Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Meriba

Meriba

(Merìba) [Fifandirana].

1. Toerana akaikin’ilay nitobian’ny Israelita tao Refidima, tany an-tany efitra. Tao i Jehovah no nanao fahagagana ka nanome rano, rehefa nokapohin’i Mosesy tamin’ny tehiny ilay harambato tao Horeba. “Masa” (midika hoe “Fitsapana; Fisedrana”) sy “Meriba” (midika hoe “Fifandirana”) no niantsoan’i Mosesy an’io toerana io. Natao hahatsiarovana ny nifandiran’ny Israely tamin’i Mosesy sy ny nitsapan’izy ireo toetra an’Andriamanitra noho ny tsy fisian-drano ireo anarana ireo.​—Ek 17:1-7.

2. “Meriba” koa no niantsoana ny toerana iray tany akaikin’i Kadesy, satria nifanditra tamin’i Mosesy sy Jehovah koa ny Israely noho ny tsy fisian-drano tao. (No 20:1-13) Meriba fotsiny fa tsy nampiana hoe Masa ny anaran’io toerana tany akaikin’i Kadesy io, tsy mba toy ilay Meriba tany akaikin’i Refidima, izay nitobian’ny Israelita taorian’ny roa volana latsaka nialany tany Ejipta. (Ek 16:1; 17:1; 19:1) “Ny ranon’i Meriba” (Sl 106:32) na “ranon’i Meriba tao Kadesy” (No 27:14; De 32:51) no anavahan’ny Soratra Masina azy io amin’ilay iray. Lazain’ny Salamo 81:7 fa nandinika ny Israely teo amin’ny “ranon’i Meriba” i Jehovah. Mety ho izay nitranga teo amin’ilay Meriba tany akaikin’i Refidima anefa no tiany holazaina eo.​—Ampit. De 33:8.

Tsy nanamasina an’i Jehovah i Mosesy sy Arona tamin’ilay fahagagana nahazoana rano tao Meriba any Kadesy. Tsy nahazo niditra ny Tany Nampanantenaina àry izy roa lahy. Toa tamin’ny taona faha-40 nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra izany no nitranga.​—No 20:1, 9-13, 22-28; 33:38, 39.