Mesia
(Mesìa).
Avy amin’ny matoanteny fototeny hebreo hoe mashah, izay midika hoe ‘manosotra.’ (Ek 29:2, 7) Midika hoe “voahosotra” ny hoe Mesia (mashiah). Kristôs, na Kristy, kosa izy io amin’ny teny grika.—Mt 2:4.
Olona maro no nantsoina hoe mashiah (mpamari-toetra), ao amin’ny Soratra Hebreo. Nohosorana menaka, ohatra, i Davida tamin’izy voatendry ho mpanjaka, ka nolazaina hoe ‘voahosotra’ (a.b.t.: mesia). (2Sa 19:21; 22:51; 23:1; Sl 18:50) Nantsoina koa hoe ‘voahosotra’ na “voahosotr’i Jehovah” ny mpanjaka hafa toa an’i Saoly sy Solomona (1Sa 2:10, 35; 12:3, 5; 24:6, 10; 2Sa 1:14, 16; 2Ta 6:42; Ft 4:20), sy ny mpisoronabe. (Le 4:3, 5, 16; 6:22) Nantsoina hoe ‘voahosotr’i’ Jehovah koa i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. (1Ta 16:16, 22) ‘Voahosotra’ i Kyrosy mpanjaka persianina, satria notendren’Andriamanitra hamita iraka.—Is 45:1; jereo VOAHOSOTRA, FANOSORANA.
Ahoana kosa ny ao amin’ny Soratra Grika Kristianina? Hita ao amin’ny Jaona 1:41 ny teny grika hoe Messias, sy ny fanazavana hoe: “na Kristy, raha adika.” (Jereo koa Jn 4:25.) Mandeha irery indraindray ny hoe Kristôs, ary ilazana ny Mesia na ilay Voahosotra, na izay mihambo ho Kristy. (Mt 2:4; 22:42; Mr 13:21) Miaraka amin’ilay anarana hoe Jesosy anefa ny hoe Kristôs amin’ny ankapobeny, toy ny hoe “Jesosy Kristy”, na “Kristy Jesosy” mba hilazana fa izy no Mesia. Atao hoe Kristôs fotsiny anefa i Jesosy indraindray, satria izy mihitsy no Kristy. Voalaza, ohatra, hoe: “Maty ho antsika i Kristy.”—Ro 5:8; Jn 17:3; 1Ko 1:1, 2; 16:24; jereo KRISTY.
Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo. Ilay Mesia ho avy ihany no lazain’ny Daniela 9:25, 26 hoe mashiah. (Jereo FITOPOLO HERINANDRO.) Misy faminaniana maro hafa koa anefa tanteraka tamin’io Mesia io, na dia efa tanteraka tamin’ny olon-kafa aza. Tanteraka tamin’i Davida voahosotra ho mpanjaka, ohatra, ny Salamo 2:2, rehefa nitady hanongana azy ny mpanjaka filistinina. Tanteraka tamin’i Jesosy Kristy, na ilay Mesia, koa anefa izy io, araka ny hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:25-27. Maro koa ny lehilahy nolazaina fa “voahosotra”, ary anisan’izy ireny i Davida sy ny mpisoronabe teo amin’ny Israely ary Mosesy (lazaina hoe “Kristy” ao amin’ny He 11:23-26, Prot.). Mifanitsy amin’izy ireny i Jesosy Kristy, ary mifanitsy amin’izay nataon’izy ireny ny anjara asany sasany.
Faminaniana tsy ahitana hoe “Mesia.” Misy andininy maro hafa ao amin’ny Soratra Hebreo tsy ahitana hoe “Mesia”, nefa neken’ny Jiosy fa faminaniana momba ny Mesia. Nilaza i Alfred Edersheim, mpahay tantara, fa misy andininy 456 nolazain’ny “Synagoga fahiny hoe faminaniana momba ny Mesia”, ary im-558 ny asa soratra tranainy indrindra nataon’ny raby no manamafy izany. (Ny Andron’i Jesosy Ilay Mesia sy ny Fiainany, 1906, Boky I, p. 163; Boky II, p. 710-737) Milaza, ohatra, ny Genesisy 49:10 fa homena ny fokon’i Joda ny tehim-panjakana, ary ho avy amin’io foko io i Silo. Samy milaza ny Targoman’i Onkelos, ny Targoman’i Jerosalema, ary ny Midrash fa ny Mesia ilay “Silo.”
