
2. Zanak’i Oria sady mpisorona nitana andraikitra lehibe tamin’ny andron’i Ezra sy Nehemia. Anisan’ny mpisorona nasaina niandraikitra ‘ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana nolanjaina’ tao an-tranon’i Jehovah i Meremota, tamin’ny 468 T.K., rehefa tonga tao Jerosalema i Ezra sy ny Jiosy hafa mbola tany Babylona. (Ezr 8:31-34) Taranak’i Hakoza i Meremota. Nisy tamin’ny taranak’i Hakoza tsy afaka nanamarina ny razambe niaviany. (Ezr 2:61, 62) Ny fizarana nisy an’i Meremota kosa afaka nanao izany, matoa i Meremota nanao asa fisoronana. Anisan’ireo nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema koa izy, teo ambany fiandraiketan’i Nehemia.—Ne 3:3, 4, 21.
3. Mpisorona, na razamben’ny iray tamin’ireo nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana”, tamin’ny andron’i Nehemia.—Ne 9:38–10:5.
4. Lehilahy israelita. Anisan’ny “taranak’i Bany” nanambady vehivavy hafa firenena izy, nefa nanaiky handroaka an’ireny “niaraka tamin’ny zanany”, tamin’ny andron’i Ezra.—Ezr 10:25, 34, 36, 44.