Mesaka
(Mesàka).
Anarana babylonianina nomen’ny lehiben’ny tandapan’i Nebokadnezara an’i Misaela, naman’i Daniela. Tsy tena fantatra ny dikan’ilay anarana, fa mety ho nisy ny anaran’ilay andriamanitra somerianina hoe Akou izy io.
Tanora tsy nivadika. Anisan’ireo azo babo tao Jerosalema, ka nentina tany Babylona niaraka tamin-dry Joiakina i Mesaka (Misaela), tamin’ny 617 T.K. Nasain’ny mpanjakan’i Babylona nampiofanina nandritra ny telo taona i Misaela, Azaria, Hanania, ary Daniela. Rehefa nifarana izany, dia hita fa nahay lavitra noho ireo mpanolo-tsain’ny mpanjaka izy efa-dahy. (2Mp 24:1, 6, 8, 12-16; Da 1:1-7, 17-20) Narahin’izy ireo foana ny fitsipik’Andriamanitra nandritra ilay fampiofanana. Tsy nanaiky handoto tena tamin’ny hanim-py fihinan’ny mpanjaka mihitsy aza izy ireo.—Da 1:8-16.
Ireto angamba no antony nandavan’izy ireo an’izany: 1) Biby lazain’ny Lalàn’i Mosesy hoe maloto no nohanin’ny Babylonianina; 2) tsy nalatsa-dra tsara ireo biby, fa mety ho nokendaina fotsiny ny sasany; 3) nataon’ny mpanompo sampy sorona ho an’andriamaniny aloha ireo biby, ary noheveriny ho anisan’ny fivavahana tamin’ireny andriamaniny ireny ny fihinanana ny henan’ireo biby.—Da 1:8; ampit. 1Ko 10:18-20, 28.
Lasa nanana toerana ambony tao an-dapan’i Nebokadnezara Mpanjaka i Daniela, tatỳ aoriana. Nanao fangatahana tamin’ilay mpanjaka izy avy eo, ka notendren’izy io hitantan-draharaha teo amin’ny faritanin’i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.—Da 2:48, 49.
Tsy nety niankohoka tamin’ilay sarivongana. Nisarika ny sain’i Nebokadnezara indray i Mesaka sy ny namany roa lahy, tamin’izy ireo tsy nety niankohoka tamin’ilay sarivongana ngezabe niaraka tamin’ny manam-pahefana rehetra. Natoky tanteraka an’i Jehovah anefa izy telo lahy, ka nilaza tamin’i Nebokadnezara fa tsy hanompo an’ireo andriamaniny. Tsy nanaiky lembenana izy ireo fa tapa-kevitra ny tsy hivadika, na hamonjy azy ireo avy ao amin’ny lafaoro ny Andriamaniny na tsia. (Resahin’ny He 11:34, 35 fa nisy “nahatohitra ny herin’ny afo”, ka “tsy nanaiky hafahana tamin’ny alalan’ny vidim-panavotana, mba hahazoany fitsanganana tsara kokoa.”) Tezitra be i Nebokadnezara, ka nasainy nohafanaina avo fito heny noho ny mahazatra ilay lafaoro, talohan’ny hanipazana azy telo lahy tao. Tena nanam-pinoana anefa izy ireo, ka nirahin’i Jehovah ny anjeliny hiaro azy. “Tsy nisy fofon’afo akory taminy” rehefa nivoaka avy tao amin’ilay lafaoro izy ireo. Niaiky àry i Nebokadnezara fa mahavonjy tokoa ilay Andriamanitr’izy ireo. Namoaka didy koa izy fa hotapahina hatao tsy hisy rantsambatana intsony izay miteny manohitra an’ilay Andriamanitr’i Mesaka, ary hatao kabinem-bahoaka ny tranony.—Da 3:1-30.