Resahin’ny faminaniana maro ao amin’ny Soratra Hebreo ny mombamomba ny Mesia, ny fotoana hisehoany, ny zavatra hataony, ny fomba hitondran’ny olona azy, ary ny anjara toerany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Ireny rehetra ireny mitambatra no manampy ny mpanompon’Andriamanitra hahafantatra hoe iza no Mesia, sy hino fa izy ilay tena Mpitarika nirahin’i Jehovah. Tsy fantatry ny Jiosy mialoha daholo ireo faminaniana momba ilay Voahosotra. Asehon’ireo Filazantsara anefa fa nisy maromaro fantany ihany, izay nanampy azy hahalala an’ilay Mesia rehefa tonga izy io.
Fomba fihevitra momba ny Mesia tamin’ny taonjato voalohany. Ao amin’ny Filazantsara no tena ahitana ny fiheveran’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny Mesia.
Mpanjaka sady zanak’i Davida. Ninoan’ny ankamaroan’ny Jiosy fa mpanjaka taranak’i Davida ny Mesia. Fantatr’i Heroda Lehibe, ohatra, fa i “Kristy” ilay “nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy” no tian’ny mpanandro ho fantatra. (Mt 2:2-4) Nanontanian’i Jesosy ny Fariseo hoe zanak’iza i Kristy, na Mesia. Fantatr’izy ireo fa zanak’i Davida ny Mesia, na dia tsy nino an’i Jesosy aza izy ireo.—Mt 22:41-45.
Teraka ao Betlehema. Milaza ny Mika 5:2, 4 fa avy ao Betlehema ilay ho “mpitondra eo amin’ny Israely”, ary “ho tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny fahefany.” Nino ny Jiosy fa ny Mesia izy io. Nanontanian’i Heroda Lehibe, ohatra, ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hoe aiza ny Mesia no ho teraka. Hoy izy ireo: “Ao Betlehema any Jodia”, sady noresahiny ny voalazan’ny Mika 5:2. (Mt 2:3-6) Na ny olon-tsotra koa aza nahalala izany.—Jn 7:41, 42.
Mpaminany hanao famantarana maro. Nolazain’i Mosesy fa haniraka mpaminany lehibe Andriamanitra. (De 18:18) Niandry azy io ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. (Jn 6:14) Naverin’ny apostoly Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:22, 23 ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 18:18. Fantany mantsy fa na ireo mpanohitra aza nino hoe faminaniana momba ny Mesia izy io, ary nino izany koa ny ankamaroan’ny Jiosy. Nino koa ilay vehivavy samaritanina teo am-pantsakana fa mpaminany ny Mesia. (Jn 4:19, 25, 29) Nanantena ny Jiosy fa hanao famantarana ny Mesia.—Jn 7:31.
Fomba fihevitra samihafa momba ny Mesia. Fantatry ny ankamaroan’ny Jiosy fa ho avy ny Mesia. Tsy nitovy anefa ny zavatra fantatr’izy ireo sy ny heviny momba ny Mesia. Maro, ohatra, no nahalala fa avy any Betlehema izy, nefa nisy koa tsy nahalala. (Mt 2:3-6; Jn 7:27) Nisy indray nihevitra fa tsy i Kristy ilay Mpaminany. (Jn 1:20, 21; 7:40, 41) Tsy azon’ny olona sy ny mpianatr’i Jesosy ny hevitry ny faminaniana sasany momba ny Mesia, toy ny hoe holavina izy, hijaly, ho faty, ary hitsangana amin’ny maty. (Is 53:3, 5, 12; Sl 16:10; Mt 16:21-23; 17:22, 23; Lk 24:21; Jn 12:34; 20:9) Rehefa nitranga anefa ireo zavatra ireo ary nohazavaina ny hevitry ny faminaniana, vao takatry ny mpianany sy ny olon-kafa mbola tsy nino fa faminaniana momba ny Mesia ireo. (Lk 24:45, 46; As 2:5, 27, 28, 31, 36, 37; 8:30-35) Tsy neken’ny ankamaroan’ny Jiosy fa tsy maintsy nijaly sy maty ny Mesia. Voatery nanasongadina izany àry ny Kristianina rehefa nitory tamin’izy ireo.—As 3:18; 17:1-3; 26:21-23.
