Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Meroza

Meroza

(Meròza).

Toerana nozonin’ny anjely iray satria tsy mba tonga “nanampy an’i Jehovah” ny mponina tao. (Mpts 5:23) Tsy nanampy an’i Baraka mpitari-tafika notendren’i Jehovah angamba ny mponina tao Meroza tamin’ilay ady nataony tamin’ireo Kananita notarihin’i Sisera. (Mpts 5:5-16) Na raha teo amin’ny lalana nandosiran’i Sisera no nisy an’i Meroza, dia angamba tsy nihazona azy ny mponina tao. (Mpts 4:17) Mety ho ilay hevitra faharoa no mitombina kokoa satria ny herim-pon’i Jaela tamin’izy namono an’i Sisera no tantarain’ny Baiboly avy eo. (Mpts 5:24-27) Mety ho ilay anjely niady ho an’ny Israely ihany ilay anjely nanozona.

Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Meroza. Misy anefa milaza azy io ho i Kirbet Marosa, tokotokony ho 8 km any atsimon’i Kedesy any amin’ny faritanin’ny fokon’i Naftaly.