Meroma, Ranon’i
(Meròma) [Toerana Avo (Misandratra)].
Toerana nitobian’ireo tafika kananita niray dina tamin’i Jabina mpanjakan’i Hazora, talohan’ny nandresen’i Josoa azy ireo. Toa vao sambany ny Israelita no nifanandrina tamin’ny Kananita nitaingin-tsoavaly sy nitondra kalesy, matoa nomen’Andriamanitra toromarika i Josoa mba handoro an’ireo kalesy sy hanapaka ny hoza-tongotry ny soavaly.—Js 11:1-9.
Hoy i Y. Aharoni: “Tsy maintsy ho ilay loharano tao amin’ny tanànan’i Meroma, ny ‘ranon’i Meroma’, ary teo akaikin’izy io no nitoby ireo tafika kananita. Miresaka an’i Meroma ireo asa soratra ejipsianina tany amin’ny 2 000 taona T.K. tany ho any ... sy ny fitantaran’i Tiglato-pilesera III momba ny diany tany Galilia ... Maro no mihevitra an’i Meroma ho i Meiron eo am-pototr’i Jebel Jarmak. Tsy misy dongon-tany mifanentana amin’ilay tantara anefa eo amin’io toerana io ka mety ho tany avarabaratra kokoa no nisy an’i Meroma. Mbola ahitana ny anarany ao amin’ny hoe Jebel Marona sy Marona er-Ras. Mety hilaza àry isika hoe i Meroma dia i Tell el-Kirbeh, anisan’ny dongon-tany kananita lehibe, any amin’ny faritra atsimon’ny Galilia Ambony, izay an’ny Kananita. Tokotokony ho 11 km na 13 km avy eo Hazora ireo toerana roa heverina fa nisy an’i Meroma ireo, raha refesina mahitsy.”—Ilay Tany Resahin’ny Baiboly, nadika sy nataon’i A. Rainey, 1979, p. 225, 226.