Hevi-diso. Asehon’ny fitantaran’i Lioka fa Jiosy maro no niandry mafy ny hahatongavan’ny Mesia, tamin’i Jesosy teto an-tany. “Niandry ny fampiononana ny Israely” sy ny “fanafahana an’i Jerosalema” i Simeona sy ny Jiosy hafa, tamin’i Jesosy zaza nentina tao amin’ny tempoly. (Lk 2:25, 38) Efa “niandriandry” an’i Kristy na Mesia koa ny olona tamin’ny fotoana nitorian’i Jaona Mpanao Batisa. (Lk 3:15) Maro anefa no diso hevitra momba ny Mesia. Resahin’ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo hoe “manetry tena izy, ary mitaingina ampondra”, nefa koa hoe ho avy ‘eny amin’ny rahon’ny lanitra’ izy mba handringana ny mpanohitra sy hanjaka amin’ny firenena rehetra. (Za 9:9; Da 7:13) Tsy takatry ny Jiosy fa amin’ny fotoana roa mifanalavitra be no hanatanterahan’ny Mesia ireo faminaniana ireo.
Marina tokoa ny voalazan’ny Lioka 2:38 hoe niandry ny fanafahana an’i Jerosalema ny olona tamin’izany. Milaza, ohatra, Ny Rakipahalalana Jiosy hoe: “Nanantena mafy ny hiavian’ilay taranak’i Davida nampanantenaina izy ireo, dia ilay hanafaka azy tamin’ny mpanjanaka vahiny izay halany sy ilay handresy ny fitondran’ny Romanina mpanompo sampy ary hampanjaka ny fiadanana.” (1976, Boky Faha-8, p. 508) Notadiavin’izy ireo hatao mpanjaka eto an-tany ilay Mesia. (Jn 6:15) Nolavin’izy ireo àry izy rehefa tsy nanao araka izay noeritreretiny.
Nihevitra koa i Jaona Mpanao Batisa sy ny mpianany fa hanjaka eto an-tany ny Mesia. Fantatr’i Jaona fa i Jesosy ilay Mesia sady Zanak’Andriamanitra, satria hitany ny nanosorana fanahy masina azy. Reny koa Andriamanitra nilaza ny fankasitrahany an’ilay Zanany. Nanam-pinoana àry i Jaona. (Mt 11:11) Nanontany anefa izy hoe: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?” Mety ho te hilaza izy hoe: ‘Olon-kafa ve no tokony handrasanay hanatanteraka ny zava-drehetra antenain’ny Jiosy?’ Notanisain’i Kristy àry ny asa nataony (izay efa nambaran’ny Soratra Hebreo mialoha). Namarana ny teniny izy hoe: “Sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.” Te hilaza i Jesosy fa nila nino sy nahay nanavaka i Jaona. Nahafa-po sy nampahery an’i Jaona ilay valin-teny. Natoky àry izy fa i Jesosy tokoa ilay hanatanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. (Mt 11:3; Lk 7:18-23) Nihevitra koa ny mpianatr’i Jesosy fa hanafaka ny Israely tamin’ny fitondran’ny hafa firenena i Jesosy alohan’ny hiakarany any an-danitra, ary hanorina an’ilay Fanjakana (izany hoe hampody ny fanjakan’ny taranak’i Davida) eto an-tany.—Lk 24:21; As 1:6.
