Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Meseka

Meseka

(Mesèka).

1. Iray amin’ireo zanakalahin’i Jafeta zanak’i Noa, teraka taorian’ny Safodrano. (Ge 10:2; 1Ta 1:5) Nampitondraina ny anarany koa ny taranany sy ny tany nonenan’izy ireo. Miara-voatonona amin’i Tobala foana i Meseka, ao amin’ny faminanian’i Ezekiela. Midika izany fa tany avaratr’i Palestina izy ireo. Nanondrana andevo sy varahina tany Tyro izy ireo, tia ady, ary mpomba an’i ‘Goga avy any Magoga’ na nofeheziny, araka ilay faminaniana momba ny fanafihan’i Goga an’ireo “tendrombohitr’i Israely.” (Ezk 27:13; 32:26; 38:2, 3; 39:1, 2; jereo GOGA No. 2.) I Meseka irery ihany, fa tsy i Tobala, no resahin’ny Salamo 120:5, mba hilazana firenena tia ady sy lozabe.

Nanomboka niresaka momba ny firenena iray antsoina hoe Mosko tany Azia Minora, tany andrefan’i Asyria, ny soratra asyrianina, 1 000 taona teo ho eo taorian’ny Safodrano. Samy nilaza koa ry Tiglato-pilesera I sy Tokolti-Ninorta II sy Asoronasirpala II ary Sargona, mpanjaka asyrianina, fa niady tamin’io firenena io. Miara-voatonona matetika amin’ny hoe Tabali (azo inoana fa ilay resahin’ny Baiboly hoe Tobala) ny hoe Mosko. Toa avy amin’ny hoe Meseka àry ny hoe Mosko. Miara-voatonona ao amin’ny asa soratr’i Hérodote (III, 94) koa ny hoe Mosky sy Tibareny.

Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa ny Frijianina no Mosko. Toa nifehy ny faritra andrefana sy afovoan’i Azia Minora ny Frijianina tamin’ny faramparan’ny taonarivo faharoa T.K. Milaza koa ny manam-pahaizana sasany fa i Midas mpanjakan’i Frijia no ilay Mita mpanjakan’i Muski noresahin’i Sargona mpanjaka asyrianina. Nanjaka tamin’ny andron’i Sargona i Midas, hoy ny lovantsofina grika.

2. Lazain’ny 1 Tantara 1:17 ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta fa taranak’i Sema i Meseka. Milaza anefa ny Genesisy 10:23 fa i “Masy” io Meseka io.