Mesia sandoka. Nanaraka Mesia sandoka maro ny Jiosy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, araka ny efa nambarany. (Mt 24:5) Hoy Ny Rakipahalalana Jiosy: “Nisy Mesia maromaro nipoitra nanomboka tamin’ny andron’i Josèphe tamin’ny taonjato voalohany, talohan’ny nandravana ny Tempoly [tamin’ny taona 70]. Nampanantena izy ireny fa hanafaka ny Jiosy tamin’ny fitondran’ny Romanina, ka betsaka no nanara-dia azy.” (Boky Faha-10, p. 251) Nohobina ho Mesia Mpanjaka, ohatra, i Bar Kokhba (Bar Koziba), mesia sandoka anisan’ny nalaza indrindra, tamin’ny taona 132. Resin’ny Romanina anefa io mpikomy io sy ny mpomba azy, ka Jiosy an’arivony no maty. Hita avy amin’izany fa Mesia mpanao politika no tena nandrasan’ny Jiosy maro. Tena olona koa anefa no nandrasany, fa tsy hoe ny fotoana hanjakan’ny Mesia na firenena iray hanao ny asan’ny Mesia. Misy mihevitra fa taranak’i Davida i Bar Kokhba, ka izany no mety ho nahatonga ny Jiosy hino hoe izy no Mesia. Potika tamin’ny taona 70 anefa ireo tetirazana. Tsy afaka nanome porofo àry ireo nihambo ho Mesia taorian’io taona io hoe taranak’i Davida izy. (Tsy maintsy ho niseho talohan’ny taona 70 ny Mesia, toa an’i Jesosy, mba ho afaka hanaporofo fa mpandova an’i Davida izy. Midika izany fa diso hevitra ireo mbola miandry ny hahatongavan’ny Mesia eto an-tany.) Mesia sandoka koa i Mosesy avy any Kreta. Nilaza izy fa hampisaraka ny ranomasina teo anelanelan’i Kreta sy Palestina. Mesia sandoka koa i Serenus, izay namitaka Jiosy maro tany Espaina. Milaza Ny Rakipahalalana Jiosy fa nisy Mesia sandoka 28 teo anelanelan’ny taona 132 sy 1744.—Boky Faha-10, p. 252-255.
Nekena fa i Jesosy no Mesia. Porofoin’ny Filazantsara fa i Jesosy tokoa ilay Mesia. Neken’ny olona velona tamin’ny taonjato voalohany fa marina ny fitantarana momba azy. Azon’izy ireo natao mantsy ny nanontany an’ireo vavolombelona sy nandinika ny porofo. Tena nino izy ireo fa i Jesosy no Mesia, ka vonona ny hiaritra fanenjehana sy ho faty noho ny finoany izy ireo. Olona samihafa no niaiky ampahibemaso fa i Jesosy no Kristy na Mesia. (Mt 16:16; Jn 1:41, 45, 49; 11:27) Tsy nanda an’izany i Jesosy, ary nilaza mihitsy aza izy indraindray fa izy no Kristy. (Mt 16:17; Jn 4:25, 26) Tsy nilaza an’izany mivantana foana anefa izy, ary nisy fotoana aza izy nandrara ny mpianany tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza. (Mr 8:29, 30; 9:9; Jn 10:24, 25) Afaka nandre mivantana ny fampianaran’i Jesosy sy nahita izay nataony ny olona, ka tian’i Jesosy izy ireo hino azy noho izany porofo mivaingana izany. Izy ireo mihitsy mantsy no vavolombelona nahita ny fahatanterahan’izay nolazain’ny Soratra Hebreo momba azy. (Jn 5:36; 10:24, 25; ampit. Jn 4:41, 42.) Maro be ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo momba izay hataon’ny Mesia. Ireo Filazantsara koa mitantara ny mombamomba an’i Jesosy sy izay nataony. Avy amin’ireo àry no ahalalan’ny olona sy inoany fa i Jesosy tokoa no Mesia.—Jn 20:31; jereo JESOSY KRISTY.
[Tabilao, pejy 399]
FAMINANIANA MIAVAKA MOMBA AN’I JESOSY SY NY FAHATANTERAHANY
Faminaniana
Zava-nitranga
Fahatanterahany
Teraka tao amin’ny fokon’i Joda
Mt 1:2-16; Lk 3:23-33; He 7:14
Taranak’i Davida, zanak’i Jese
Mt 1:1, 6-16; 9:27; As 13:22, 23; Ro 1:3; 15:8, 12
Teraka tao Betlehema
Nateraky ny virjiny
Novonoina ireo zazalahikely taorian’ny nahaterahany
Nantsoina hiala avy tany Ejipta
Nomanina ny lalany
Mt 3:1-3; 11:10-14; 17:10-13; Lk 1:17, 76; 3:3-6; 7:27; Jn 1:20-23; 3:25-28; As 13:24; 19:4
Nirahina
Nahita hazavana lehibe ny mponina tany Zebolona sy Naftaly noho ny fitoriany
Nampiasa fanoharana
Nitondra ny aretintsika
Nafana fo ho an’ny tranon’i Jehovah
Mpanompon’i Jehovah ka tsy nifanditra teny an-dalana
Tsy ninoan’ny olona
Nitaingina zanak’ampondra rehefa niditra tao Jerosalema; nohobina hoe mpanjaka tonga amin’ny anaran’i Jehovah
Mt 21:1-9; Mr 11:7-11; Lk 19:28-38; Jn 12:12-15
Is 28:16; 53:3; Sl 69:8; 118:22, 23
Nolavina nefa tonga vato fehizoro lehibe
Mt 21:42, 45, 46; As 3:14; 4:11; 1Pe 2:7
Lasa vato mahatafintohina
Namadika azy ny apostoly iray
Mt 26:47-50; Jn 13:18, 26-30; As 1:16-20
Farantsa volafotsy 30 no namadihana azy
Mt 26:15; 27:3-10; Mr 14:10, 11
Niparitaka ny mpianatra
Nanohitra an’ilay voahosotr’i Jehovah ny manam-pahefana romanina sy israelita
Mt 27:1, 2; Mr 15:1, 15; Lk 23:10-12; As 4:25-28
Notsaraina sy nomelohina
Mt 26:57-68; 27:1, 2, 11-26; Jn 18:12-14, 19-24, 28-40; 19:1-16
Nisy vavolombelona nandainga
Nangina teo anatrehan’ny mpiampanga azy
Mt 27:12-14; Mr 14:61; 15:4, 5; Lk 23:9
Nankahalaina tsy amin’antony
Nokapohina sy nororana
Nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana
Mt 27:35; Mr 15:24, 25; Lk 23:33; Jn 19:18, 23; 20:25, 27
Nanaovana antsapaka ny akanjony
Natao ho anisan’ny mpanota
Nesoina rehefa teo amin’ny tsato-kazo
Nomena vinaingitra niharo zava-mangidy
Nafoin’Andriamanitra ho an’ny fahavalony
Tsy nisy tapaka ny taolany
Nolefonina
Mt 27:49; Jn 19:34, 37; Ap 1:7
Nanao sorona ny ainy, ka nitondra ny fahotan’ny olona sy nanampy azy ireo ho tonga olo-marina
Mt 20:28; Jn 1:29; Ro 3:24; 4:25; 1Ko 15:3; He 9:12-15; 1Pe 2:24; 1Jn 2:2
Nalevina niaraka tamin’ny mpanankarena
Tao am-pasana nandritra ny telo andro teo ho eo, ary natsangana
Mt 12:39, 40; 16:21; 17:23; 27:64; 28:1-7; As 10:40; 1Ko 15:3-8
Natsangana dieny mbola tsy lo
Nambaran’i Jehowvah ho Zanany rehefa nandatsahany ny fanahiny sy natsangany tamin’ny maty
Mt 3:16, 17; Mr 1:9-11; Lk 3:21, 22; As 13:33; Ro 1:4; He 1:5; 5:5